Iran: Misaona An'ireo Namoy ny Ainy Tamin'ny Fihetsiketsehana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2007 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Iraniana an'arivony no nivory tao amin'ny fasana iombonana Behesht Zahra tany Teheran tamin'ny Alakamisy mba hahatsiaro an'i Neda Agha-Soltani sy ireo niharam-boina tamin'ny hetsi-panoherana. Am-polony ireo namoy ny ainy ary an-jatony no nogadraina nandritra ny hetsi-panoherana nanomboka tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana Jona.

Araka ny filazan’ ireo tranokalam-baovao sy bilaogy marobe, nanafika ireo mpisaona ny polisy misahana ny rotaka. Jereo ato ireto sary nofantenan'i Zahra Rahnavard, vadin'ilay mpitarika mpanohitra ao Iran, Mir Hussein Mousavi, izay anisanireo mpisaona.

OnlyMehdi indray mizara amintsika lahatsary maromaro momba ny hetsika androany. Mampiseho ny polisy manafika ny olona ity iray ity.

Teny filamatra manohitra ny zanaka lahin'i Khamenei

Ity misy horonantsary hafa navoakan'ny olom-pirenena Iraniana momba ny hetsika tamin'ny Alakamisy tao amin'ny fasana iombonana sy ny fihetsiketsehan'izy ireo manohitra ny fitondrana.

Nihiaka teny filamatra toy ny hoe “Miala ny mpanao didy jadona” sy ny hoe “tokony havotsotra ny gadra politika” ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny Arabe Beheshti. Nihiaka teny filamatra manohitra an'i Mojtaba Khamenei, zanakalahin'ny mpitarika faratampon'i Iran, izay voalaza fa atidoha nikotrika ny hoso-pifidianana ihany koa izy ireo, .

https://youtube.com/watch?v=2GA-gUaqvVs

Miventy teny filamatra ao amin'ny metro:

Nihiaka teny filamatra manohitra ny fitondrana ny olona tao amin'ny metro iray tany Teheran raha niverina avy eny amin'ny fasana:

https://youtube.com/watch?v=0AmGGatDGuc

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.