Zimbaboe : Ny Zimbaboeana sy ny fahafatesan'i Ben Laden

(Marihina fa tamin'ny 3 May 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Rehefa nandre ny fahafatesan’i Ben Laden, ‘’ilay lehilahy tena nokarohina indrindra eran’izao tontolo izao’’ dia namalan-kira ny Zimbaboeana. Angamba noho ny zava-misy fa i Etazonia no namono an’i Ben Laden, izay heverin’ny sasany fa tompon’andraikitra tamin’ny fahasarotana ara-toekarena ao amin’ny fireneny, sy ny sazy ary ihany koa ny ‘’imperialisma’’ fanaony.

Nomarihin’i Gift Pheria teo amin’ny pejin’ny Facebook-ny :

Félicitations à Obama, pour avoir finalement liquidé ce terroriste d'une balle à la tête qui attendait depuis trop longtemps. Les familles des victimes de ces meurtres insensés du 11 septembre –dont les familles des journalistes qui sont morts, et que j'ai eu l'honneur de rencontrer l'an dernier à New York – peuvent enfin tourner la page grâce à l'opération orchestrée par Obama.

 Arahabaina i Obama, noho ny namonoany ity mpampihorohoro ity tamin’ny bala teo amin’ny lohany izay efa nandrasana hatry ny ela. Ny fianakavian’ireo niharam-boina tamin’ireny vonoan’olona tamin’ny 11 Septambra ireny…anisan’izany ny nahafatesan’ny fianakavian’ireo mpanao gazety, izay nahafaly ahy ny nihaona taminy tany New York tamin’ny herintaona- dia afaka mamadika ny pejy amin’izay noho ilay hetsika notarihin’i Obama.

Niditra an-tsehatra ihany koa i George Mhembere tao amin’ny rindriny Facebook:

USA  tuent juste tous ceux qui ressemblent à Oussama Ben Laden et vérifient avec tests ADN.

Namono ireo olona rehetra mitovy amin’i Oussama Ben Laden i Etazonia ary nanamarina izany niaraka tamin’ny fitiliana ADN.

Feno fanehoan-kevitra ihany koa ny sehatra fifanakalozan-kevitra New Zimbabwe. Naneho ny heviny ny eveka Tshepanga Mokoena hoe :

1er mai 2011…Oussama mort. Ier mai 1945 était le jour où ils ont trouvé Hitler mort. MAI..SERA UN MOIS DE  MIRACLES.

Ny 1 May 2011….no maty i Oussama. Ny 1 May 1945 no andro nahitana an’I Hitler maty. VOLAN’NY FAHAGAGANA NY VOLANA MAY.

Notohizan’i Mokoena hoe :

N'abaissez  pas la garde s'il vous plait, en oubliant que Ben Laden à des milliers de disciples #Prière

Aza mandrimandry ry mpiambina, azafady, sao hadino fa manana mpianatra an’arivony  i Ben Laden. #Vavaka

Amin’ny fiteny Shona, nanoratra i Ancestor hoe :

Vatanga imwe hondo mabharanzi aya… [ils ont juste commencé une nouvelle guerre, ces idiots].

Vatanga imwe hondo mabharanzi aya… [vao nanomboka ady vaovao ry zareo, ireto adala ireto].

Nanoratra i Rufus tao anatin’ny sehatra fifanakalozan-kevitra, mitondra ny lohateny hoe : ‘’Namono an’i Oussama i Obama, ho voafidy indray izy’’,.

Vous pouvez détester Obama, mais une chose est sûre, il a fait le job. Je déteste la violence, mais Oussama était un homme violent,qui a fait une fin violente et il faut féliciter les USA pour leur traque patiente, même si elle n'en finissait pas, d'un psychopathe. Les Américains ne font pas, je répète, des ennemis qu'ils est bon d'avoir !

Azonareo atao ny mankahala an’i Obama, nefa azo antoka ny zavatra iray, nanao ny asany izy. Tsy tiako ny herisetra, kanefa lehilahy nahery setra i Oussama, izay niafara tao anatin'ny herisetra ary tokony hoderaina ry zareo tao Etazonia noho ny naharetany tamin’ny fanenjehana, na dia mbola tsy vita aza ny an'ilay marary saina. Tsy minamana amin’ny fahavalo, averiko indray, izay tsara ananana ry zareo Amerikana!

Nandrahona ireo ‘’mpanjakazaka sy ireo mpampihorohoro’’i EL Joto Mutasa. Namela fanehoan-kevitra tao amin’ny tranonkalan’ny Zimbabwe Mail izy

C'est un message à tous les despotes, terroristes, meurtriers et dictateurs, qu'ils devront un jour payer pour leurs crimes. Maintenant, l'attention va se tourner vers une nouvelle couche de tueurs et de pilleurs. La Grande Faucheuse regarde maintenant l'Afrique. A la fin, la vraie justice prévaudra.

Hafatra ho an’ireo rehetra mpanjakazaka, mpampihorohoro, mpamono olona ary ireo mpanao didy jadona, fa tsy maintsy manefa ny heloka vitany izy ireo indray andro any. Ankehitriny, hitodika any amin’ny andiana mpamono olona vaovao sy mpandroba ny fifantohana. Mijery an’i Afrika ny Anjelin'ny Fahafatesana ankehitriny. Handresy ny tena fahamarinana any amin’ny farany.

Nefa nisy ihany koa ireo Zimbaboeana nisalasala tamin’ny nahafatesan’i Oussama ka nitaky porofo tamin’izany.

Tsy resy lahatra tamin’ireo ‘’porofo’’ireo i Tsano Tsano. Nolazainy izany tamin’ny fanehoan-kevitra tamin’ity lahatsoratra ity :

OK OK OK. S'il et vraiment mort, pourquoi ils ne nous donnent pas les photos ou même les vidéos . Rappelez vous, ce sont les mêmes types qui nous ont tout montré quand Saddam a été capturé, jusqu'à la minute de sa mort. Même pour Gbagbo, ils ont montré les photos de sa capture. Même avec Jonas Savimbi, on a pu voir son cadavre. C'est juste un coup publicitaire.   Capturez Ben Laden à l'aube, et juste cinq heures plus tard, l'Amérique l'”enterre” “en respectant la tradition musulmane”. Bon Dieu. Faut pas pousser les gars.  Pamwe ndini ndiri kupenga. Attendons, et peut-être qu'on les verra, ces photos.

ENY ENY ENY. Raha maty marina izy, nahoana no tsy nomeny antsika ireo sary na koa ireo lahatsary mirakitra izany. Tadidionareo fa ireo olona ireo ihany no nampiseho antsika ny fisamborana an’ i Saddam,  hatramin’ny minitra farany nahafatesany. Na ho an’i Gbagbo aza dia nasehon-dry zareo ny sary tamin’ny nisamborana azy. Na dia tamin’i Jonas Savimbi aza, dia azo nojerena ny fatiny. Fampielezan-kevitra fotsiny izany. Nosamborina tamin’ny vao maraimbe i Ben Laden, ary adiny dimy monja taty aoriana, ‘’nalevin’’’ireo Amerikana izy, tao anatin’ny ‘’fanajana ny fomba amam-panao Miozolomana’’. Andriamanitra ô. Aza maika aloha, Pamwendinindirikupenga. Aleo aloha andrasantsika, fa angamba mety ho hitantsika ireo sary ireo.

Nisy ny fahatezerana mafy tao Zimbaboe, noho ny fitondrana ratsy tantana, ny tsy fanajana ny zon’olombelona, ny famoretana ireo mpanohitra ara-politika, izay hitan’ireo mpisera aterineto sasantsany fa ny fahafatesana no vahaolana farany. Eveka iray voampanga  taona vitsivitsy lasa izay noho izy nivavaka mba hahafatesan’ny Filohan’i Zimbaboe.

Nisioka i Tinotenda Kwaramba hoe :

Dernière heure sur Z~TV [chaine nationale du Zimbabwe] : parait que Oussama Ben Laden a été vu en train de boire un café avec le Président Mugabe et Kadhafi dans un hôtel à Harare…

Vaovao farany tao amin’ny Z-TV [fahitalavitra nasionaly ao Zimbaboe] : toa hita teo am-pisotroana kafe niaraka tamin’ny Filoha Mugabe sy Khadafi tao amin’ny hotely iray tao Harare i Oussama Ben Laden……

Tsy isalasalana fa ho hita amin’ny andro manaraka ny andiana fanehoan-kevitra vaovao ao amin’ity faritr’izao tontolo izao ity.

*Sary natolotr’I Johnnie Maneiro tao amin’ny Flickr (CC BY –NC-SA 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.