Nitatitra ny NetBlocks, mpanaramaso ny Aterineto maneran-tany ny harivan'ny Alahady 3 Aprily 2022 fa naverina tamin'ny laoniny ny fidirana amin'ireo sehatra media sosialy lehibe (Facebook, YouTube, Twitter, WhatsApp, Viber sns.) ao Sri Lanka. Voaràra ny serivisy tamin'ny faramparan'ny 2 aprily ora teo an-toerana. Nitranga izany taorian'ny nanambaran'ny Filoha Gotabaya Rajapaksa ny fanjakana latsaka an-katerena tamin'ny 1 Aprily, nanome hery lehibe ho an'ny mpitandro ny filaminana. Mitombo hatrany ny hetsi-panoherana ao amin'ny firenena mitaky ny fametraham-pialàny noho ny krizy ara-toekarena mihatra. Napetraka ihany koa ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina maharitra adiny enina amby telopolo nanomboka tamin'ny 6 ora hariva. Tamin'ny 2 Aprily ka hatramin'ny 6 maraina tamin'ny 4 Aprily mba hanakanana ny fihetsiketsehana.
Miatrika krizy ara-bola faran'izay ratsy indrindra i Sri Lanka hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantena tamin'ny taona 1948, tao anatin'ny fihenan'ny tahirim-bola vahiny. Niteraka fihetsiketsehana nieli-patrana ny fahatapahan-jiro, ny tsy fahampian-tsolika, ny etona ary ny fanafody, sy ny fiakaran'ny vidin-tsakafo. Araka ny nambaran’ny filoham-pirenena, dia ilaina ny fanjakana latsaka an-katerena mba hiarovana ny filaminam-bahoaka sy hiantohana ny famatsiana sy ny serivisy ilaina.
Hamaky bebe kokoa: Namely mafy tao Sri Lanka ny tsy fahampiana noho ny fihetsiketsehana ary mitady fanampiana amin'ny FMI ny governemanta
Nihamafy ny hetsi-panoherana ny governemanta Rajapaksa sy ny fianakaviana matanjaka Rajapaksa tamin'ny Alakamisy 31 martsa 2022, nitarika nankany amin'ny maraimben'ny 1 Aprily. Nanao diary ny fizotry ny toe-draharaha nanomboka ny 31 martsa ny sehatra fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena Groundviews .
Bilaogera sady mpikatroka Amalini De Sayrah nisioka hoe:
Military tanks rolling into the streets of the capital in the dark, access to information restricted overnight, people risking arrest if they were to speak out, vulnerable groups rendered even more vulnerable.
You elect a war criminal, you get a ‘war’. #lka #SriLanka
— Amalini (@Amaliniii) April 3, 2022
Fiara mifono vy mandehandeha eny an-dalamben'ny renivohitra ao anatin'ny aizina, voaràra ny fidirana amin'ny vaovao mandritra ny alina, atahorana hosamborina ny olona raha mitabataba, lasa marefo kokoa ireo vondrona efa marefo.
Mifidy mpanao heloka bevava an'ady ianao, dia mahazo ‘ady’.
Tsy misy filazana mialoha
Nanomboka nahatsikaritra ny fanakanana ny media sosialy ny olona tamin'ny asabotsy alina. Mpikatroka sady akademisiana Sanjana Hattotuwa nisioka hoe:
Early reports from multiple locations indicate #Facebook is now being disrupted in #SriLanka. Access to Meta's products/platforms may worsen at pace. Possibly first of other leading social media platforms to which access from within country will be blocked by Govt.
— Dr. Sanjana Hattotuwa (@sanjanah) April 2, 2022
Milaza ny tatitra tany am-boalohany avy amin'ny toerana maromaro fa mikorontana ny #Facebook ao #SriLanka. Mety hiharatsy haingana ny fidirana amin'ny vokatra/sehatra Meta. Mety ho ny voalohany amin'ireo sehatra media sosialy malaza hafa izay hosakanan'ny Govt ny fidirana aminy ao amin'ny firenena.
Nanamafy ny fanakanana tao amin'ny Twitter ny Netblocks:
⚠️ Confirmed: Real-time network data show Sri Lanka has imposed a nationwide social media blackout, restricting access to platforms including Twitter, Facebook, WhatsApp, YouTube, and Instagram as emergency is declared amid widespread protests.
📰 Report: https://t.co/XGvXEFIqom pic.twitter.com/KEpzYfGKjV
— NetBlocks (@netblocks) April 2, 2022
⚠️ Voamarina: Asehon'ny angon-drakitra hita eo noho eo amin'ny tambajotra fa nampihatra ny fanakatonana ny media sosialy manerana ny firenena i Sri Lanka, mametra ny fidirana amin'ny sehatra toy ny Twitter, Facebook, WhatsApp, YouTube ary Instagram satria nambara tao anatin'ny fihetsiketsehana mielipatrana ny hamehana.
Ny sasany, toa an'i Yudhanjaya Wijeratne, mpahay siansa momba ny angon-drakitra, mpanoratra sady mpanara-maso ny zava-misy, nanana torohevitra marobe momba ny VPN hampiasaina hialàna amin'ny sakana:
Looks like they blocked @twitter, @facebook and @whatsapp.#GoHomeRajapaksas
Alright, let me drop some advice for people trying to get online
1) Don't download random VPN apps. Most of them steal data. If you want the good stuff, download TOR (https://t.co/dDsgY9nUcF). pic.twitter.com/AZ3EzS1zif— Yudhanjaya Wijeratne 🎭 (@yudhanjaya) April 2, 2022
Toa nosakanan'izy ireo ny @twitter, @facebook sy ny @whatsapp.#GoHomeRajapaksas
Eny ary, avelao aho hanome torohevitra ho an'ny olona manandrana miditra amin'ny aterineto
1) Aza misintona fampiharana VPN kisendrasendra. Mangalatra data ny ankamaroany. Raha mila zavatra tsara ianao dia mitroha TOR (https://t.co/dDsgY9nUcF). pic.twitter.com/AZ3EzS1zif
Mpanao sariitatra ara-politika ao Sri Lanka nisioka hoe:
“Nothing to worry! You are safe now!!”
Cartoon by @dharshanaKa #Repost#lka #SriLanka #EconomicCrisisLK #SriLankaEconomicCrisis #SriLankaCrisis #SocialMediaBanLK #GoHomeRajapaksas pic.twitter.com/gc8lkbuLxy
— Political Cartoons of Sri Lanka (@cartoonlka) April 2, 2022
“Tsy misy tokony atahorana! Azo antoka (ny misy) anao izao!!”
Sariitatra avy amin'i @dharshanaKa #Repost#lka #SriLanka #EconomicCrisisLK #SriLankaEconomicCrisis #SriLankaCrisis #SocialMediaBanLK #GoHomeRajapaksas pic.twitter.com/gc8lkbuLxy
Mpikaroka sady mpahay open source Pradeeban Kathiravelu nisioka hoe:
[Sri Lanka] In a drastic move, to combat dissent, the Rajapaksa regime blocks social media access. Locals are fearing an outright Internet censorship too. @ripencc
People have the right to information. The regime has threatened strict measures against independent protesters.
— Pradeeban (@pradeeban) April 2, 2022
[Sri Lanka] Ao anatin'ny hetsika mahery vaika, hiadiana amin'ny tsy fitovian-kevitra, nosakanan'ny fitondrana Rajapaksa ny fidirana amin'ny media sosialy. Matahotra ny sivana mivantana amin'ny aterineto ihany koa ny mponina ao an-toerana.
Manan-jo hahazo vaovao ny olona. Nandrahona fepetra hentitra amin'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy miankina ny fitondrana.
Mifanohitra amin'ny lalampanorenana
Araka ny voalazan'ny Vaomiera Mifehy ny Fifandraisan-davitra (TRC-ang), nampiharina ny fandrarana noho ny fangatahana nataon'ny minisiteran'ny Fiarovam-pirenena.
Mpisolovava Gehan Gunatilleke nanontany hoe:
How can a total ban on social media in response to people protesting peacefully against the government be reasonable or proportionate?
11/
— Gehan Gunatilleke (@GehanDG) April 3, 2022
Ahoana no ahafahana milaza ny fandrarana feno ny media sosialy ho setrin'ny olona manao fihetsiketsehana am-pilaminana manohitra ny governemanta ho mitombina na mifanaraka?
Asongadin'i Gunatilekke ato amin'ity lohahevitra ity fa ny lalàm-panorenan'i Sri Lanka no mifehy ny fetran'ny fahalalahana maneho hevitra fa tsy ny Lalàna momba ny Fifandraisan-davitra Sri Lanka.
Nanamafy ihany koa ny mpisolovava N. K. Ashokbharan hoe:
This not only violates Art 14(1)(a) – Freedom of expression; but for many Art 14(1)(g) – Freedom of occupation, and trade who depend on Social Media for a living.
Defence Ministry & TRCSL has no authority to restrict Fundamental Rights according to their whims and fancies. https://t.co/iOfWHxeBNh
— 𝗡.𝗞.𝗔𝘀𝗵𝗼𝗸𝗯𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻 (@nkashokbharan) April 3, 2022
Tsy vitany manitsakitsaka ny Andininy faha-14(1)(a) – Fahalalahana maneho hevitra ihany izany; fa amin'ny Andininy maro amin'ny faha-14(1)(g) – Fahalalahan'ny fibodoana [miasa amin'ny toerana iray], sy ny varotra izay miankin-doha amin'ny tambajotra sosialy ny fivelomany.
Tsy manana fahefana hametra ny Zo Fototra araka ny faniriany sy ny rendrarendrany ny Minisiteran'ny Fiarovana sy ny TRCSL.
Mandritra izany, Namal Rajapaksa, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Sri Lanka ary zanaky ny Praiminisitra ankehitriny Mahinda Rajapaksa, nisioka hoe:
I will never condone the blocking of social media. The availability of VPN, just like I’m using now, makes such bans completely useless. I urge the authorities to think more progressively and reconsider this decision. #SocialMediaBanLK #SriLanka #lka
— Namal Rajapaksa (@RajapaksaNamal) April 3, 2022
Tsy handefitra velively ny fanakanana ny media sosialy aho. Mahatonga ny fandraràna toy izany ho tsy misy ilàna azy mihitsy ny fisian'ny VPN, sahala amin'ny ampiasaiko ankehitriny. Mamporisika ny manam-pahefana aho mba ho liam-pandrosoana kokoa ara-pieritreretana ary handinika indray io fanapahan-kevitra io.
Na izany aza, nananihany an'i Rajapaksa ilay akademisiana Ishara Paranawithana, mampahatsiahy momba ny portfolio nampiany- Minisi-panjakana momba ny Teknolojia Nomerika sy ny Fampandrosoana ny Mpandraharaha:
When the minister himself doesn't know who the responsible authorities are! 😂😂😂 pic.twitter.com/QaJAQqYeTB
— Ishara Paranawithana (@isharackp) April 3, 2022
Rehefa tsy fantatry ny minisitra hoe iza no manam-pahefana tompon'andraikitra! 😂😂😂
Asongadin'ny Vikalpa, sehatra fanaovan-gazety an'olom-pirenena, ireo feo manohitra :
”Stop violating freedom of expression!!!” #srilanka #lka #SocialMediaBanLK #KeepitOn #EngageSMinSL @ActNOW_SL
#DigitalDemocracy pic.twitter.com/gGKByfqnve— Vikalpa (@vikalpavoices) April 3, 2022
”Atsaharo ny fanitsakitsahana ny fahalalahana maneho hevitra!!!” #srilanka #lka #SocialMediaBanLK #KeepitOn #EngageSMinSL @ActNOW_SL
Fihetsiketsehana ao anatin'ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina
Tamin'ny Alahady 3 Aprily, hita fa nihantsy ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina ao Kandy sy Colombo ireo mpanao fihetsiketsehana marobe mba hitaky ny fialàn'ny filoha. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana teny amin'ny toerana maro ny polisy.
Na dia teo aza ny fandraràna ny media sosialy, nanohy nizara ny vaovao teny an-toerana tao amin'ny Twitter ireo mpanao gazety maro toa an'i Kavinthan Shanmugarajah:
Almost 24 hours into the curfew and Pocket protests have already erupted in several parts of the country, despite a Public Emergency being declared and Severe Warnings been made. Images from Kohuwela showing people with their children, coming to the street. #SriLanka pic.twitter.com/ynRHb483oE
— Kavinthan (@Kavinthans) April 3, 2022
Efa ho 24 ora taorian'ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina sy ny ora tsy ampoizina no efa nipoaka tany amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena ny fihetsiketsehana, na dia teo aza ny fametrahana ny Hamehana ho an'ny daholobe sy ny Fampitandremana Henjana. Sary avy amin'i Kohuwela mampiseho olona miaraka amin'ny zanany, tonga eny an-dalambe.
Images showing the location where a 53 year old man who has reportedly came to meet President at his house in Mirihana to demand uninterrupted electricity died by electrocuting himself by climbing on a high tension electricity line near the house. #SriLanka pic.twitter.com/WjRok0cVKA
— Kavinthan (@Kavinthans) April 3, 2022
Sary mampiseho toerana nisy ny fatina lehilahy 53 taona izay voalaza fa tonga hihaona tamin'ny filoha tao amin'ny tranony tao Mirihana mba hitaky ny tsy fahatapahan'ny herinaratra, maty tamin'ny fandoròny ny tenany tamin'ny herinaratra niankika tamin'ny tamin'ny taribin'ny herinaratra avo teo akaikin'ny trano.
Taorian’ny fivoriana tamin'ny Alahady 3 aprily 2022 alina, nametra-pialana avokoa ireo minisitra 26 tao amin’ny kabinetran’i Sri Lanka. Na izany aza, mbola mitana ny fahefana ny praiminisitra Mahinda Rajapaksa sy ny filoha Gotabaya Rajapaksa rahalahiny. Ny alatsinainy izao no hanendry kabinetra vaovao ny governemanta.