Borkina Fasô : Manampy ireo Borkinabe hiady ny fanampenam-bava ireo blaogy
Any Borkina Fasô, tsy fandanian'andro fotsiny ihany ny fitorahana blaogy fa tena manandanja tokoa. Satria ireny no mba maso sy sofina entin'ireo olona aman'arivony eto amin'ny Aterineto [manaraka ny toe-draharaha any an-toerana].
Nandritra ny fankalazana ny fahatsiarovana ny faha-20 taonan'ny namonoan'ny sasany an'i Thomas Sankara, filoha amperin'asa fahizay, izay notanterahina nanomboka tamin'ny 11 Oktobra ka hatramin'ny faha-17 Oktobra 2007, dia notapahina ny tambanjotran'i Borkina Fasô mba hampanginana ny feon'ireo izay nankalaza izany fahatsiarovana izany.
Any amin'ny firenena izay mbola anjakan'ireo tsiambaratelo, dia fanafahana ny toe-tsaina ireo blaogy. Any amin'ny firenena izay mbola anjakan'ny fifehezam-bava sy ny tahotra ireo tsindry aloky ny mpitondra izay mampihorohoro ireo fampahalalam-baovao mahazatra, dia ireo mpiblaogy sisa matetika no hany « tena mpanao gazety ». Izy ireny ihany sisa no hany afaka mamoaka vaovao mirakitra fitsikerana ny governemanta.
Na dia mbola mila miezaka ny ho fata-daza eo anivon'ireo Borkinabe aza ireo Blaogy, misy ihany ireo mponina sy mpanao gazety vitsy an'isa izay efa mpiblaogy. Ny sasany dia mitatitra vaovao efa nampitain'ny gazety, na radio, na fahita-lavitra. Ny hafa dia mamaofivaofy ireo vaovao sady mandanjalanja izay zavatra hitany sy henony.
Misy koa anefa mamoaka lahantsoratra voarara amin-dry zareo. Ny Blaogy dia zary lasa toeran'ny fifandirana, anararaotana ampirehetana adihevitra amin'izay fomba fanaovana pôlitika na koa ny tsy fisian'ny pôlitika any Borkina Fasô.
Noho izany dia tokony heverina ho toy ny fitondrana jadona izay fitondrana tsy mamela ny mponina ao aminy hanana izany fahalalahana ara-pitenenana izany. Izay fanerena an-keriny [na dia an-kolaka aza] dia mikiky mampihena ny kianjan'ny demokrasian'ilay firenena. Ny famehezam-bava sy ny fifehezam-bava dia mamadika ho ringitra ny fahafahan'ny fampahalalam-baovao sy ny fahalalahana ara-pitenenana.
Mahatsiaro tena ho voafehy vava ve ireo mpanao gazety, ny vahoaka koa anie ka mba torak'izany. Ka dia mihevitra ry zareo fa afenina azy ireo zava-marina. Marina fa manana ny toerany izay lehibe ireo « fampahalalam-baovao anelakelan-trano », anefa ny blaogy dia kianja malalaka ahafahan'ny tsirairay mamelatra tsy am-pihambahambana ireo heviny sy mitantara izay iainany amin'ireo mpamaky izay mankasitraka izany.
I Amétépée Koffi, izay isan'ireo mpanao gazety Borkinabe vitsy mitoraka blaogy, dia manantena fa ny fitoratorahana blaogy dia hiteraka fihatsarana anivon'ireo fampahalalam-baovao mitoetra any Borkina Fasô.
« Fanantenako fa, ho hitan'ny masoko hiaradia hanaraka ny onja ireo mpiray tanindrazana amiko sy ireo vahoaka. Manantena aho fa handray anjara amin'izany adihevitra izany ireo fampahalalam-baovao aty Borkina Fasô. Satria afaka ny manondro lalam-baovao hamoaboasana ireo vaovao, lalam-baovaon'ny fomba fitenenana ary lalam-baovaon'ny demokrasia ry zareo … tsy misy famerana na koa famehezam-bava raha ny fanantenantsika »
Ny blaogy mpanohitra le10sident
Ny mpiblaogy mpanohitra Felix Amétépée Koffi dia manambara fa ny antony namoronany ny blaoginy le10sident roa taona lasa izay dia ny hivoy ny fahalalahana ara-pitenenana sy ny fanaovan'ny mponina tatitra ara-gazety izay fiaim-piainany eto amin'ny sehatry ny Aterineto.
Ny ankamaroan'ireo lahatsoratra ao amin'ny le10sident dia efa nivoaka an-gazety tamin'ny gazety mpananihany mivoaka isan-kerinandro Le Journal du Jeudi, izay toeram-piasany rahateo. Ampitain'i Koffi ao amin'ny blaoginy koa ireo tantara na koa tsikera diam-penin'ireo mpiara-miasa aminy.
Lefaso.net, vavahady mitarika ho any Borkina
Lefaso.net dia vohikala vavahadim-pilazam-baovao izay ahitana ireo lahantsoratra navoak'ireo gazety maro any Borkina Fasô. Ary satria afaka mametraka hafatra ireo mpamaky dia azo ambara fa toerana ipoiran'ny adihevitra mikasika lohahevitra maro koa eo.
Lefaso.net dia efa manomboka fanta-daza araky ny ambaran'ireo isa mikasika azy. Tsy lavitra ny 6'000 ny isan'ireo mpamaky nisoratr'anarana ary miisa 2'500 isan'andro kosa ireo mpitsidika ny vohikala, izay monina any Frantsa, sy Borkina Fasô, sy Amerika ary Kanada ny ankamaroany.
Efa-taona taorian'ny namoronana azy dia i Lefaso.net izao no fototra voalohany anovozan'ny diaspaora vaovao avy any an-tanindrazana.
Zavatra bitika misokatra amin'izao tontolo izao
« Tongasoa ianareo rehetra vonona hizara ireo hafaliana sy ireo fahoriana, ireo fanantenana, ireo tolona hoamin'ny rariny, hetsi-pitiavana : Afaka miaina tontolo hafa isika ! » hoy i môpera Lacour ao amin'ny blaoginy.
I Lacour dia ira-piangonana tany Borkina Fasô efa ho 30 taona izao. Nosokafany ny blaoginy mba hizarany ireo vain-dohan-draharahany :
Ny lahatsorany voalohany nosoratany tamin'ny volana Avrily 2006, dia taratasy hoan'i Nicolas Sarkozy sy ireo ministra hafa misahana ny atitany any Erôpa.
Maro amin'ireo lahantsorany no nosoratany mba havoak'ireo gazety Le Pays na koa ny abcburkina.
Asehoy i Borkina dia ampahafantarò ny vakony
Ny vohikala vavahady monburkina dia manam-paniriana ny hampahalala ireo fomba nentim-paharazana Borkinabe amin'ny famelarana kianja hoan'ireo mpanakanto, mpanao tao-zavatra ary mpitarika mpizaha-tany. Kianja misokatra koa io vohikala io azahoan'izay rehetra liana momba an'i Borkina Fasô mifanakalo hevitra
« Zonao ny hanam-baovao, takionao izany ! »
« Zonao ny hanam-baovao, takionao izany ! » mitoraka blaogim-baovao koa ny mpanao gazety ao amin'ny L'Opinion, i Frederic Ilboudo.
Sokajy

Hiresaka koa
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Fantaro i Andriamifidisoa Ny Haja Zo, hitantana ny kaonty Twitter...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
3 hevitra
Misaotra amin’ny fanitsiana RaJentilisa fa tsy voafehiko tanteraka ilay izy 🙂
oadray! fa angaha nisy zavatra nahitsiko tao? 😉
Novakiako ilay izy dia ohatry ny misy nanatsara izany dia heveriko fa ianao 🙂