Tsikerain'ny FTMF ny fandanian'i Hong Kong ny lalànan'ny hamehana mandrara ny saron-tava mandritra ny hetsi-panoherana

Fitaovana entin'ny mpanao fihetsiketsehana ao HK. Sary: May James/HKFP.

Nosoratan'i Kris Cheng  ity lahatsoratra manaraka ity ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 4 Oktobra 2019. Naverina navoaka indray ato amin'ny Global Voices araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Namoaka ny Lalàna Mifehy ny Hamehana (ERO) ny governemanta ao Hong Kong mba hampiharana ny lalàna mandrara ny fanaovana ny saron-tava mandritra ny fihetsiketsehana.

Mandrara ny mpanao fihetsiketsehana tsy hanafina ny tavany manontolo na amin'ny ampahany mandritra ny fihetsiketsehana ny lalàna. Mety hahazo sazy herintaona an-tranomaizina sy handoa onitra mitentina HK 25.000 $ (3.180 dolara amerikana) ireo rehetra izay manao saron-tava mandritra ny famoriam-bahoaka na ny diabe ara-dalàna, na ny famoriam-bahoaka tsy ara-dalàna na tsy nahazoana alàlana, na amina korontana. Tsy tafiditra ao anatin'ity lalàna ity ny olona manao saron-tava amin'ny fihetsiketsehana noho ny antony arak'asa, ara-pivavahana, ara-pitsaboana na noho ny antony hafa mifandraika amin'ny asa.

Ankoatra izay, milaza ny lalàna fa mety higadra enim-bolana ary handoa onitra mitentina HK $ 10.000 (1 200 dolara amerikana) ireo rehetra tsy mankatò ny baikon'ny polisy hanala saron-tava. Tsy ny saron-tava ihany no namaritana ny atao hoe “fanafenana ny tarehy”  fa ny fandokoana tarehy sy ny fanafenana tarehy hafa ihany koa.

Nanomboka nanan-kery ny sasak'alin'ny zoma 4 Oktobra ny lalàna. Nambara izany taorian’ny fivorian'ny Filankevitra Mpanatanteraka manokana ny zoma talohan'izay, avy amin'ny kabinetran'ny Lehiben'ny Mpanatanteraka Carrie Lam.

“Tsy mora ny fanapahan-kevitra handany ny lalàna manohitra saron-tava kanefa ilaina izany fanapahan-kevitra izany noho ny toe-javatra ankehitriny,” hoy i Lam.

Tsy ao anatin'ny hamehana” i Hong Kong na dia eo aza ny fampiharana ny lalàna, hoy ihany izy.

Nilaza i Lam raha nanontaniana momba ny fankatoavana avy amin'i Beijing fa tsy nisy “ny fankatoavana avy amin'ny  governemanta foibe ” ho an'ny fanapahan-kevitra toy izany hoy izy. “I  Hong Kong  no tokony hitantana izany araka ny fifanarahana ” Firenena Iray, Rafitra Roa” hoy i Lam. Nampiany ihany koa fa “tena fohy ” ny diany tany Beijing tamin'ny 1 Oktobra ary tsy nifandray tamin'ny tompon'andraikitra Shinoa izy momba ny fandrarana ny saron-tava .

Ireo tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny governemantan'i Hong Kong. Sary: GovHK.

Ny fahefan'ny hamehana

Lalàna tamin'ny vanim-potoan'ny fanjanahantany izay manome fahefana tsy voafetra ny lehiben'ny mpanatanteraka amin'ny fotoanan'ny «hamehana na loza mitatao ho an'ny vahoaka» ny Didy Hitsivolana Mifehy ny Hamehana (ERO). Nampidirina tamin'ny taona 1922, ity no fotoana voalohany nampiasaina ny ERO hatramin'ny rotaka nataon'ny elatra ankavia tamin'ny taona 1967.

Nilaza tamin'ny mpanohana an'i Beijing Sing Tao Daily ny loharanom-baovao avy amin'ny governemanta fa mino ny governemanta fa tsy hankatò ny lalàna ny mpanao fihetsiketsehana kanefa mety hampisy fiantraikany hihemotra amin'ny zavatra saika hatao izany ho an'ny sasany.

Niaina hetsi-panoherana nandritra ny 17 herinandro i Hong Kong vokatry ny lalànan'ny fampodiana izay hoesorina tsy ho ela. Nivoatra ho antso ho an'ny demaokrasia lehibe kokoa sy ny fandraisana andraikitry ny polisy, ny fanafoanan-tsazy ho an'ireo voasambotra hatramin'ny volana Jona ary ny fitakian'ny vondrom-piarahamonina hafa ihany koa ny fihetsiketsehana mahery vaika indraindray.

Nitranga taorian'ny andron'ny hetsi-panoherana feno herisetra indrindra tao Hong Kong izay mbola tsy fahita hatramin'ny fiandohan'ny hetsika ny fivoarana farany rehefa nitifitra tamin'ny bala tena izy miisa enina ny polisy ny 1 Oktobra . Mpianatra 18 taona iray no voatifitry ny mpitandro ny filaminana teo amin'ny tratrany ankavia . Nanomboka tamin'izay, nitranga isan'alina ny hetsi-panoherana isaky ny distrika.

Niteraka ahiahy momba ny zon'olombelona eo ambanin'ny lalànan'i Hong Kong ny lalàna vaovao mandrara ny saron-tava izay tsy faratampony ary azo ferana ihany, hoy ny lehiben'ny fitsarana, Teresa Cheng tamin'ny 4 Oktobra.

Tsy hisy fiantraikany amin'ny fahalalahan'ny vahoakan'i Hong Kong hivory ny lalàna satria mbola afaka mampiasa ny zony izy ireo rehefa tsy manao saron-tava, hoy i Cheng.

Nilaza i Cheng fa “nahitana fifandanjana” teo amin'ny zon'ny vahoaka ao Hong kong sy ny filàna hanampiana ny mpitandro ny filaminana hampihatra ny lalàna io lalàna io, “arakaraka ny hamafin'ny zavamisy” noho izany ny famerana eo ambanin'ny lalàna. Tsy midika ny fampiasana ny ERO fa ao anatin'ny hamehana i Hong Kong , hoy i Lam sady nanamarika fa niteraka fisavorovorona ny anaran'ny lalàna.

Raha nanontaniana raha toa ka ho raran'ny fanjakana ihany koa ireo mpitandro ny filaminana tsy hanao saron-tava dia nilaza ny Sekreteran'ny Fiarovana John Lee fa tsy maintsy manao fitaovam-piarovana mifanandrify amin'izany ny mpitandro ny filaminana. “Rehefa manatanteraka ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana … dia manana fomba hamantarana azy ireo izahay,” hoy izy satria mety misy hoy izy ny polisy mety manafina ny mombamomba azy ireo .

‘Lalàna henjana dia henjana’

Niantso ny ERO ho lalàna henjana tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany ny Fiaraha-mientan'ny Mpiaro ny Zon'olombelona Sivily (CHRF), fikambanan'ny FTMF (ONG) miisa 50 izay niasa ho mpikarakara ny diabe faobe. Nilaza ny CHRF hoe:

Once invoked, the Carrie Lam government would be declaring the death of ‘One Country, Two Systems’, and that Hong Kong is now a colony under Mainland Chinese rule. This old severe colonial law must be abandoned to keep the government in check and stop it from persecuting Hong Kong residents.

If the anti-mask law, once applied, will threaten personal safety and the freedoms of expression and religion. The primary reason for wearing masks and industrial respirators is for protection from tear gas. It is also a political gesture. Without carefully examining practicalities, such laws would also impede religious practices that are under the protection of the Basic Law.

Rehefa niteny, dia nanambara ny fahafatesan'ny ‘Firenena iray, Rafitra Roa’ ny governemantan'i Carrie Lam ary zanatany eo ambanin'ny fanjakan'ny Tanibe Shina ankehitriny i Hong Kong. Tokony hilaozana mba hanaraha-maso ny governemanta sy hanakanana azy tsy hanenjika ireo mponin'i Hong Kong ity lalànan'ny fanjanahantany henjana tranainy ity.

Hanohintohina ny filaminan'ny tena manokana sy ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fivavahana ity lalàna manohitra ny saron-tava ity raha vao ampiharina. Ny mba hiarovana amin'ny baomba mandatsa-dranomaso no antony voalohany amin'ny fanaovana saron-tava sy ny fitaovana indostrialy fifohana rivotra. Fihetsika politika ihany koa izany. Hanakatsakana ny fomba fanao ara-pivavahana izay eo ambanin'ny fiarovan'ny Lalàna Fototra ny lalàna toy izany raha tsy mandinika lalina ny lafiny azo ampiharina.

Nilaza ny fikambanana fa ny polisy ao Hong Kong no tokony hijanona voalohany tsy hanao saron-tava sy hampiseho ny endrik'izy ireo, taorian'ireo tranga niseho izay nampiasan'izy ireo “hery tafahoatra sy mahafaty”.

Nilaza ihany koa ny CHFR fa tokony hamaly ny fangatahan'ny vahoaka ny governemanta fa tsy hampiasa hery famoretana hatrany amin'ireo fihetsiketsehana.

Nilaza ilay mpikatroka Lester Shum sy ilay “Mpanjakan'ny Famerenana ny Fandinihana ny Lalàna ” Kwok Cheuk-kin fa hametraka fitoriana anoherana ny lalàna mandrara ny saron-tava izy ireo.

Mandritra izany fotoana izany, hoy i Sophie Richardson, talen'ny Human Rights Watch any Shina:

Hong Kong authorities should be working to create a political environment in which protesters do not feel the need for masks—not banning the masks, and deepening restrictions on freedom of expression.

Chief Executive Carrie Lam needs to agree to an examination of excessive force by police and to resume the process toward universal suffrage. Additional restrictions are only likely to inflame tensions.

Tokony hiasa amin'ny famoronana tontolo politika izay hahatonga ny mpanao fihetsiketsehana tsy hila saron-tava ny manampahefana ao Hong Kong—fa tsy mandrara ny saron-tava sy tsy manamafy ny famerana ny fahalalahana maneho hevitra.

Mila manaiky ny Lehiben'ny Mpanatanteraka Carrie Lam ny amin'ny tokony hijerena akaiky ny herisetra tafahoatra ataon'ny polisy ary hanohy ny dingana mankany amin'ny fahafahan'ny rehetra mifidy. Vao maika mandrehitra ny toe-draharaha ny fameperana fanampiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.