Mpampianatra Ambony Tiorka Notazonin'i Malezia Fa “Nampianatra Fivavahana Tsy Naka Alalana”

Pikantsary tamin'ny lahatsary nisy ny tafatafa nifanaovana tamin'ny mpanao gazety Tiorka Mustafa Akyol talohan'ny nandaozany an'i Malezia. Sary: lahatsary YouTube an'ny Free Malaysia Today

Notazonin'ny Departemantan'ny Raharaha Islamika ao amin'ny Faritra Federaly ao Malezia nandritra ny 18 ora ilay mpanao gazety Tiorka sady mpampianatra ambony Mustafa Akyol, noho izy voalaza fa nampianatra fivavahana tsy nahazo alalana avy amin'ny governemanta.

Mpanao gazety malaza sady mpampianatra ambony i Akyol ary nanoratra boky marobe momba ny finoana Silamo. Tonga tany Malezia i Akyol ny 22 septambra 2017 mba hanome andiana fampianarana momba ny finoana silamo, ny demaokrasia ary ny zon'olombelona izay nokarakarain'ny Mandan'ny Fahaterahana Islamika Indray.

Taorian'ny fampianarany voalohany, nanatona azy ny mpiasan'ny JAWI ary nampitandrina azy fa nanitsakitsaka ny lalànan'i Malezia tamin'ny fampianaran'ny fivavahana tsy nahazoana alalana avy amin'ny manampahefana izy. Mba hisorohana ny olana ara-pitsarana hafa, nofoanan'ireo mpikarakara ny fampianarana faharoa tokony nataon'i Akyol sy ny hetsika hafa fanaovan-tsonia amin'ny boky.

Na dia teo aza ny fanandramana handao ny firenena, nosakanan'ny manampahefana misahana ny fifindra-monina tao amin'ny seranam-piaramanidina Kuala Lumpur i Akyol ary nalefa tany amin'ny biraon'ny JAWI mba atao fanadihadiana. Niala tsiny tamin'ireo manampahefana ao amin'ny JAWI i Akyol, nilaza fa tsy nahafantatra ny lalàna izay voalaza fa nohitsakitsahany.

Nandritra ny antsafa taorian'ny famotsorana azy. Nilaza i Akyol fa tsy mbola nilaza mihitsy izy fa mpitoriteny Islamika ary nomena tao anatin'ny sehatra akademika ny fampianarana nataony:

I didn’t think that what I was doing was teaching religion because I didn’t speak as an imam or a mufti and I didn’t speak to a religious community. I spoke at an academic conference and I referred to different views on apostasy as someone who has researched the literature on this topic in the Muslim world.

Tsy nieritreritra aho fa nampianatra fivavahana ny zavatra nataoko satria tsy niteny tahaka ny imam na mufti aho ary tsy niteny tamin'ny fikambanam-pivavahana. Niresaka tamin'ny fihaonambe akademika aho ary niresaka fomba fijery samihafa momba ny fihemoram-pinoana amin'ny maha olona nanao fikarohana momba ity lohahevitra ity teo amin'ny tontolo Miozolomana.

Nofariparitany ho polisin'ny fivavahana ao Malezia ihany koa ny JAWI:

Instead of a religious police, you should have a religious council that gives advice and guidance. If you use force to make people more religious or make them understand religion the way you understand it, then you are bringing more harm than benefit to the religion.

Raha tokony ho polisy ara-pivavahana, tokony hanana vaomieram-pivavahana manome torohevitra sy torolalana ianareo. Raha mampiasa hery ianareo hahatonga ny olona ho mpivavaka bebe kokoa na mampahafantatra azy ireo ny fivavahana araka ny fomba ahazoanao azy, dia mitondra loza bebe kokoa fa tsy hahasoa ilay fivavahana.

Tamin'ny lahatsoratra iray navoaka tao amin'ny New York Times, nandinika momba ny fihazonana azy tany Malezia i Akyol:

By policing religion, the authorities are not really protecting it. They are only enfeebling their societies, raising hypocrites and causing many people to lose their faith in or respect for Islam.

Amin'ny alalan'ny fanarahamaso ny fivavahana, tsy tena miaro azy ny manampahefana. Vao mainka mampidi-doza ny fiarahamoniny izy ireo, mahabe mpihatsaravelatsihy ary mahatonga ny olona maro ho very finoana na very fanajana ny Islamo.

Nilaza i Akyol fa nanampy tamin'ny fiarovana ny famotsorana azy ny manampahefana Tiorka. Nandefa ity sioka ity izy talohan'ny nandaozany an'i Malezia:

Veloma #Malaysia …
Mbola tiako foana ianao sy ny vahoakanao tsara fanahy, mahafinaritra sy sariaka.
Manantena fotsiny aho fa hihevitra hanana fahalalahana kokoa ianareo.

Notsikerain'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ny fitazonana an'i Akyol, ka naneho ny fanairany mikasika ny fiakaran'ny tsy fifandeferana ao amin'ny firenena sy ny herin'ny mpitondra ambony mahery fihetsika Islamika ao amin'ny governemanta izy ireo. Manana mponina Miozolmana maro an'isa i Malezia ary milaza ny governemantany fa mampiroborobo ny fomba fijery voalanjalanja momba ny finoana silamo.

SUHAKAM, Vaomieran'ny zon'olombelona ao Malezia, namaritra ny fitazonana an'i Akyol ho toy ny ‘fandotoana” ny lazan'i Malezia amin'ny maha-firenena mahalanjalanja azy:

Such extreme action in our multi-religious, multiracial and moderate Malaysia in our view is repressive, undemocratic and intended to be intimidating. There is no question that this must be stopped by the Government and such actions that reflect hostility, narrow-mindedness and intolerance of civil, intellectual and religious discourse should not be committed again.

Mamoritra, tsy demaokratika ary natao hampatahotra ny fihetsika tafahoatra tahaka izao ao amin'i Malezia maro fivavahana, maro foko sy mahalanjalanja amin'ny fomba fijerintsika. Tsy misy resaka fa tsy maintsy hajanon'ny Governemanta izany ary ny hetsika tahaka izany izay maneho fankahalana, hateren-tsaina sy tsy fandeferana amin'ny resaka sivily, manam-pahaizana sy ara-pivavahana dia tsy tokony ho averina intsony.

G25, vondron'ireo manampahefam-panjakana ambony sy masoivoho taloha, namoaka fanambarana maneho hatezerana manoloana ny ‘fampijaliana’ an'i Akyol:

…the misguided and overzealous JAWI officials chose to arrest this well-known peaceful, moderate, and democratic advocate of Islam and kept him in detention for [18 hours] without proper sleep, which tantamounts to gross mistreatment, if not torture.

… nisafidy hisambotra ity mpiaro ny Silamo malaza, milamina, tony fihetsika sy demaokratika malaza ity ireo manampahefanan'ny JAWI diso taridalana sy mazoto tafahoatra ary nitazona azy nandritra ny 18 ora tsy misy torimaso sahaza, izay mitovy amin'ny herisetra lehibe, na koa fampijaliana mihitsy aza.

Nanameloka ny fanapahan-kevitry ny JAWI ho fanafihana ny demaokrasia sy ny fahalalahana miteny i Eric Paulsen avy ao amin'ny Mpisolovavan'ny Fahalalahana:

This is a most serious assault on democracy and freedom of speech as even now foreign intellectuals who have had some measure of protection are not immune from being targeted by the authorities.

The government must be reminded that disagreement, criticism and condemnation are part and parcel of democracy, and they cannot just arrest those whom they disagree with. Having independent thought and speaking up is not a crime.

Ity no fanafihana lehibe indrindra amin'ny demaokrasia sy ny fahalalaham-pitenenana, satria na dia ireo manam-pahaizana vahiny manana tombontsoa ara-piarovana aza mbola iharan'ny fanenjehan'ny manampahefana ihany.

Tokony hampahatsiahivina ny governemanta fa ny tsy fitovian-kevitra, ny fanakianana ary ny fanamelohana dia ampahany sy sombiny amin'ny demaokrasia ary tsy afaka misambotra izay tsy mitovy hevitra aminy izy ireo. Tsy heloka bevava ny fananana hevitra manokana sy ny fitenenana ho ren'ny rehetra.

Nampitandrina ny Gabungan Bertindak Malaysia, firaisan'ny fikambanana tsy miankina fa mety hanohintohina ny fahalalahana akademika ny fisamborana an'i Akyol:

Do universities and research institutions now need to seek clearance from state religious authorities before having any Muslim speakers on topics involving religion?

Akyol is free now, but Malaysian Muslim academics and intellectuals are not free to speak on religion and comparative religion even in universities.

Mila mangataka alalana avy amin'ny manampahefana ara-pivavahana ao amin'ny fanjakana ve ireo oniversite sy ivon-toeram-pikarohana ankehitriny alohan'ny hamelàna mpandahateny Miozolomana hiresaka lohahevitra mifandray amin'ny fivavahana?

Afaka i Akyol amin'izao fotoana izao, saingy tsy afaka miresaka fivavahana sy fampitahana fivavahana na dia eo anivon'ny oniversite aza ireo mpampianatra ambony sy manam-pahaizana Miozolomana Maleziana.

Jereo ny lahatsary misy ny antsafan'i Akyol avy amin'ny Free Malaysia Today alohoan'ny nialany tao Malezia:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.