Zaraina betsaka ao amin'ny Facebook ireo sariitatra hanamelohana ireo fomba feno herisetran'ny fanjakana tamin'ny fandraisana an-tànana ny hetsi-panoheran'ny mpianatra tao Yangon renivohitra fahiny tao Myanmar.
Ny pejy Facebook Brainwave (Nyanhline) dia manangona ny sasany amin'ireny sariitatra ireny, izay vetivety foana dia nameno ny serasera rehefa notafihan'ny polisy ny mpianatra sy mpikatroka mafàna fo teo amin'ny 200 eo ho eo, ny 5 Martsa 2015.
Niandry ny fahatongavan'ireo mpianatra avy any Mandalay ireo tanora mpanao hetsi-panoherana, teo anoloan'ny lapan'ny tanàna tao Yangon, dia ireo mpianatra nanao diabe avy any Mandalay ho any amin'ny renivohitra hatramin'ny 20 Janoary mba hanao tsindry amin'ny tokony hitondràna fanovàna amin'ny fanabeazana.
Nahasarika ny sain'ny firenena manontolo mba hijery ny fitakian'ireo mpianatra ilay diabe mitontaly efa ho 640 km (400 miles) avy any Mandalay ho ao Yangon, fitakiana izay ahitàna ny fandàvan-dry zareo ilay Volavolan-Dalàna izay nampidirin'ny governemanta tamin'ny Septambra lasa teo. Ilay fepetra vaovao, hoy ireo mpianatra, dia mety hanohintohina ny zon'olombelona any amin'ny toeram-ponenan'ireo mpianatra.
Niha-goavana ilay diabe arakaraky ny nandalovany ireo tanàna sy tanàn-dehibe maro. Saingy mazàna izy io no nosakanana na nahazo ramatahora avy amin'ny polisy sy ireo hery hafa an'ny governemanta.
Ny 11 Febroary, nifampiraharaha tamin'ireo mpianatra ny governamanta, mpianatra izay nanamafy ny zony ho tonga any Yangon. Saingy nolavin'ny governemanta izany ary dia nanome baiko hanaovana sakana ry zareo hanakanana ilay diabe tsy ho tonga ao amin'ilay tanàna voalohany ao amin'ny firenena. Nitohy nioso hatrany anefa ilay diabe, mandra-panakaikiny an'i Yangon.
Ho fanohanana ireo mpanao diabe, nifamory teo anoloan'ny Lapan'ny tanàna ireo mpianatra tao Yangon hitaky ny fanesorana ny sakana.
Io no fotoana nahatongavan'ireo polisy manao fanamiana sivily fantatra amin'ny anarany hoe Swarn Ar Shin, izay midika ara-bakiteny hoe Tompon'ny fahefana, nanaparitaka ireo mpianatra.
Jiolahimboto tohanan'ny governemanta mba hiady sy hisambotra mpanao hetsi-panoherana no fahitàn'ireo mponina ireto Swam Ar Shin ireto. Lasa mari-pamantarana ny famoretana ataon'ny fanjakana ilay tapa-damba mena fitondran-dry zareo eny amin'ny sandriny. Lasa nalaza ratsy ny Swam Ar Shin noho ny famoretana feno habibiana sy herisetra nataony tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana nandritry ny Saffron Revolution tamin'ny 2007.
Nantenaina fa ho ataon'ilay lazaina ho tetezamita demaokratika ao Myanmar ho lasa tsy misy ilàna azy ity vondrona ity. Indrisy, netsehina indray ry zareo mba hampiharana ny lalàna sy ny filaminana, izay nitarika tany amin'ny fanaparitahana an-kerisetra ilay hetsi-panoherana am-pilaminana notarihan'ny mpianatra.
Toherin'ny maro ny fampiasàna polisy sivily mba hamelezana famoriam-bahoaka. Isan'ireo nanakiana ny governemanta ireo mpanao sariitatra, tamin'ny nampiasàn-dry zareo herisetra tafahoatra tamin'ireo tanora mpianatra. Ny sariitatra nataon'izy ireo, nangonina ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Brainwave (Nyanhline), dia ahitàna taratra ny hatezeran'ireo olom-pirenena marobe ary ny fitomboan'ny fanakianana ny fanavaozana politka izay voalaza fa apetrak'ilay governemanta sivily tohanan'ny tafika.
Ohatra, i Kyaw Thu Rain, mpanao sariitatra dia manondro ny Swam Arr Shin ho ny loza mitatao voalohany ho an'ny tetezamita demaokratika ao amin'ny firenena.
Inoan'i Saw Naing Htut, mpanao sariitatra iray hafa, fa ampiasaina amin'ny tsy tokony ho izy ny polisy.
AAW Taung Gyi koa manontany tena momba ny fahadiovam-pon'ny governemanta amin'ny alàlan'ity tantara an-tsary fohy ity.Ho an'i Kar Lu Pyi, dia inoany fa dingana lehibe ny fanavaozana ny fanabeazana mba hanofànana andianà mpitarika vaovao.