Nosamborina ny mpanao gazety Kashmiri rehefa nitatitra momba an'i Burhan Wani, ilay mpikomy novonoina,

Ny tafika indiana nanangana sakana hanakanana ireo vato rehefa nipoaka ny hetsi-panoherana tao Srinagar, renivohitr'i Jammu sy Kashmir . Sarin'i Ieshan Wani tao amin'ny Instagram. Nahazoana alalana.
Notazomin'ny polisy ao amin'ny fanjakana Indiana ao Jammu sy Kashmir ny mpanao gazety iray izay voalaza fa ” nampiantrano mpampihorohoro.” Nosamborin'ny polisy mba hanaovana fanadihadiana tamin'ny 27 Aogositra i Aasif Sultan, izay miara-miasa amin'ny gazetiboky Kashmir Narrator ao Srinagar.
Araka ny filazan'ny fianakaviana, nanafika ny tranon'izy ireo tao Batamaloo, faritry ny tanàndehibe ny polisy tao an-toerana ary nitondra an'i Aasif . Nolazain'ny rainy tamin'ny fampitam-baovao tao an-toerana fa nalain'ny polisy ny entan-janany manokana, anisan'izany ny solosaina enti-tanana sy ny fitaovana elektronika hafa, nandritra ity bemidina ity.
Srinagar based journalist Asif Sultan is under illegal detention from last six days. Police has confiscated his phone, laptop and other accessories also.
Journalism under attack ! #Kashmir #FreeAsifSultan— Kabir JNU (@kabwrites) September 1, 2018
Enina andro izay no nogadraina tsy ara-drariny i Asif Sultan ilay mpanao gazety monina ao Srinagar. Nalain'ny polisy ny findainy, ny solosainy enti-tanana ary ny fitaovana hafa ihany koa.
Eo ambany fanafihana ny asa fanaovan-gazety!
Nihevitra ireo namany fa lasibatra izy noho ny fitantarany iray vao haingana izay nanasongadina ny lehiben'ny mpikomy novonoina antsoina hoe Burhan Wani teo amin'ny fonon-gazety.
Asif Sultan had recently written a cover story on #Burhanwani, the popular Hizb Commander killed in 2016, whose killing triggered a massive uprising in Kashmir valley, for which he was quizzed. #FreeAasifSultan #Kashmir https://t.co/7W0zBWXKZQ
— ارشاد نبی (@Kashmir_rise) September 1, 2018
Vao haingana i Asif Sultan no nanoratra tantara iray momba an'i #Burhanwani, ilay lehiben'ny Hizb malaza novonoina tamin'ny taona 2016, famonoana izay nahatonga ny fitroarana faobe tany amin'ny lohasahan'i Kashmir, izay nanaovana fanadihadiana azy.
Nitaky ny famotsorana azy avy hatrany ireo mpanao gazety miasa ao Kashmir. Raha nanameloka ny fisamborana azy dia nilaza ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Miasa ao Kashmir sy ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Kashmir fa:
We are outraged to learn that journalist, Aasif Sultan, has been under illegal detention at police station Batamaloo for the last six days. We demand his immediate release from illegal custody.
Tezitra izahay rehefa nandre fa ny mpanao gazety, Aasif Sultan, dia nogadraina tsy ara-dalàna tao amin'ny tobin'ny polisy Batamaloo nandritra ny enina andro izay. Mitaky ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro izahay noho ny fanagadrana azy tsy ara-dalàna.
Nilaza tamin'ny gazety iray tao Delhi ny toniandahatsoratra ao amin'ny Kashmir Narrator, izay hiasan'i Aasif ho toy ny toniandahatsoratra mpanampy, fa tamim-pahadisoana no nandraisana ny fitantarany ary lasibatra ny gazetiboky noho ny tatitra nataon'izy ireo.
“Resaka akoholahy sy ombilahy ity. Tsy faly tamin'ny tatitra nataonay [ny polisy], “hoy izy.
“Nentinay tany amin'ny CPJ, IFJ, ary fikambanana iraisam-pirenena hafa ny fisamborana azy. Hiady izahay ao amin'ny fitsarana izahay “, hoy ny toniandahatsoratra Showkat Motta tamin'ny Indian Express.
Nilaza tao amin'ny fanambarana an-gazety ny polisin'i Jammu sy Kashmir fa nogiazin-dry zareo izay lazainy fa “fitaovana manaporofo ny fahamelohana” avy amin'ny toerana samihafa.
Na dia tamin'ny 27 Aogositra aza i Aasif no nosamborina dia ny 31 Aogositra vao nisy ny Tatitra Fampahalalam-baovao Voalohany.
“Tamin'ny 31/08/2018 dia nosamborin'ny Tobin'ny Polisy Batamaloo noho ny raharaha laharana FIR No 73/2018 i Asif Sultan S/O Mohammad Sultan Saida R/O Firdousabad Batamaloo,” hoy ny fanambaran'ny polisy .
Nisioka i Harris Jargar, mpanao gazety iray ao amin'ny vavahadim-baovao Indian News LiveMint hoe:
I am curious to know what “incriminating evidence” #Kashmir police has found on #journalist Aasif sultan. Haven't we heard such claims previously against some senior kashmiri journalists!! https://t.co/RiWDlrfnyn
— Haris Zargar (@harriszargar) September 2, 2018
Mahaliana ahy ny mahafantatra hoe inona ny “porofo manamarina ny fanamelohana” izay hitan'ny polisy tao Kashmir tany amin'ny mpanao gazety Aasif Sultan. Moa ve tsy efa nandre ny fitarainana toy izany isika teo aloha momba ireo mpanao gazety malaza kashmirita!!
Nisioka ilay Mpanao gazety ao amin'ny Republic TV Aditya Raj Kaul hoe:
Shocking. Local Kashmiri journalist Asif Sultan working with ‘Kashmir Narrator’ arrested in Srinagar, Kashmir by J&K Police for ‘harboring known terrorists involved in serious terror crimes’. The mask is coming off slowly in the Kashmir valley. The reality is for all to see. pic.twitter.com/7PPcYUvz56
— Aditya Raj Kaul (@AdityaRajKaul) September 1, 2018
Manafintohina. Nosamborin'ny Polisy J&K tao Srinagar, Kashmir ilay mpanao gazety Kashmirita Asif Sultan izay miara-miasa amin'ny ‘Kashmir Narrator’ noho izy ‘nampiantrano ireo mpampihorohoro fantatra fa voarohirohy tamin'ny heloka bevava fampihorohoroana mahery vaika’. Miala tsikelikely ny saron-tava ao amin'ny lohasaha Kashmir. Hitan'ny rehetra ny zava-misy.
Namoaka fanambarana iray maneho ny ahiahiny lalina momba ny fitazonana mitohy sy ny fanadihadiana an'i Aasif ny Komity Miaro ny Mpanao Gazety.
“Tokony hamoaka avy hatrany an'i Aasif Sultan any an-tranomaizina ny polisy ary hampitsahatra ny ezaka mba hanerena azy hilaza ny loharanom-baovao na ho lasa mpanome vaovao”, hoy i Steven Butler, mpandrindra ny fandaharanasa CPJ any Azia tao anaty fanambarana. “Nanao asa fanompoana ny vahoaka lehibe i Sultan fa tsy nanao heloka bevava tamin'ny fanaovana tatitra momba ny hetsiky ny mpikatroka.”
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Mikatona ny famoahana hevitra
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...