Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Aogositra, 2017
Thailandy: Voasivana Tao Amin'ny Tambajotra Ny Youtube, Ary Naverina An-tserasera Indray Avy Eo
Navily tany amin’ny pejin'ny MICT (Minisiteran'ny Fifandraisana sy ny Teknôlôjia) ireo mpitsidika ny vohikala fizarana lahatsary, YouTube, tamin'ny Zoma ka hatramin’ny Sabotsy atoandro lasa teo.
Koety: Ny Fifangaroan'ny Havandra, Orana, Rivotra Ary ny Vovoka Mahatsiravina
(Marihina fa tamin'ny 12 Aprily 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy) Tsy mahazatra tamin'ity taona indray mitoraka ity, namely an'i Koety ny karazana ‘Tadio kely,’ izay nahitana “ny fifangaroan'ny...
Okraina: Ao Amin'ny Twitter Ny Filoha
Manana kaonty Twitter ofisialy amin'izao fotoana ny Filohan'ny Okraina Victor Youshchenko : hita mitsivalana ery ankavanana ny rohin'ny Twitter misy ny vohikala ofisialy. Hita ao amin'ny siokan'ny Filoha ny fanambarana ofisialy isan'andro sy ny lahatsoratra an-gazety nivoaka farany izay hita ihany koa ao amin'ny tranonkala ofisialy.
Nakatona ny Bilaogy Bahrainita Malaza!
Efa ofisialy fa hosakanana avy hatrany ny bilaogin'i Mahmood (http://mahmood.tv), noho ny baikon'ny Minisiteram-Baovao Bahrainita. Miaraka amin'ireo tranonkala 6 hafa.
Myanmar : Tapaka ny Aterineto
Manohana faobe an'ireo fihetsiketsehana ankehitriny ny bilaogera Birmana ary feno sary sy vaovao momba izany fihetsiketsehana izany ny tontolon'ny bilaogy Birmana. Noho izany antony izany, nanapa-kevitra handràra ny bilaogy politika, ny fitondrana miaramila, vokatr'izany, voaràra avokoa ireo bilaogy hafa ao Myanmar.
Terena Hametraka Fitaovana Fanarahamaso Amin'ny Findainy Ireo Mponin'i Xinjiang any Shina

Nitatitra ireo mpisera amin'ny Aterineto teo an-toerana fa manao an-tsapaka misava ny fitaovan'ireo mponina ny polisy eny amin'ny toeram-pisavàna mba hijerena raha nametraka ilay fampiasa fanarahamaso izy ireo.
Indonezia: Tondra-drano sy Fahatapahan'ny Aterineto any Aceh
Tsy misy zavatra ratsy indrindra ho an'ny bilaogera Indoneziana indrindra manodidina ny fiatombohan'ny taona, afa-tsy ny "fialan'ny" aterineto tampoka vetivety.
Egypta: Sary Famantarana Manokana Google Ho An'ny Andron'ny Zaza Kamboty
Zaza kamboty Egyptiana mihoatra ny 160 no nandray anjara tamin'ny fifaninanana Google doodle, izay sambany natao tao Egypta sy tany Afovoany Atsinanana. Hiseho eo amin'ny pejy fandraisana Google Egypta (google.com.eg) ny 3 Aprily , amin'ny Andron'ny Zaza Kamboty any Egypta, ny sary mandresy.