Filipina: Nolavin'ny sampana misahana ny fifidianana ny firotsahan'ny vondrona LGBT hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009)

Ho fampiroboroboana ny fifandraisan'ny mitovy taovam-pananahana izay mifanohitra amin'ny finoana ara-pivavahana, nolavin'ny Commission on Elections-Vaomieran'ny Fifidianana (Comelec) ny fangatahan'ny vondrona pelaka Ang Ladlad ho ankatoavina ho antoko afaka mirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2010. Araka ny efa nampoizina, tsy faly tamin'ity fanapahan-kevitra ity ireo vondrona Lesbiana, ny pelaka, ireo manana taovam-pananaharoa sy ireo mpanova taovam-pananahana (LGBT).

Ho atao amin'ny volana Mey ny fifidianana ho filoham-pirenena 2010. Handray anjara amin'ny fifidianana amin'ny alàlan'ny rafitra  lisitra antoko ny Ang Ladlad. Araka ny Lalàmpanorenan'i Filipina, ny 20 isanjaton'ny mpikambana ao amin'ny Kongresy dia tokony ho avy amin'ny vondrona lisitra antoko izay misolo tena ireo sehatra atao an-jorom-bala sy zara raha fantatra ao amin'ny firenena.

TGaga ny vondrona Ang Ladlad  fa nampiasa teny ara-pivavahana ny sampan'ny governemanta fa tsy ny antontan-taratasy ara-dalàna manamarina ny didim-pitsarana:

We are very unhappy with COMELEC’s decision to deny accreditation to Ang Ladlad. We feel that COMELEC did not perform its responsibility to promulgate electoral policy because its decision was based not on legal documents, but entirely on religious texts (i.e. the Bible and the Koran).

Ang Ladlad, along with the entire LGBT community, does not promote a doctrine of immorality; COMELEC has no business calling Ang Ladlad immoral without legal basis. Also, calling Ang Ladlad a threat to the youth is unsubstatiated, thus, it cannot be supported in a legal document like the COMELEC decision.

Tena tsy faly amin'ny fanapahan-kevitry ny COMELEC mandà ny fanomezan-dàlana ny Ang Ladlad izahay. Heverinay fa tsy nanao ny andraikiny ny COMELEC amin'ny famoahana ny politikam-pifidianana satria tsy mifototra amin'ny antontan-taratasim-panjakana ny fanapahan-keviny fa amin'ny lahatsoratra ara-pivavahana tanteraka (izany hoe ny Baiboly sy ny Korany).

Tsy mampiroborobo foto-pampianarana momba ny fahalotoam-pitondran-tena ny Ang Ladlad, miaraka amin'ny fiarahamonina LGBT manontolo; tsy manan-jo hiantso ny Ang Ladlad ho ratsy fitondran-tena ny COMELEC raha tsy misy fototra araka ny lalàna izany. Ankoatra izay, dia tsy azo itokisana ny fiantsoana ny Ang Ladlad ho loza mitatao ho an'ny tanora, noho izany tsy azo raisina ho antontan-taratasy ara-dalàna ny fanapahan-kevitry ny COMELEC.

Mihevitra ny Sampaloc TOC fa tsy tokony nampiasa antontan-taratasy ara-pivavahana ny sampam-pifidianana raha jerena ny raharaha vondrona LGBT

I think fundamentally, the error in judgment from Comelec comes from the hubris that it can determine ecclesiastical law. These are not men of the cloth but of the law. The constitution does not vest Comelec with the ecclesiastical jurisdiction. It is an organ of the government of the Philippine republic. Comelec cannot consider the Bible or the Qu'ran procedurely.

Mieritreritra indrindra aho fa ny fahadisoana amin'ny fitsaran'ny Comelec dia avy amin'ny avonavona fa afaka mamaritra ny lalàna ara-pitondram-piangonana izy. Tsy olon'ny fivavahana izy ireo fa olon'ny lalàna. Tsy manome alalana ny Comelec hanana fahefana ara-pitondram-piangonana ny lalàmpanorenana. Sampan'ny governemantan'ny repoblika Filipiana izy. Tsy afaka mandinika ny Baiboly na ny Korany amin'ny dingana ara-pitsarana ny Comelec.

Niampanga ny vondrona LGBT ho mampiroborobo ny fitondran-tena ratsy ihany koa ny sampam-pifidianana. Manoro hevitra ny manampahefam-panjakana i Karen Jane Ang mba tsy hiditra ho polisin'ny fitondran-tena.

COMELEC should stop acting as our morality police. It is not part of their duties and responsibilities. We already have religious groups who tell us what we must or must not do, who to emulate or abhor, and which candidates to support or abandon. We do not need another group who does the same.

Tokony hajanona ny fihetsika toy ny polisin'ny fitondran-tena ataon'ny COMELEC. Tsy anisan'ny adidy aman'andraikitr'izy ireo izany. Manana antokom-pivavahana afaka milaza amintsika izay tsy maintsy ataontsika na ny tsy tokony ataontsika isika, izay ho faka tahaka na tsia, na izay kandidà tohanana sy hialàna. Tsy mila vondrona hafa manao toy izany isika.

Mandrisika ireo manampahefana ao amin'ny sampam-pifidianana mba tsy hanavakavaka ny sehatra LGBT ny RP2010.com

The assertion by Ferrer, along with co-commissioners Lucenito Tagle and Elias Yusoph, that gay people are an immoral group is nothing but a clear indication of their personal discrimination against the LGBT community. Government, by its very reason for being, must not be allowed to discriminate against any sector of society.

The “3 Stooges” — as Ferrer & co. have been nicknamed — also claim that LGBT Filipinos are already “over-represented” in Congress. Are jibes such as that really necessary?

Tsy inona fa  fanehoana mazava ny fanavakavahana manokana ataon'izy ireo amin'ny vondrom-piarahamonina LGBT ny fanambaràn'i Ferrer, miaraka amin'ny mpiara-miasa Lucenito Tagle sy Elias Yusoph. Tsy tokony havela hanavakavaka ny sehatry ny fiarahamonina ny governemanta, amin'ny antom-pisiany.

Nilaza ihany koa ny “Stooges 3″ – anaram-bositra nomena an'i Ferrer sy ny namany – fa efa “voasolo-tena be loatra” ao amin'ny Kongresy ny LGBT Filipina. Tena ilaina ve ny fiteny toy izany?

 Apples Daily  mba hanaisotra ireo mpanao politika mpanao kolikoly rehetra sy ireo mpanao politika ratsy fitondra-tena rehetra.

The COMELEC surmised that simply being homosexual/ bisexual/ transexual is immoral. If they’re all about morality, then maybe they should not let politicians, who are or have been involved in crimes, corruptions and other mundane scandals, to run in the 2010 elections. Why don’t they go ask every religious person to file for candidacy, since it looks like there won’t be anyone left to run in 2010… but then, even these religious people might not pass their morality test.

Nihevitra ny COMELEC fa ny maha-pelaka na / manana taovam-pananahana roa / na mpanova taovam-pananahana dia ratsy fitondra-tena. Raha mikasika ny fitsipi-pitondrantena izany, dia tsy tokony hamela ireo mpanao politika, izay tafiditra amin'ny heloka bevava, ny kolikoly ary ireo tantara ratsy hafa hafa hirotsaka amin'ny fifidianana 2010 koa izy ireo. Maninona izy ireo no tsy mangataka amin'ny mpivavaka rehetra mba hirotsaka ho kandidà, satria toa tsy hisy olona tavela hirotsaka amin'ny fifidianana 2010 … kanefa, na dia ireo mpivavaka ireo aza mety tsy nahomby tamin'ny fitsapana ara-pitondrantena koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.