Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

#KitaLawan: An'arivony Ireo Tonga Nanatrika Ny Diabe Fitakiana Ny Famotsorana Ny Lehiben'ny Mpanohitra Ao Malezia

Thousands join march to demand the freedom of opposition leader Anwar Ibrahim. Photo by Imagetaker, Copyright @Demotix (3/7/2015)

An'arivony ireo nanatevin-daharana ny diabe mitaky ny famotsorana ny lehiben'ny mpanohitra Anwar Ibrahim. Sary avy amin'i Imagetaker, Zon'ny mpamorona @Demotix (3/7/2015)

Na dia teo aza ny orana, manodidina ny 10.000 teo ireo Maleziana nanatevin-daharana ny diabe tao an-drenivohitra Kuala Lumpur mitaky ny famotsorana ny lehiben'ny mpanohitra Anwar Ibrahim sy ny fametraham-pialan'ny praiminisitra Najib Razak. Nivory teny an-dalambe ireo mpanao fihetsiketsehana, izay nampiasa ny diezy Twitter #KitaLawan (Mitolona isika) alohan'ny nanohizany ny diany tao Kuala Lumpur City Center (KLCC). Noho ny fahavitsin'ny polisy teny an-toerana, nifarana tamim-pilaminana tamin'ny Asabotsy hariva ny diabe.

Mamita sazy dimy taona an-tranomaizina i Anwar Ibrahim taorian'ny filazan'ny fitsarana ambony ao Malezia ny fanamelohana azy noho ny sodomie (firaisana ara-nofo amin'ny fitombenana) tamin'ny volana lasa. Nilaza ity lehiben'ny mpanohitra, minisitra lefitry ny firenena teo aloha alohan'ny nanesorana azy niaraka tamin'ireo manampahefana hafa tao amin'ny fitondrana iaraha-mitantana ity fa noho ny antony ara-politika ny fanamelohana azy amin'ny resaka sodomia. Heloka ao Malezia, firenena maro Miozolomana ny sodomia.

Niresaka momba ny famoriam-bahoaka tamin'ny GV i Nurul Izzah Anwar, solombavambahoaka lany fanindroany sady zoky vavimatoan'ity lehiben'ny mpanohitra ity.

GV: Inona no vitan'ny diabe?

Nurul Izzah: The rally is a manifestation of the undercurrent of support for reforms and change in this country. In particular the change of the ruling elite. The substantial number and spectrum of those who attended showcase the spread of rights’ awareness amongst Malaysians.

Fanehoana ny fanohanana ho amin'ny fanavaozana sy ny fanovana ao amin'ny firenena ihany koa ny diabe. Indrindra ny fanovana mpitondra. Nampiseho ny fielezan'ny fahatsapahan-tena momba ny zo teo amin'ireo Maleziana ny fahatongavan'olona marobe tonga nanatrika ny diabe.

GV: Mihevitra ve ianao fa hisy fiantraikany maharitra amin'ny fiarahamonina Maleziana ny diabe?

Nurul Izzah: Yes. Society has grown more understanding of the various forces accorded to them to display their viewpoints. Over the years, success has been achieved even in the police handling of peaceful demonstrations.

High handedness by the authorities; linked with mainstream media tarnishing of demonstrators won't work as easily now. We proved today, with proper police professionalism and care in managing traffic and handling peaceful rallies – everyone wins.

Nurul Izzah: Eny. Miha-mahatakatra kokoa ireo hery isan-karazany nomena azy mba haneho ny fijerin'izy ireo ny fiarahamonina. Nandritra ny taona maro, nisy ny fahombiazana na dia tamin'ny fandaminan'ny polisy ny fihetsiketsehana milamina aza.

Tsy handaitra mora foana intsony amin'izao fotoana izao ny fanatsatsoana amin'ny alalan'ny fampahalalam-baovao mahazatra ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny lava-tanana ataon'ny manampahefana. Noporofoinay izany androany, miaraka amin'ny polisy matihanina tena izy izay nikarakara tamin'ny fandrindrana ny fitohanana sy nandrindra ny diabe milamina – nandresy ny rehetra.

GV: Inona indray ny hetsika manaraka?

Nurul Izzah: We plan another rally May 1, but subject to engagement and further discussions with all stakeholders. We want all agents of reform who have put their trust in Pakatan Rakyat [political party], albeit with varying results, to partake in the process. Specifically, we plan a rakyat-led (people) petition to seek pardon for DSAI (Anwar Ibrahim) on the basis that a miscarriage of justice has taken place.

We will also stage a protest following the King's speech in parliament next week.

Nurul Izzah: Manomana diabe hafa izahay amin'ny 1 May, saingy mila fahavononana sy adihevitra bebe kokoa miaraka amin'ireo mpandray anjara rehetra. Tianay ny mpanohana ny fanovana rehetra izay nametraka ny fitokisany tamin'ny Antoko Pakatan Rakyat [antoko politika], na dia samihafa aza ny vokatra mba handray anjara amin'izany. Indrindra indrindra, manomana fanangonan-tsonia tarihin'ny rakyat (olona) izahay mba hangataka famelan-keloka hoan'ny DSAI (Anwar Ibrahim) fa nisy ny fahadisoana teo amin'ny fitsarana.

Hikarakara fihetsiketsehana ihany koa izahay aorian'ny kabarin'ny Mpanjaka ao amin'ny antenimieram-pirenena amin'ny herinandro ambony.

GV: Toa hita fa maneho ny ahiahy goavana eo amin'ireo Maleziana ny hetsika amin'izao fotoana, fa tsy miaro fotsiny ny fanafahana ny lehiben'ny mpanohitra Anwar Ibrahim. Ahoana ny hevitrao amin'izany?

Nurul Izzah: That would be exactly my point; our point. Any regime that imprisons it's opposition leader does not practice democracy. Anwar remains a messenger, bringing the message of reforms. Malaysians realize the weaknesses and failures of the regime and resonate with the call by the messenger.

Nurul Izzah: Izany indrindra koa no fijeriko; ny fijerinay. Tsy mampihatra ny demaokrasia ny fitondrana izay managadra ny lehiben'ny mpanohitra ao aminy. Mpampita hafatra fotsiny i Anwar, mitondra ny hafatry ny fanovana. Mahafantatra ny halemena sy ny tsy fahombiazan'ny fitondrana ny Maleziana ary mampiako antso avy amin'ny mpampita hafatra.

Tsy hilavo lefona mandrakizay izahay!

Niditra media sosialy ny Maleziana mba haneho ny fanohanan'izy ireo ary manao diabe miaraka amin'ireo mpitarika ara-politika sy ara-piarahamonina.

Miaraka aminay ato Masjid Jamek i YB @n_izzah amin'izao fotoana izao.

Mety tsy manatrika diabe aho saingy manohana ny zon'ny vahoaka hanao diabe. Zava-dehibe ny fahalalahana maneho hevitra

Manao diabe mankany SOGO

Mandritra izany, maneho firaisankina amin'ny hetsika ny Maleziana ao Aostralia sy Angletera

Miarena, Miarena – Miarina ny Olom-pirenena!

Jofan Pang – Filohan'ny KPUM (mpianatra lalàna tao UK). Londra.

Tsy ny rehetra no niombon-kevitra tamin'ny diabe – nisy ireo niampanga ny fihetsiketsehana – raha nangataka tamin'ny manampahefana kosa ny hafa mba hanasazy ity hetsika manohana ny demaokrasia ity

S.4 (2) (c) Lalàna momba ny Famoriam-bahoaka Milamina, azo saziana ireo izay mikarakara fihetsiketsehana an-dalambe. Tsy ankanavaka, satria miteraka fitohanan'ny fifamoivozana

Amin'ny maha filohan'ny Fikambanan'ny Firenena Aziatika Atsimo-Atsinanana (ASEAN) mandritra ity taona ity, maro ireo milaza fa manana andraikitra manokana haneho fa mahavita mampiroborobo ny politika ara-tsosialy mifototra amin'ny zo ao amin'ny faritra i Malezia. Anisan'izany ny zon'ny olona hanao fihetsiketsehana milamina sy ny fanajana ny hevitry ny mpanohitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.