
Vata fampangatsiahana babangoana napetraka teo an-davarangana ho fanoherana ny tsy fahampian-tsakafo mandritra ny fihibohana.
Nitarina mandritra ny fotoana tsy voafetra mandra-pifehezana ny fiparitahan'ny Omicron farany indrindra ny fihibohan’ny olona miisa 26 tapitrisa ao Shanghai.
Nambara tamin'ny 27 martsa ny fihibohana dingana faha-2 manerana ny tanàndehibe ary tokony nifarana tamin'ny 5 aprily. Nitombo anefa ny isan'ny tranga voamarina ary nahatratra 17.077 ny tranga voarakitra tamin'ny daty farany voatondro ary nanapa-kevitra ny tompon'andraikitra ao an-tanàndehibe fa hanao andiana fitiliana hafa, nanantena ny hanafoana ny fiparitahana eo ambanin'ny politika zero-COVID.
Mandritra izany fotoana izany, ao ambadiky ny hitamaso, ao anatin’ny fisavorovoroana ilay tanàndehibe satria maro ny mponina ao anatin’ny fihibohana no lany sakafo, tsy mahazo fikarakarana ara-pahasalamana mahazatra, ary sahirana amin'ny fividianana entana ilaina andavanandro, araka ny tatitra farany avy amin'ny Human Rights Watch.
Na izany aza, voasivana ao amin'ny tambajotra sosialy sy eny amin'ny arabe mangadihady ny savorovoro, araka ny nanehoan'ilay profesora momba ny media, Weixian Pan, azy hoe:
The romanticized mediation of the empty, quiet Shanghai erased the busy logistical/medical workers roaming through the city, and dismissed how messy and chaotic this moment really is. The city is now permeated with rage, exhaustion, and disappointment from the people. #lockdown https://t.co/Ab6W63wqz4
— Weixian Pan (@hannah_panpo) April 6, 2022
Voafafan'ireo mpiasa mpampitao/-pitsaboana nivezivezy eran’ ny tanàna ny fanelanelanana mampanonofy ao Shanghai mangadihady sy mangina, ary tsy mahita ny fikorontanana sy ny fisavorovoroana tokoa amin’ity fotoana ity. Feno hatezerana sy faharerahana ary fahadisoam-panantenana avy amin’ny vahoaka ilay tanàndehibe ankehitriny.
Fikorontanana amin'ny fahazoana sakafo
Nanakorontana ny fampitaovana tao an-tanàna izay manampy ny mponina miisa 26 tapitrisa ao Shanghai amin'ny filany fototra ny fihibohana. Noho izany, maro no mitaraina amin'ny tambajotra sosialy fa mosarena, tsy afaka mandeha any amin'ny toeram-pivarotana ary tsy mahazo sakafo sahaza, navela ho lo eny an-dalambe ny legioma sy ny sakafo nefa tsy misy fitaovana/fomba fiasa matotra hanaterana izany.
Any amin'ny ivon-toeram-pitsaboana sasany ho an'ny marary tsy misy soritr’aretina, tsy ampy ny mpiasa mizara sakafo sy kojakoja, ka tsy maintsy miady ho an'ny tenany ny olona. Ity ambany ity ny horonantsary nozarain'ilay mpanao sariitatra politika Rebel Pepper mampiseho ny savorovoro tao amin'ny iray amin'ireo toby fitokana-monina any atsinanan'i Shanghai:
上海浦東南匯的一個隔離點,一個已經廢棄七八年的學校,物質匱乏而且無人管理,食物送到後任憑隔離區內人員自行哄搶。 pic.twitter.com/AsYJ6pc4Ox
— 变态辣椒RebelPepper (@remonwangxt) April 4, 2022
Toerana fanokanan-toerana ao amin'ny toeram-pianarana nilaozana ao amin'ny distrikan'i Nanhui any atsinanan'i Shanghai. Tsy nisy olona nitantana ny vatsy. Navela teny an-kalamanjana ny sakafo naterina ho alain’ny olona.
Nihabetsaka ny fifandonana nitranga rehefa niezaka nandositra ny fihibohana tao amin’ny distrika ny mponina mba hitady sakafo. Nizara lahatsary nalaina tao amin'ny iray amin'ireo faritra nisy fifandonana i Rebel Pepper:
上海一不知名小區,暴動,只聽到悽慘的聲聲“餓死了!餓死了!”
我從來沒想到大洪水竟然是從上海開始的
近期專注傳播上海黑視頻,接受不了的請自行繞道 pic.twitter.com/HOWdTlzjEG
— 变态辣椒RebelPepper (@remonwangxt) April 6, 2022
Ao amin'ny faritra misy ny toeram-ponenana ao Shanghai, rotaka. Ny fitarainana feno fahakiviana no hany henoko hoe “Maty mosary izahay!” Tsy nampoiziko mihitsy fa hisy krizy tahaka izao eto Shanghai. Nanara-maso ireo lahatsary voasivana avy any Shanghai aho. Aza mijery fotsiny raha tsy mahazaka ianao.
Fahafatesana tsy misy hifandraisany amin'ny COVID
Hatramin'ny fotoana nanoratana, nilaza ny manampahefana fa tsy nisy ny fahafatesana vokatry ny COVID tamin'ny onjan'ny valan'aretina any Shanghai ankehitriny, saingy toa mifanohitra amin'izany ny porofo.
Mampiseho izany ny tatitra voasivana avy amin'ny Caixin fa beantitra miisa 20 no maty tao amin'ny tobim-pitsaboana any Shanghai tamin'ny onjan'ny valan'aretina ankehitriny. Fantatra fa tratran’ny COVID-19 ny mpiasa sasany sy ny zokiolona tao amin'ny tobim-pitsaboana.
Nilaza tamin'ny tranokalam-baovao mpanao fanadihadiana, Initium, ny dokotera miasa eny ifotony any Shanghai fa nihoatra ny isan’ny maty vokatry ny COVID ny isan'ny maty tsy vokatry ny COVID satria tsy ampy ny mpiasan'ny fahasalamana miasa ao amin’ny hopitaly izay na tratran’ny fihibohana na netsehina hanao fitiliana COVID maneran-tany. Ankoatra izay, tsy mandray ireo marary mila fikarakarana maika ny hopitaly sasany satria tsy nahitana fitiliana PCR miiba tao anatin’ny 24 ora izy ireo.
Nanangona fitarainana maro tsy voamarina momba ny fahafatesan'olona tsy mifandraika amin'ny COVID mivezivezy ao amin'ny WeChat ilay bilaogera Shinoa @fangshimin:
现在的上海就是人间炼狱:贝克曼一名40岁员工心脏病发作,因没有核酸证明,医院不予救治,死了。清华一名93级校友和一名92级校友手术后无人护理,没能清痰,死了。24岁小伙子得了急性胰腺炎,没有即时救治,死了。被隔离的2岁小孩死了,母亲自杀。我以前说上海停急诊会耽误救治,没想到他们干脆不救治 pic.twitter.com/PbxitkGNCj
— 方舟子 (@fangshimin) April 3, 2022
Toy ny helo an-tany Shanghai ankehitriny. Nisy mpiasan’ny Beckman [orinasa mpivarotra ambongadiny] 40 taona maty noho ny fihetsehan’ny aretim-po satria tsy nety namonjy azy ireo ny hopitaly raha tsy atao fitiliana PCR izy. Mpianatra maintimolaly tao amin’ny oniversiten’i Tsinghua roa no maty satria tsy nisy nanadio ny tendan’izy ireo rehefa avy nodidiana. Tovolahy iray 24 taona no maty noho ny aretin’ny sarakaty vokatry ny fanemorana maika ny fitsaboana azy. Zaza kely 2 taona no maty nandritra ny fihibohana, namono tena ny reniny.
Vao maika tezitra ny vahoaka satria nosarahina tamin’ny ray aman-dreniny ny ankizy noho ny fandaminana sasany natao tamin’ny fanokana-monina, izay nandika ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Zon’ny Ankizy. Ity ambany ity ny horonantsary niparitaka be mampiseho fa tsy nahazo fikarakarana araka ny tokony ho izy ireo ankizy tratran'ny fanokana-monina:
The extreme “COVID Zero” policy in #Shanghai is more dangerous than the virus itself. 200 children are separated from their parents without their consent. There are only 10 nurses taking care of those children.#ccppropaganda#CCP_is_terrorist pic.twitter.com/FzjjO7V5Rs
— HKDemocracyNow (@hkdnow1) April 7, 2022
Mampidi-doza kokoa noho ilay viriosy ny politika tafahoatra “COVID Zero” eto #Shanghai. Ankizy miisa 200 no tafasaraka amin’ny ray aman-dreniny tsy nahazoana fankatoavana amin’izy ireo. Infirmiera miisa 10 ihany no mikarakara ireo zaza ireo.
Farany, nanao fileferana ny manam-pahefana tamin'ny 4 aprily.
Na dia eo aza ny fitomboan'ny fahasosorana, tsy misy famantarana fa hifarana tsy ho ela ny fihibohana mahery vaika, farafahakeliny mandrapaha-voafehy ny fiparitahan’ny valan’aretina. Mpiasa mihoatra ny 10.000, anisan'izany ny miaramila avy amin'ny Tafi-Panafaham-Bahoaka, no nalefa any amin'ny faritany hafa any Shanghai mba hanolo-tanana amin'ny fihibohana.
Drones sy alika raboto hita nivezivezy tao amin'ny tanàndehibe mangadihady mandrisika ny olona hanaraka ny fameperana:
As seen on Weibo: Shanghai residents go to their balconies to sing & protest lack of supplies. A drone appears: “Please comply w covid restrictions. Control your soul’s desire for freedom. Do not open the window or sing.” https://t.co/0ZTc8fznaV pic.twitter.com/pAnEGOlBIh
— Alice Su (@aliceysu) April 6, 2022
Araka ny hita ao amin'ny Weibo: Eny an-davarangana ny mponin'i Shanghai mihira sy manohitra ny tsy fahampian'ny famatsiana. Nipoitra ny drone: “Azafady, araho ny fepetra famerana amin’ny covid. Fehezo ny fanirianao hahazo fahafahana. Aza manokatra varavarankely na mihira.
Robot roaming the streets making health announcements in #Shanghai during lockdown. pic.twitter.com/64x0mU4C2D
— Eric Feigl-Ding (@DrEricDing) March 31, 2022
Raboto mandehandeha eny an-dalambe manao fanambaraàna momba ny fahasalamana ao #Shanghai mandritra ny fihibohana.
Mbola voasivana ihany ny fanakianana mafy momba ny politikan'ny governemanta na dia nanala ny sivany tamin'ny hafatry ny olona tsirairay miantso vonjy aza ny sehatry ny tambajotra sosialy. Ity ny vazivazy malaza indrindra nivezivezy tao amin'ny Weibo tato anatin'ny herinandro vitsivitsy:
上海管控最好的地区是评论区
Ny distrikan'ny fanehoan-kevitra [fizarana] no distrika tsara tantana indrindra eto Shanghai