Maraoka: Ary Ny mpandresy Dia…..

(Marihina fa tamin'ny 9 Febroary 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Natao tao Casablanca tamin'ny 31 Janoary ny andiany faharoa tamin'ny Maroc  Blog Awards (Fifaninanana Bilaogy). Natao ho an'ireo bilaogy Maraokana tsara indrindra (sy ho an'ireo  bilaogera manoratra manokana momba an'i Maraoka ihany koa) izay nosokajiana ao anatin'ny loka miisa telo ambin'ny folo. Indro ny lisitry ny mpandresy:

Niarahaba ireo mpandresy rehetra ilay bilaogera Reb, Amerikana iray izay nanao ny fikarohana ny Blogoma (ny tontolon'ny bilaogy Maraokana) .

C'est un peu tardif – j'était absent le week-end dernier, mais félicitations à tous les lauréat des prix des blogs marocains 2009 ! Vous méritez tous réellement d'être reconnus.

Somary tara ihany izany – Tsy teo aho tamin'ny faran'ny herinandro, kanefa arahabaina ireo mpandresy rehetra nahazo ny loka tamin'ny bilaogy Maraokana 2009 ity! Mendrika hahazo mari-pakasitrahana avokoa ianareo rehetra.

Nitantara ny lanonana sy ny fihetseham-pony tamin'ity loka ity i Robin Des Blogs, mpandresy tamin'ny loka “Bilaogy Maraokana taona 2009″ sady nahazo ny ” Bilaogy tsara indrindra amin'ny teny Frantsay” :

Dire que jusqu’à ce matin j’ étais un citoyen ordinaire, juste un mec avec plein d’ambitions et de rêves comme tout le monde…Ce soir, je rentre chez moi avec cette impression de pouvoir tout faire, non pas parce que je me suis découvert quelque talent caché ou des forces mystérieuses, mais parce que j’ai gagné au Maroc Blog Awards…deux titres dont l’un n’est tout autre que le prestigieux blason de meilleur blog marocain de l’année 2009, rien que ça… Tu parles d’une soirée !

Raha mbola olom-pirenena tsotra aho hatramin'ny maraina teo, lehilahy iray nanana faniriana fatratra sy nofinofy toy ny olon-drehetra … Nody  tany an-trano aho anio alina niaraka tamin'ny fahatsapana ny fahafahana manao ny zava-drehetra, tsy noho ny fahitako talenta miafina na hery misitery, fa noho ny nahazoako ny loka Maroc Blog Awards … Mari-pakasitrahana miisa roa, izay tsy inona ny iray amin'izany fa ny fifaninanana fanta-daza indrindra amin'ny bilaogy Maraokana tsara indrindra amin'ny taona 2009, izay ihany … Miresaka takariva ianao!

Nandefa antserasera ny sarin'ny lanonana takariva ilay bilaogera.

Namoaka lahatsarin'ny hetsika i Casawaves, izay nahazo ny loka Bilaogin'ny Lohahevitra Tsara Indrindra , anisan'izany ny fampisehoan'ity tarika mpively amponga ity.

Nandefa antsersera ny sarin'ny fanolorana ny loka ihany koa i Saad Erraji, mpandresy tamin'ny loka Skyblog Tsara Indrindra:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.