Okraina: Fanamarihan'i Marat Gelman

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Oktobra 2007)

Mba hiomanana amin'ny fitsidihany taorian'ny fifidianana tao Kyiv tamin'ny herinandro lasa teo, nijery ny Ukrayinska Pravda, loharanom-baovao antserasera malaza momba ny vaovao ara-politika, niara-naorin'i Georgiy Gongadze tamin'ny taona 2000 i Marat Gelman, mpisera LJ galerist,  Rosiana mpandraharahana ara-javakanto, ary voalaza fa “mpanolo-tsaina miafina“an'i Victor Yanukovych tamin'ny taona 2004.

Iray amin'ireo zavatra mahaliana izay hitan'i Gelman tao ny bilaogin’Boris Berezovsky. Nanoratra izy hoe:

It is him [Berezovsky], indeed. I guarantee that.

Izy no [Berezovsky], eny indrindra. Manome antoka izany aho.

Nidirany ihany koa ny vazivazy ara-politika momba an'i George W. Bush, Vladimir Putin sy Victor Yushchenko:

God summons the three presidents – of the United States, Russia and Ukraine – to heaven and tells them:

- Dear presidents, I've summoned you because of some really bad news I have to share: the end of the world is in two weeks. I'd like you to report this sad information to my three most favorite peoples.

Bush appears on TV:

- Brothers and sisters, I've got two pieces of news for you. One good, the other bad. The first one: there is God, after all. The second: the end of the world is in two weeks.

Putin speaks on the radio and TV:

- Ladies and gentlemen, I've got two pieces of news for you. Both are bad. The first one: there is God, after all. The second: the end of the world is in two weeks.

Yushchenko makes a radio and TV address:

My people, I've got two pieces of news for you. Both are good. The first one: God himself has recognized me as president. The second: I'll rule the country till the end of the world.

Nampiantso ireo filoham-pirenena telo-avy any Etazonia, Rosia ary Okraina ho any an-danitra i Andriamanitra  ary miteny amin'izy ireo hoe:

- Ry filoha hajaina, nampiantso anareo aho noho ireo vaovao tena ratsy tsy maintsy hozaraiko: afaka tapa-bolana ny faran'izao tontolo. Tiako ianareo mba hitatitra ity fampahalalam-baovao mampalahelo ity ho an'ireo vahoaka telo tena ankafiziko indrindra.

Niseho tao amin'ny fahitalavitra i Bush:

- Ry rahalahy sy anabavy, manana vaovao roa ho anao aho. Ny iray tsara, ny iray hafa ratsy. Ny voalohany: misy Andriamanitra. Ny faharoa: afaka tapa-bolana ny faran'izao tontolo izao.

Miresaka amin'ny radio sy ny fahitalavitra i Putin:

- Tompokovavy sy tompokolahy, nahazo vaovao roa ho anareo aho. Samy tsara ireo. Ny voalohany: misy Andriamanitra. Ny faharoa: hitondra ity firenena ity hatramin'ny fiafaran'izao tontolo izao aho.

Nanao fanambarana tamin'ny radio sy fahitalavitra i Yushchenko:

Ry vahoakako, manana vaovao roa ho anareo aho. Samy tsara izy ireo. Ny voalohany: nankasitrahan'Andriamanitra ny maha filoham-pirenena ahy. Ny faharoa: Hitantana ny firenena hatramin'ny fiafaran'izao tontolo izao aho.

Araka ny voalazan'ny sasany amin'ireo mpamaky an'i Gelman izay naneho hevitra momba ity sangisangy ity, dia toa efa taloha izany, efa naverina imbetsaka nandritra ny taona maro: nahitana an'i Aleksandr Lukashenko; Boris Yeltsin, Helmut Kohl sy Leonid Kuchma; Leonid Brezhnev; ary mahagaga, Bill Gates ihany koa ny solon'i Bush, Putin sy Yushchenko.

Saingy, ankoatra ny vazivazy, ity ny fanadihadiana anaty fehezanteny telo nataon'i Gelman momba ny toe-draharaha politika ankehitriny ao Okraina:

[…] It's impossible to imagine collisions that are more complicated. Though, all in all, everyone would like to drown [Yulia Tymoshenko]. But since she may become president in the future and is very unforgiving, everyone wants to do it with someone else's hands.

[…] Tsy azo atao ny manombantombana ny fifandonana izay sarotra kokoa. Na dia izany aza, te-handetika an'i [Yulia Tymoshenko] ny rehetra. Saingy satria mety ho lasa filoham-pirenena amin'ny hoavy izy ary tsy dia mamela heloka loatra, te-hanao izany amin'ny tanan'ny olon-kafa ny olon-drehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.