Sivana : Herdict Web, Fitaovana Vaovao Hilazàna Ireo Tranonkala Tsy Mety Hidirana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Mirehareha ny Global Voices Advocacy (sampan'ny Global Voices ho fiarovana ny fahalalaham-pitenenana ato amin'ny Aterineto) manambara ny fijoroan'ny Herdict WebHerdict Web dia fitohizana voajanahary ny OpenNet Initiative ; saingy amin'ny fijerin'ny ONU momba ny fifantenana sy ny sivana atao amin'ny Tranonkala amin'ny fomba fijery akademika, fitaovana ahitana loharanom-baovao marobe azon'ireo mpiserasera aterineto ampiasaina ny Herdict Web mba hahafahan'izy ireo milaza, ara-potoana, mikasika ny olana amin'ny fidirana amin'ny Tranonkala na Habaka manokana ao amin'ny firenen'izy ireo.

Avy amin'ny teny ‘Herd’ (andiany) sy ‘verdict’ na didim-pitsarana’ ny anarana hoe Herdict. Miaraka amin'ny fitaovana antserasera Herdict Web, na iza na iza, na aiza na aiza, dia afaka manambara momba ireo tranonkala tsy mety hidirana na tsy azo idirana. Manangona ireo filazana ara-potoana ny fitaovana, ary hahafahan'ireo mpiserasera manamarina raha olana mateti-pitranga na manokana na mahasika ny rehetra ny fidirana voasakana, ary manome fanazavana momba ny antony mahatonga ny tranonkala ho tsy azo idirana. Azo jerena amin'ny fotoana rehetra, amin'ny tranonkala sy isaky ny firenena ny valiny.

Ny biby famantaran'ny tetikasa — ondry— maneho ny “didim-pitsaran'ny andiany” ao anatin'ity lahatsary kely ity:

Hevitra avy amin'ny Profesora Jonathan Zittrain (mpanoratra ny The Future of the Internet: And How to Stop It) [ny hoavin'ny aterineto sy ny fomba hampijanonana azy] ny Herdict Web ary anisan'ny tetikasan'ny Berkman Center for Internet & Society.

Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fitaovana antserasera Herdict:

  • Tsidiho ny pejy “About us (momba antsika)” an'ny  Herdict
  • Midira mpikambana amin'ny mailaka raha te hahazo vaovao farany, sy hahafantatra ny fandikan-teny amin'ny teny hafa ao amin'ny tranonkala Herdict.
  • Tsidiho  ny bilaogy Herdict
  • Jereo sy henoy i Jonathan Zittrain mampahafantatra ny fitaovana Herdict Web

Antenaiko fa hanatevin-daharana ireo mpiara-miasa amiko sy ny tenako manokana ianao mba hankalaza ny fanombohan'ny Herdict Web !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.