· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2018

Tonga Hatrany Maghreb Ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziàna

Manoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fampidirana ny Firaisankina Maghreb ny blaogera toniziana Big Trap Boy, izay ahitana an'ireo firenena avy ao Afrika Avaratra, sy ireo tombontsoany ho an'ny vahoaka rehetra ao amin'ny faritra. Antsoiny ihany koa ireo blaogera toniziana sy ireo Maraokana, Alzeriana, Maoritaniana ary Libiana mba hanao ny andron'ny 1 jona ho andro fanaovana blaogy hanentanana ny Firaisankina Maghreb, hoy ny tatitr'i Samsoum.

Bangladesh: Firenena latsaka an-katerena, loharanom-baovao ny bilaogera

  09 Septambra 2018

Nahita fiovana lehibe i Bangladesy vao haingana. Ny alakamisy alina, nanambara firenena latsaka an-katerena ny filoha Iajuddin Ahmed ary nametra-pialàna amin'ny maha-lehiben'ny governemanta vonjimaika azy, izay fitakiana voalohany nataon'ny firaisamben'ny mpanohitra. Nahemony ihany koa ny fifidianana amin'ny 22 janoary, izay voalaza fa efa vita ny dingana amin'izany.