Misy vaovao tsara sy vaovao ratsy avy eto Kenya. Ny vaovao tsara aloha dia ny handravahana zavamaitso [zavamaniry] ny renivohitra
Aleo atomboka amin’ny vaovao tsara aloha, Nitatitra ny fivoriambe faha-17n’ny fitarihana olona i Bankelele ka naheno ny tenin’i John Gakuo, mpikarakara an’i
Tahaka ny nataon’ny Ben’ny tanànan’i
Nanome sary maromaro maneho ny fambolen-kazo tanterahin’I mpanolotsainan’ny tanàna John Gakuo teny amin’ny arabe manerana an’I Nairobi i Egm.
Eto kosa indray dia vaovao tsy dia tsara loatra no ambara : avy amin’ny blaogin’i Richard Leakey ,ilay mpandinika malaza momba ny taolana sy ny sisan-javamananaina fahagola, izay nanasa an’i Ali Kaka izay tale mpanatanteraky ny East African Wildlife society[fikambanana mpiaro ny fiainan’ny biby sy zavamaniry dia sampana Afrika Atsinanana ] mba hamaritra indray mandeha ny faritra hasiana fefy mba tsy ho tafiditra ao ny sombim-paritry ny alan’ny tendrombohitra Kenya. Misy sary nalaina avy teny an’habakabaka mampiseho ny fefy mamakivaky ny ala ny lahatsoratra “Famefena sy fanahiana hisian’ny fandraofan-tany eny an-tendrombohitry Kenya”. Nampidirina tao koa ny dikan’ny fefy raha jerena ny biby sy ny manodidina ny tendrombohitra
Tombananay fa eo ho eo amin’ny 12.000 ara eo ho eo (
Ny mety ho fiantraikany lehibe indrindra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia ahiana ny fahaverezan’ny ala voajanahary efa matoy mpisinton’orana amin’iny faritry ny tendrombohitra Kenya iny ka manondraka ireo sampandrano be dia be ireo ka tafatambatra ho ony lehibe antsoina hoe Burguret izay mikoriana kosa hivoaka ny fefy vaovao. Nefa lasa any ivelan’ny fefy (noho ny fitrandrahana ihany) izay tena zava-dehibe ho an’ny Elefanta dia ny fahamaroan’ny sira mineraly izany. Misy manko ny finoana milaza fa feran’ny sakafo ny fitomboan’ny elefanta ao an-tendrombohitra Kenya ary noho ny fiankinan’ny elefanta amin’ireo amin’ny sira mineraly miandrona amin’ny toerana maro manodidina ny tendrombohitra ireo no ijanonany ao fa raha lany ireo dia efa karazana ny famerana ny fitombon’ny isany izany – Mbola mila fikarohana lalina kokoa ny petrakevitry ny filana saingy mety ho izay no ahafaha-manazava hoe nahoana moa ireo biby ireo no lasa mifikitra amin’ny toerana be (sira) mineraly.Mbola misy tantara hafa ihany hita ao amin’ny blaogin’i Richard Leakey.Juliana Rotich
4 hevitra
Vonjeo fa tsy mahita ilay teny anglisy mihitsy aho dia tsy voasoratra koa ny anaran’ny mpanoratra…
Misaotra mandrakariva e!