
Avy ao amin'ny manodidina an'i Malasaña, manohitra ny TTIP ireo mpikambana ao amin'ny tobim-pambolena an-jaridaina. (CC BY-SA 2.0)
Ny ahiahy voalohany ajoron'ireo vondron'olona manohitra ny Transatlantic Trade and Investment Partnership (TTIP) [Fiaraha-Miasa ara-Barotra sy ara-Pampiasambola Manavatsava an'i Atlantika] eo amin'i Eoropa sy Amerika Avaratra dia ny tsy fisian'ny mangarahara sy ny fiantraikan'ny fifanarahana eo amin'ireo vondrom-piarahamonina tafiditra.
Ao Madrid, Espaina, ny Asamblea Popular de Tres Cantos (Antenimieram-Bahoakan'i Tres Cantos), vondrona iray malaza tamin'ny fandraisana anjara hetsi-panoherana ny krizy ara-toekarena, dia “eo am-pitadiavana mpanao gazety sahisahy” ho antso amin'ny mpampita vaovao mba hanadihady ny fifanarahana.
Ao amin'ny lahatsary navoaka tao amin'ny bilaogin'ny fikambanana sy ireo tambajotra sosialy isan-karazany, dia hita an-tsary miaraka amin'ny sarintavan'ireo mpiasan'ny orinasam-baovao vaventy ninia tsy te-hahalala ny momba ny fifanarahana tao amin'ny tati-baovao nataon'izy ireo ny mpikamban'ny antenimiera, ary nifanamby tamin'izy ireo:
Amin'ny fomba ofisialy dia hanamora ny fampiasam-bola sy ny fidirana amin'ny tsena ho an'ireo fandraharahana eo amin'ny roa tonta manamorona an'i Atlantika ny TTIP, ary hampisy fiantraikany tsara eo amin'ny olom-pirenen'ny Vondrona Eoropeana sy i Etazonia. Na izany aza, ny fanginana manoloana ny fifanarahana, ny tsy fisian'ny adihevitra ankalamanjana, ary ny fisongadinan'ny tahirin-kevitra nipotsaka no miteraka ahiahy eo amin'ny olona izay manahy fa ny TTIP dia midika fahaverezan'ny fiandrianam-pirenena manoloana ireo orita [orinasa marorantsana], midika fahasimban'ny tontolo iainana, midika fahapotehana tsikelikely ny zon'ny mpiasa sy ny mpanjifa, ary midika loza mihantona eo ambonin'ny tombontsoam-bahoaka amin'ny ankapobeny.
Tamin'ny fanombohan'ny volan febroary, nanomboka nanao ireo andiam-pifampiraharahana nisy fizarana valo momba nb TTIP ireo andrimpanjakana Eoropeana sy Amerikana. Hatramin'ny fotoana 2012 namelarana ny fifanarahana, dia tao anaty efitrano mihidy sy ambany tsindrin'ny sehatra indostrialy iraisampirenena hatrany no nanatontosana ny fifampiraharahana, hoy ny fikambanana sivika sy ny olompirenena avy amin'ny sisiny roa manamorona an'i Atlantika.
Nampivondrona ny heriny ny antoko politika, ny hetsika sy ny fikambanana ara-piarahamonina espaniola isankarazany hitaky mangarahara bebe kokoa momba ny fifampiraharahana ao amin'ny dina tamin'ny fananganana ny sehatra “Tsy ekena ny TTIP” (#NoalTTIP). Iray amin'ny fandraisana an-tanana an-tserasera natao ny fifaninanana sary, izay nahazoana fitomboan'isan'ny sary avy ao amin'ny Zaridainam-pambolen'ny fokonolon'i Cantarranas :

Afisy nampiasaina hanaovana ny hetsika fakantsary hanoherana ny TTIP. (CC BY-SA 2.0)

Eny amin'ny lalamben'i Madrid, miara-dalana ny zaridaina sy ny fanentanana an-tsary ho fanoherana ny TTIP. (CC BY-SA 2.0)
Misy ireo fampitambaovao tsy miankina ao Espaina sasantsasany no namoaka momba ny fifanarahana TTIP sy nitaky ny isian'ny mangarahara:
ENTREVISTA | Frédéric Viale, de ATTAC Francia: “El TTIP proviene del deseo de los lobbies, no de los pueblos” http://t.co/keIvvc9qn4
— eldiario.es (@eldiarioes) febrero 22, 2015
ANTSAFA | Frédéric Viale, avy ao amin'ny ATTAC Frantsa: “Ny TTIP dia mifototra amin'ny tombontsoan'ireo mpiaro tombontsoa manokana fa tsy hoan'ny tombontsoan'ny vahoaka” http://t.co/keIvvc9qn4
El TTIP o cómo venderle tu alma al diablo https://t.co/Kh9eQFJcfV por @ecanrog #TTIP pic.twitter.com/NM6Nd1EXAq
— Diagonal Periódico (@El_Diagonal) febrero 19, 2015
Ny TTIP, na “Ahoana ny fomba hivarotana ny fanahinao amin'ny devoly” https://t.co/Kh9eQFJcfV by @ecanrog #TTIP pic.twitter.com/NM6Nd1EXAq
¿Qué es la convergencia reguladora del #TTIP? Conoce las trampas del tratado http://t.co/uNN5oJYIVa vía @lamarea_com #TTIPSecret #NoalTTIP
— Amigos de la Tierra (@AmigosTierraEsp) febrero 11, 2015
Inona ny “Fepetram-Pironan'ny” #TTIP? Fantaro ny fandrimpandriky ny fifanarahana http://t.co/uNN5oJYIVa via @lamarea_com #TTIPSecret #NoalTTIP
Mandritra izany fotoana izany, ny habatranonkala Economía Ciudadana (Toekarenan'Olompirenena) no miezaka hahazo ny tahirinkevitry fifanarahana nomen'ireo Eoropeana mpifampiraharaha :
@TeresaRodr_ Registro de la reclamación de Acceso a los Docs del #TTIP por la Defensora del Pueblo Europeo #NoalTTIP http://t.co/aZ4gx7FO8A
— Economia Ciudadana (@citizeneconomy) octubre 21, 2014
@TeresaRodr_ Fitanana an-tsoratry ny fitakiana hahazo ny tahirinkevitry ny #TTIP natolotra ny mpanelanelana Eoropeana #NoalTTIP http://t.co/aZ4gx7FO8A
Rehefa mahazo ny tahirinkevitra nandritra ny fifampiraharahana sy ny torohay momba ny fivoriana nisy teo amin'ny andrimpanjakana sy ny vondrona mpiaro ny tombontsoany manokana, sy manolo-tena ny mpanao gazety hanadihady ny momba ilay fifanarahana ary miaraka amin'ny fanohan'ny fikambanana sivika izany, vao azo atao ny manombana marina ny fiantraikan'ny TTIP. Izany no mahatonga ireo manana ahiahy miantso ireo mpanao gazety sahisahy hiroso lalindalina kokoa.