· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2018

Zimbaboe : Ny Zimbaboeana sy ny fahafatesan'i Ben Laden

  15 Septambra 2018

Rehefa nandre ny fahafatesan’i Ben Laden, ‘’ilay lehilahy tena nokarohina indrindra eran’izao tontolo izao’’ dia naneho hevitra mifangaro ny Zimbaboeana. Angamba noho ny zava-misy fa i Etazonia no namono an’i Ben Laden, izay heverin’ny sasany fa tompon’andraikitra tamin’ny fahasarotana ara-toekarena ao amin’ny fireneny, sy ny sazy ary ihany koa ny ‘’imperialisma’’ fanaony.

Dian'ireo mpanivana: Manao famoretana amin'ny fahalalaham-pitenenana i Frantsa, Torkia sy Shina

  13 Septambra 2018

Tapa-bolana lasa izay, nampitandrina ny amin'izay antsoiny hoe "fampanjakana miandalana ny Berlusconi eo amin'ny media Frantsay sy ny loza mitatao manoloana ny fipoiran'i Nicolas Sarkozy, minisitry ny atitany Frantsay sady filohan'ny antoko mpandala ny nentin-drazana amin'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena ny blaogy Frantsay AgoraVox, iray amin'ireo bilaogy mediam-bahoaka Eoropeana malaza.

Okraina: Fanamarihan'i Marat Gelman

  13 Septambra 2018

Mba hiomanana amin'ny fitsidihany taorian'ny fifidianana tao Kyiv tamin'ny herinandro lasa teo, nijery ny Ukrayinska Pravda, loharanom-baovao antserasera malaza momba ny vaovao ara-politika, niara-naorin'i Georgiy Gongadze tamin'ny taona 2000 i Marat Gelman, mpisera LJ galerist, Rosiana mpandraharahana ara-javakanto, ary voalaza fa "mpanolo-tsaina miafina"an'i Victor Yanukovych.