Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Marsa, 2015
Ginea: Manakaiky Ny Fifidianana, Milaza Ny Ahiahiny Ny Mpanohitra
Manakaiky ny fifidianana ao Ginea ary mampitandrina ny CENI momba ny fikarakarana ny fifidianana ny ao amin'ny fanoherana.
Mampitodika any Amin'ny Zanakalahy ny Fandraràna ilay Horonantsary “Zanakavavin'i India”?
Tsy tonga lafatra ny horonantsary fanadihadiana momba ny tranga fanolanana tao Delhi tamin'ny taona 2012, saingy nanome tsiny ny governemanta ao India ny tsikera sasany noho ny fandraràna ilay horonantsary sy ny fangatahany tamin'ny Youtube mba hanakatona izany.
Ampitadiavana ‘Mpanao Gazety Sahisahy’ ao Espaina Hanadihady ny Dinam-Barotra TTIP
Mampanahy ireo vondron'olona manohitra ny Fiaraha-Miasa ara-Barotra sy ara-Pampiasambola Manerana an'i Atlantika ny tsy fisian'ny mangarahara. Misy noho izany ny antenimieram-bahoaka iray ao Madrid mitady ny mpanao gazety mba hanao fanadihadiana.
Tovovavy Dimy Mpiaro Ny Vehivavy Ao Shina, Mbola Tsy Hita
Mbola tsy nivoaka foana ireo Shinoa mpiaro vehivavy nosamborina ny hariva talohan'ny Andro Erantany Ho an'ny Vehivavy, niteraka fanentanana faobe tety anaty serasera ho famotsorana azy ireo.
Nahazo Fanohanana Manerantany Ireo Mpianatra Mpanao Fihetsiketsehana Ao Myanmar Notafihan'ny Polisy
Notafihan'ny polisy tamin-kerisetra mahery vaika tamin'ny 5 Martsa sy 10 Martsa ireo mpianatra Myanmar mpanao fihetsiketsehana - manao diabe hoan'ny fanovana ny fanabeazana nanomboka tamin'ny volana Janoary.
Sariitatra Manameloka Ny Herisetra Nataon'ny Fanjakana Tao Myanmar Taorian'ny Nanafihan'ireo ‘Polisy Jiolahimboto’ Ny Famoriam-bahoaka Nataon'ny Mpianatra
-"Any amin'ny firenenay, ofaninay ny alika mba hiambina ny fihetsika mahery setra." -"Any amin'ny firenenay, ofaninay hanao herisetra ny olona."
Mahery Fo Voasambotra Fa Niampanga “Fanandevozana An-tanindrazana” Tao Maoritania
M. Biram Dah Abeid ary olona valo hafa mpiaro ny zon'olombelona no voasambotry ny mpitandro ny filaminana ny 11 novambra.
Tonga Any Amin'ny Rafi-Panabeazan'ny Sekolim-panjakana Ao Puerto Rico Ny Fomba Fijery Ny Mitovy Lenta
"Na dia tsy ny tanjona farany aza izy ity, dia ho fitaovana mahazendana hanome vàhana ny zon'olombelona ao Puerto Rico ity dingana ity."
#KitaLawan: An'arivony Ireo Tonga Nanatrika Ny Diabe Fitakiana Ny Famotsorana Ny Lehiben'ny Mpanohitra Ao Malezia
Niresaka tamin'ny solombavambahoaka Nurul Izzah Anwar, zoky vavimatoan'i Anwar Ibrahim, lehiben'ny mpanohitra any am-ponja i Global Voices.
Bilaogera Ao Singapore Nitsikera Ny Lalàna Momba Ny Firaisana Ara-nofon'ny Pelaka, Nasaina Nandoa Lamandy Fa ‘Nanala-baraka Ny Fitsarana ’
"Ny fanenjehana an'i Alex Au noho ny nanandratany feo dia ohatra iray monja amin'ireo fanirian'i Singapore hampiasa amin'ny tsy tokony ho zy ny lalàna mba hanampenam-bava ireo mpanakiana azy."