Raha efa 100 andro izao ny governemanta ao Malezia no teo amin'ny fitondràna, mbola tandindonin-doza foana ve ny fahalalahana maneho hevitra?

Mpikatroka mifamory mba hitondra fanohanana ho an'i Fadiah Nadwa Fikiri, ilay ramatoa mpisolovava sady mpikatroka nampanantsoin'ny polisy noho ny filazana azy ho nandefa lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy miantso fikomiana hanohitra ny fanjakàna. Sary teo amin'ny pejy Facebook -n'i Daniel Mizan Qayyum

Amin'izao fanatonany ny faha-100 andro naha-teo amin'ny fitondrana azy izao, nahatazona ny fanomezantokiny hiaro ny fahalalahana maneho hevitra ve ny governemanta vaovao ao Malezia ?

Ny 9 May 2018, resin'ny Pakatan Harapan (PH) ny Barisan Nasional (BN) izay efa teo amin'ny fitondrana nandritra ny antsasaka taonjato iray.

Nandritra ny vanimpotoanan'ny fampielezankevitra, namoaka taratasy iray ny PH, nahafahana namerina nandalina sy, angamba koa, manafoana ireo fepetra manelingelina ny fahalalahana maneho hevitra, isan'izany ilay lalàna tamin'ny 1948 momba ny fikomiana, ilay lalàna tamin'ny 2015  ho fisorohana ny heloka bevava, ilay lalàna tamin'ny 1998 momba ny fifandraisana sy ny fampahalalambaovao maro rantsana  sy ilay lalàna tamin'ity 2018 ity momba ny fanelezana vaovao tsy marina.

Hatramin'ny fifidianana, nahamarika fihatsaràna vitsivitsy ry zareo Maleziàna. Voabahana ny fahafahana miditra amin'ireo tranonkala tsy miankina sasantsasany mpizara vaovao, toy ny Sarawak Report sy ny Medium. Ny fanafoanana ny fandraràna an'ilay mpanao sariitatra sady mpikatroka politika, Zunar, tsy hivezivezy, mpitsikera fatratra ny praiminisitra teo aloha, Najib Razak. Na izany aza, mbola iharan'ny tsindry ihany ny sasany amin'ireo feo mahitsy fiteny.

Ramatoa iray mpisolovava voahelingelina noho ny fanoratany bilaogy momba ny fitondram-panjaka

Nampitandrina ny Ivontoerana ho an'ny Fanaovana Gazety Tsy Miankina (CIJ) hoe, na teo aza ireo fampanantenana nandritra ny fampielezankevitry ny PH, « mbola mitohy mitranga hatrany ny fanohintohinana ny fahalalahana maneho hevitra ».

Notanisain'ilay vondrona ny raharaha manjo an'ilay ramatoa mpisolovava sady mpikatroka, Fadiah Nadwa Fikri, izay, tamin'ny Jolay lasa teo, nahazo fampiantsoan'ny polisy noho ny fametrahany fanontaniana tao amin'ny bilaoginy momba ny anjara toeran'ny fitondram-panjaka ao anatin'ny fiainana politika. Lasibatry ny fanadihadiana iray izany izao i Fadiah, noho izy nandefa tety anaty aterineto ny votoaty iray lazaina fa miantso fikomiana.

Notoroan'ny CIJ hevitra ny polisy sy ny governemanta mba hampitsahatra ny fampiasàna ireo lalàna henjana, izay na ny parlemanta aza efa mihevitra ny hanafoana ireny fepetra ireny:

We call upon the Government to make clear its stand on freedom of expression; to condemn this investigation; and to speedily institute a moratorium on all oppressive laws pending their repeal and/ or amendment…If Malaysia is to undergo true democratisation critical, respectful discourse and debate needs to be fostered and protected.

Angatahanay ny governemanta mba hilaza mazava ny toerana misy azy momba ny fahalalahana maneho hevitra ary hametraka malaky didy fampiatoana maharitra an'ireo lalàna famoretana rehetra, mandra-piandry ny fanafoanana sy/na fanitsiana azy ireny… Raha toa i Malezia tsy maintsy hametraka dingana demaokratika tena izy, dia tsy maintsy amporisihana sy arovana ny fifanakalozankevitra sy ny adihevitra mitondra fanakianana ary am-panajàna.

Niaro an'i Fadiah i Kua Kia Soong, mpanolotsaina ao amin'ny fikambanana Suaram, mpiaro ny zon'olombelona, ary niantso ny hisian'ny fandeferana manoloana ireo hevitra tsy mitovy:

The article written by Fadiah certainly did not constitute incitement to hatred or violence. She was expressing an opinion on an issue of public interest.

Her right to freedom of expression as a social activist and intellectual must be respected because such are the demands of pluralism, tolerance and broad-mindedness that our founding fathers and mothers wanted for our democratic society and especially now, the supposedly “new Malaysia”.

Tsy azo adika ho fiantsoana fikomiana sy herisetra ny lahatsoratra navoakan'i Fadiah. Tsy nanao afa-tsy ny nanome ny heviny izy momba ny fanontaniana iray mahakasika ny tombontsoan'ny rehetra.

Tokony hajaina ny zony amin'ny maha-mpikatroka azy sy amin'ny maha-olona nahita fianarana azy satria izany no fitakian'ny fahamaroan-kevitra, ny fandeferana ary ny fisokafan-tsaina nirian'ireo ray sy reny mpanorina mba ho hita ato anatin'ny fiarahamonina demaokratikantsika, ary indrindra fa amin'izao fotoana izao, ho an'ilay lazaina fa « Malezia vaovao ».

Miangavy faharetana ireo manampahefana

Hanipa Maidin, minisitra lefitra ao amin'ny biraon'ny praiminisitra, dia nanamafy ny fampanantenan'ny PH hanafoana ireo lalàna mpamoritra, saingy mangataka faharetana, satria etsy ankilany ny governemanta miomana ny hanao fanavaozana betsaka amin'ny fitantanan-draharaha:

I only hope the people can be a little more patient with us, just as we have been very patient with BN over the past 60 years…This is because there is far too much damage left by the previous regime for us and for you. This is not an excuse, but a sincere request from us.

Antenaiko fotsiny fa mba haneho faharetana ny vahoaka manoloana anay, toy ny nanehoantsika faharetana nanoloana ny BN nandritra izay enimpolo taona lasa izay… Ny antony dia satria namela faharavàna betsaka ho anay sy ho anareo ny fitondrana teo aloha. Tsy fialàna bala izany saingy fangatahana amin'ny fo tsotra avy aty aminay.

Manampahefana iray hafa no nanamafy ny fanirian'ny governemanta hanafoana ireo lalàna miteraka resabe, toy ilay lalàna momba ny fanapariahana vaovao diso sy ilay momba ny fandikandalàna amin'ny resaka fiarovana (SOSMA).

Fisintonana ny fanenjehana an'ilay mpanao sariitatra, Zunar, ho niantso fikomiana

Noderain'ny rehetra ilay fanapahankevitry ny governemanta hisintona ireo fanenjehana sivy loha niampangàna an'ilay mpanao sariitatra politika, Zunar, ho nanao fiantsoana fikomiana. Zunar izy tenany mihitsy no nanamafy ilay vaovao tao amin'ny kaontiny Twitter :

AFAKA IHANY NONY FARANY !
Nosintonina daholo ireo fiampangana ahy ho niantso fikomiana (9 ny fitambarany). Mitondra vokatra ny « Ady atao amin'ny alàlan'ny sary ». Saingy tsy mbola mifarana ny tolona. Voan'ilay viriosy mampididoza « Dessin-O-Phobia » daholo izao ry zareo politisiana manerana ny tany tontolo.

Mpanao sariitatra malaza sy miely patrana i Zunar, izay nanakiana ny kolikoly sy ireo fanamparam-pahefana hafa nataon'ny governemanta teo aloha. Ary fanampin'ny fiampangàna azy ho niantso fikomiana, nogiazana ireo sary nataony sady noraràna izy tsy hivoaka ny firenena.

Nanamafy ihany koa ny polisy tao Penang fa ho averiny amin'i Zunar ireo antontam-boky, t-shirts sy sary fanehoana hafa izay nogiazany tamin'ny 2017.

Mitohy miatrika fahasahiranana goavana ry zareo Maleziàna no sady manao fanentanana mba hisian'ny fahalalahana bebe kokoa amin'ny fanehoana hevitra sy ny demaokrasia ao anatinà fiarahamonina iray mbola tena ao anatin'ny tetezamita ara-pitantanana. Mahavelom-bolo ny mahita hoe, hatreto, ny governemanta vaovao dia tsy nihemotra amin'ny fampanantenany hanohy ireo fanitsiana ny lalàna hanamafy ny fahalalahan'ireo mpampahalala vaovao sy ny fiarovana ny zon'olombelona.

Saingy, mitombo isa ireo teratany maleziàna sy vondrona fiarahamonina sivily mampahatsiahy amin'ny governemanta ny tokony handraisany fepetra matotra. Izany ihany koa no hafatra nampitain'ìreo vondrona miisa 36 avy amin'ny fiarahamonina sivily nanao sonia ny fanambaràna nitakiana ny tsy fikitihana ny fahalalahana maneho hevitra.

We hope this new government is in fact new, and will back up their rhetoric with committed and decisive action. In these crucial early days, as the government sets the tone for its administration, we hope to see a genuine departure from the old oppression, and a transition into a Malaysia where all ideas can be discussed peacefully and our constitutional rights exercised maturely.

Antenainay ity governemanta vaovao ity mba ho tena vaovao tokoa ary hanamafy izay nolazainy amin'ny alàlan'ny asa hentitra sy matotra. Raha toa ny governemanta, amin'izao andro voalohany tena saropady misy azy izao, manome ny feo ho an'ny fitantanany, izahay kosa manantena ny fanapahana tanteraka ny fifamatorana amin'ireo famoretana tany aloha sy hisian'ny tetezamita iray hankany aminà Malezia iray izay ahafahana miresaka am-pilaminana ny hevitra rehetra, sy isitrahana feno ny zo nomen'ny lalam-panorenana ho antsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.