Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Oktobra, 2017
Miresaka Momba Ny Fandresen'i Obama Tao Iowa Ny Bilaogera Iraniana
Bilaogera Iraniana maromaro no miresaka momba ny fandresen'ilay kandidà ho filoha amerikana, Barack Obama, tao Iowa. Ity no fifaninanana fanendrena voalohany amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena taona 2008. Faly tamin'ny fandresen'i Obama ny sasany, raha nanombana mikasika ny fiantraikan'ny "Obama ho filoha" amin'ny fiainana ara-politika Iraniana kosa ny hafa.
Iran: Fihetsiketsehana Noho Ny Fandraràna Gazetiboky Momba Ny Vehivavy
Noraràn'ny governemanta Iraniana roa herinandro lasa izay ny Zanan Magazine (midika hoe "gazetim-behivavy"), taorian'ny 16 taona nivoahany. Tato anatin'ny taona vitsy, nofoanan'ny manampahefana Iraniana ny fahazoan-dalana an'ireo gazety sy gazetiboky marobe, saingy ny fanakatonana an'i Zanan no tena niteraka fanoherana lehibe tao amin'ny firenena sy iraisam-pirenena.
‘Mbola Taonan'ny Vato Ve Isika ?’ Maneho Ny Hadisoam-Panantenany Ny Kambodziana Satria Nosakanan'ny Governemanta Ny Tohin'ilay Sarimihetsika “Kingsman”
"Mampihomehmy izany, tsy azoko inoana hoe ireo antsoina ho manam-pahaizana no tsy hahay hanavaka ny sarintsariny sy ny tena izy."
Iran: Fipoahana Mifono Mistery Tao Amin'ny Moskea
Tao atsimon'i Iran, nisy fipoahana tao amin'ny moske iray tao an-tanànan'i Shiraz, izay nahafatesana olona 12 raha kely indrindra ary naratra teo amin'ny 200 tamin'ny 12 Aprily. Nanambara ny tranokalam-baovao tsy tena ofisialy an'ny governemanta, Fars, fa noho ny baomba no nahatonga ny fipoahana.
Tafaverina An-Tserasera ao Iran Ankehitriny ny Tranonkalam-Pihainoana Hira Soundcloud sy Spotify
Efa azon'ny Iraniana idirana amin'izao fotoana izao ny Spotify sy ny Soundcloud.
Nahomby Ve Sa Tsia Ny Famorian'Olona An'Arivony Tao Malezia Manohitra ny Fanjakazakan'ny Halatra Ataon'ny Governemanta?
"... nirona loatra tamin'ny fanamelohana ny kolikoly, ny fanjakan'ny halatra ataon'ny governemanta ireo mpandahateny .. raha tokony hilaza bebe kokoa momba ny fomba hiatrehan'ny governemanta Pakatan, raha voafidy, ny olana toy ny...."
Mpampianatra Ambony Tiorka Notazonin'i Malezia Fa “Nampianatra Fivavahana Tsy Naka Alalana”
Notazonin'ny Departemantan'ny Raharaha Islamika ao amin'ny Faritra Federaly ao Malezia nandritra ny 18 ora ilay mpanao gazety Tiorka sady mpampianatra ambony Mustafa Akyol, noho izy voalaza fa nampianatra fivavahana tsy nahazo alalana avy amin'ny governemanta.
Iran: Misaona An'ireo Namoy ny Ainy Tamin'ny Fihetsiketsehana
Iraniana an'arivony no nivory tao amin'ny fasana iombonana Behesht Zahra tany Teheran tamin'ny Alakamisy mba hahatsiaro an'i Neda Agha-Soltani sy ireo niharam-boina tamin'ny hetsi-panoherana. Am-polony ireo namoy ny ainy ary an-jatony no nogadraina nandritra ny hetsi-panoherana nanomboka tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana Jona.
ICAN, Avy Ao Aostralia, Mpanohitra ny Nokleary No Nahazo Ny Loka Nobel Ho An'ny Fandriampahalemana, Tena Tsy Nampoizina
Nahataitra Aostraliana maro ny fahazoan'ny ICAN ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana 2017, ilay fiombonambe manohitra ny fitaovam-piadiana nokleary; naorina tany Melbourne ny taona 2007.
Boliviana Mpitoraka Bilaogy Manome Ny Didim-pitsarany
Fony aho mbola ankizivavy (tamin'izaaaany andro izany), ity fetibe ity no tsara indrindra. Tsy nandeha tamin'ny antoandro izahay satria tsy namela ny ankizy kely handeha ny vahoaka, fa amin'ny alina izahay no nandeha.