#StandWithUkraine: Miantso ny hamaranana ny ‘daroka rosiana’ ny mpanao fihetsiketsehana ao Makedonia Avaratra

Hetsika #StandWithUkraine ao Skopje, Makedonia Avaratra, 26 Febroary 2022. Saripika avy amin'ny Meta.mk, nahazoana alalana.

Ity tantara ity dia navoakan’ny Meta.mk tany am-boalohany. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panovana araka ny fifanarahana fifampizaràna votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Orina Metamorphosis.

Olom-pirenena avy any Makedonia Avaratra sy Okrainiana am-polony monina ao Skopje no nanao hetsika fanoherana ny fanafihan'ny Rosiana an'i Okraina tamin'ny fanaovana diabe avy ao amin'ny kianja lehibe ao an-drenivohitr'i Makedonia Avaratra nankany amin'ny masoivoho Rosiana tamin'ny 25 Febroary. Nihira hira Okrainiana izy ireo ary nihiaka hoe: “Fasista i Potinina, mpamono olona i Potinina” sady mitondra sora-baventy hoe “Mialà ao Okraina ry Rosia a!” sy “Mitonia ary tiavo i Okraina.”

Hetsika #StandWithUkraine ao Skopje, Makedonia Avaratra, 26 Febroary 2022. Saripika avy amin'ny Meta.mk, nahazoana alalana.

Maro amin'ireo mpanao hetsi-panoherana nantsafain'ny Meta.mk no naneho ahiahy amin'ny fiainan'ny havany any Okraina amin'izao fotoana izao miafina ao amin'ny toeram-pialofana vonjimaika raha midaroka baomba ny tanànany kosa ny tafika Rosiana.

“Feno ny fihetseham-poko, tsy afaka mifehy tena aho. Any Okraina ny fianakaviako, ary mitovy daholo isika rehetra. Fianakaviana iray isika rehetra. Isa-minitra aho manoratra amin'ny havako : Lazao amiko raha velona ianao? Andriamanitra ô arovy i Okraina, arovy ny miaramila, miaro anay ireo,” hoy i Olja Obrezhina latsa-dranomaso nanoloana ny mpanao gazetin'ny Meta.mk. Ao anatin'ity lahatsary manaraka ity no ahitana izany fanambaràna amin'ny teny Okrainiana izany :

Rehefa tonga teo akaikin'ny masoivoho Rosiana ny diabe, nijanona teo anoloan'ny fanakanan'ny polisy tokony ho 20 metatra miala ny fefin'ny masoivoho ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanao fanambaràna ho an'ny haino aman-jery ny filohan'ny Fikambanan'ny Okrainiana ao Makedonia, Aleksandar Panovich, raha nijoro teo anivon'ireo mpanao fihetsiketsehana nitondra marika Okrainiana sy famantarana manohitra ny ady, ary afisy mampiseho an'i Potinina toa Hitler. Niteny i Panovich:

Our main message is for Russia to stop the war, to take  their army back home. Starting a war is shameful. Our message is for them to make a diplomatic agreement. The Ukrainian people are ready to fight, they are ready for war. But we don't understand why they bomb us, why do they bomb peaceful cities with rockets.

Ny fototry ny hafatray dia ny hampitsaharan'i Rosia ny ady, hitondra ny tafiny hody. Mahamenatra ny manomboka ady. Ny hafatray dia ny hanaovan'izy ireo fifanarahana diplaomatika. Vonona hiady ny vahoaka Okrainiana, vonona amin'ny ady. Saingy tsy azonay hoe nahoana izy ireo no mandaroka baomba anay, nahoana izy ireo no mandaroka balafomanga any amin'ireo tanàna milamina.

Hetsika #StandWithUkraine ao Skopje, Makedonia Avaratra, 26 Febroary 2022. Saripika avy amin'ny Meta.mk, nahazoana alalana.

Niteny teo anoloan'ny masoivoho Rosiana ihany koa ny mpanao gazety iray avy any Afganistana izay nanondro ny tenany ho Karan, ary nanasongadina fa fantany ny fihetseham-pon'ny sesitany.

I came to give support to Ukraine, because I know how it feels to be banished from your own home due to war and aggression of outside forces.

Mpanao fihetsiketsehana eo anoloan'ny masoivoho rosiana ao Skopje, Makedonia Avaratra, 25 Feb, 2022. Saripika avy amin'ny Meta.mk, nahazoana alalana.

Tonga aho hanome fanohanana an'i Okraina, satria fantatro ny fihetseham-pon'ny voaroaka tsy ho ao an-tanindrazanao noho ny ady sy ny herisetra ataon'ny tafika ivelany.

Nilaza ireo mpanao fihetsiketsehana raha nanondro ny fefy metalikan'ny masoivoho Rosiana ao Skopje, fa mora ny mitsara hoe iza ilay mpanafika satria misokatra ny masoivohon'i Okraina ary tsy misy olona matahotra mpitsidika ao, fa ny masoivoho Rosiana kosa ambenan'ny polisy na dia voahodidin'ny bara metalika aza.

Niantso an'i Rosia ho mpanafika ilay olom-pirenena Okrainiana Andrej Hafenic:

Russia  is the aggressor. In the 21st century we have been forced to come to the embassy of the aggressor and tell them it's not normal for people to get killed so Putin can remain in power. Our military is capable of resistance, but we reiterate, diplomacy should come first. This conflict should be solved at the diplomatic level, to stop the war and to achieve peace. Peace in Ukraine, peace in Europe, peace in the Balkans.

Rosia no mpanafika. Tamin'ny taonjato faha-21 dia voatery nanatona ny masoivohon'ilay mpanafika izahay ary nilaza tamin'izy ireo fa tsy ara-dalàna ny famonoana olona mba hahafahan'i Potinina mijanona eo amin'ny fitondrana. Mahay mifahatra ny miaramilanay, saingy mbola averinay fa ny diplaomasia no tokony ho lohalaharana. Tokony hovahana eo amin’ny sehatra diplaomatika ity disadisa ity, mba hampitsaharana ny ady sy hisian’ny fandriampahalemana. Filaminana ao Okraina, filaminana any Eoropa, filaminana ao Balkans.

Naneho firaisankina tamin'ny Okrainiana i Kujtim Osmani, iray amin'ireo olom-pirenena teo an-toerana nanatrika ny fihetsiketsehana:

We want the people to know what Putin does in Ukraine, that this [war] is a human rights violation. I am sorry for all those little children and mothers who suffer. I don't have family or friends in Ukraine, but  I accidentally saw [the information about the protest] on Twitter and came to express my support. It's saddening what happens to the people.

Marika “tsy mila ady!” tazonin'ny reny iray mitrotro zaza ao amin'ny hetsika manohitra ny ady ao Skopje, Makedonia Avaratra, 26 Febroary 2022. Saripika avy amin'ny Meta.mk, nahazoana alalana.

Tianay ho fantatry ny vahoaka izay ataon'i Potinina ao Okraina, fa fanitsakitsahana ny zon'olombelona ity [ady] ity. Miala tsiny amin'ireo ankizy madinika sy reny rehetra mangirifiry aho. Tsy manana fianakaviana na namana aho any Okraina, saingy hitako tsy nahy tao amin'ny Twitter [ny torohay momba ny fihetsiketsehana] ary tonga naneho ny fanohanako aho. Mampalahelo ny mahazo ny vahoaka.

Telo andro talohan'ny fihetsiketsehana, dia nikarakara hetsika iraisana tao amin'ny tsangambaton'i Taras Shevchenko ao afovoan-tanànan'i Skopje, eo ambany teny filamatra hoe “mitambatra ho an'ny Okraina” ny Fikambanan'ny Okrainiana “Lesya Ukrainka” (avy amin'ny anaran'ny mpanoratra iray tamin'ny taonjato faha-19) sy ny solontenan'ny Masoivoho Okrainiana .

Ny tanjon'io hetsika ampahibemaso io dia ny hanehoana fiarahana sy firaisankina amin'ny Okrainiana manerana izao tontolo izao ary hanohana ny zon'i Okraina hisafidy ny hoaviny. Tamin'io fotoana io, niteny i Aleksandar Urbanovich filohan'ny fikambanana:

Ukraine is at the front line of defending democracy and freedom. We call for a united front that will strive for the protection of joint European values and will remain determined to oppose the aggressor. Even when we are abroad, Ukraine remains in our hearts and we stand together with our homeland!

Eny amin'ny lohalaharana i Okraina amin'ny fiarovana ny demaokrasia sy ny fahalalahana. Miantso firaisankina maniry hiaro ny soatoavina iraisan'ny Eoropeana izahay ary hitozo hanohitra ny mpanafika. Na dia any ivelany aza izahay dia mitoetra ao am-ponay i Okraina ary miara-mijoro amin'ny tanindrazanay!

Fianakaviana iray ao amin'ny hetsi-panoherana ao Skopje, Makedonia Avaratra, 26 Febroary 2022. Saripika avy amin'ny Meta.mk, nahazoana alalana.

Nanao fihetsiketsehana niaraka tamin'ny namany teo anoloan'ny masoivoho sy kaonsily Rosiana manerana izao tontolo izao ny Okrainiana an'arivony monina any amin'ireo tanàndehibe Eoropeana sy Amerikana mba handefa hafatra fampitsaharana ny fananiham-bohitra Rosiana an'i Okraina.

Raha hijery torohay bebe kokoa momba ity lohahevitra ity, jereo ny pejy manokana Rosia manafika an'i Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.