Tsy nampoizin'ny maro, tao anatin'izany ireo Aostraliana tsy nahafantatra ny asan'ny ICAN na ny fipoirany tsotsotra tao Melbourne ny taona 2017, ny fanolorana ny “Prix Nobel De La Paix” (Loka Nobel Ho An'ny Fandriampahalemana) ho an'ny ICAN, ilay Hetsika iraisam-pirenena mba Hamongorana Ireo Fitaovam-piadiana Nokleary. Nanamarika ihany koa ireo mpitsikera fa na i Aostralia aza tsy mbola nanao sonia ilay fifanarahana fandraràna ny fanaovana andrana izay naroson'ny ICAN.
Nofidian’ny kaomitin'ny Nobel mitoetra ao Norvezy ny ICAN “noho ny asany miezaka misintona ny saina amin'ireo vokadratsy mahatsiravina ho an'ny olombelona amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana nokleary ary amin'ny ezaka lehibe nataony mba hahavitàna fifanarahana famerana ny karazana fitaovam-piadiana toy izany.”
Amin'ny ankapobeny, nahazo valiny tsara tao amin'ny media sosialy ny fandresen'ny ICAN :
Great work @nuclearban! And it all started in Melbourne! “Nobel Peace Prize Goes to Group Opposing Nuclear Weapons”: https://t.co/JvQKawBABW
— Alex (@AlexEdneyBrowne) October 6, 2017
Asa goavana @nuclearban! Ary niantomboka tao Melbourne izany rehetra izany ! “Azon'ny Vondrona Manohitra Ireo Fitaovam-piadiana Nokleary ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana”
Faly ireo Néo-Zélandais mpifanila vodirindrina mba mahazo kely amin'ilay laza:
Kia ora James! @nuclearban & @NZGreens share: belief a better world is possible; vision to describe it; determination to make it happen ?✊? https://t.co/Qgxo8gSRYG
— Thomas Nash (@nashthomas) October 6, 2017
Kia ora James! @nuclearban & @NZGreens mizara hoe : mino fa azo atao ny manana tontolo tsaratsara kokoa; fomba fijery hamaritana azy ity; ny fanapahankevitra matotra hanao izay hisiany ?✊?
Manazava malaky ny gazety an-tsoratra Aostraliana ao amin'ny Aterineto The New Daily, ny amin'ny anjara asan'ny hetsika manohitra ny nokleary ataon'ny ICAN @nuclearban tamin'ny fandaniana ilay Fifanarahan’‘ny Firenena Mikambana momba ny Fandraràna Ireo Fitaovam-piadiana Nokleary, ny volana Jolay tamin'ity taona ity:
How Melbourne anti-nuclear campaign ICAN @nuclearban won the Nobel Peace Prize: https://t.co/Unetl4aQ2W pic.twitter.com/SOjNQ3fxop
— The New Daily (@TheNewDailyAu) October 8, 2017
Ny fomba nahazoan'ny hetsika ICAN @nuclearban manohitra ny nokleary avy ao Melbourne ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana
Tsy sasatra mihitsy ny ICAN nanao fanentanana hisian'ny fifanarahana iray, indrindra tao amin'ny Vondrona mpandinika asan'ny Firenena Mikambana tao Zeneva taorian'ny niforonany ny taona 2015.
Kanefa, ny sasany nahita ny fandresen'ny ICAN ho marika fotsiny ihany:
They threw alot of expensive parties, and people with no power to do anything signed some papers …. and not a single nuke was “abolished”
— Phoenix Wingman (@Phoenix_Wingman) October 6, 2017
Nanilika ampahany lafo vidy maro izy ireo, ary olona tsy manana fahefana mba hanao na inona na inona no nanao sonia ny taratasy…. ary na iray aza tsy nisy nokleary “nofoanana” .
Na dia firenena 122 aza no nandany ilay fifanarahana, tsy hita tao anatiny ireo fanjakana manana fitaovam-piadiana nokleary. Tsy hanao sonia ilay fifanarahana ny governemanta Aostraliana na teo aza ny fanerena azy hanao izany. Paul Barratt, mpiasam-panjakana ambony Aostraliana, nibitsika izao:
Aussie born group wins Nobel peace prize. Congratulations to Ican, big fail Australian Government. https://t.co/GrVtttBL0A
— Paul Barratt (@phbarratt) October 6, 2017
Vondrona natsangan'ny Aostraliana no nahazo ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana. Arahabaina ny Ican, tsy fahombiazana goavana ho an'ny governemanta Aostraliana.
Namerina ireo fihetsehampo ireo i John Englart, Aostraliana mpikatroka mafana fo :
The work of @nuclearban has come along way in ten years, but Australia still refuses to sign test ban treaty. Our #Shame #Auspol https://t.co/DLuO4ojrmM
— John Englart EAM (@takvera) October 8, 2017
Nivoatra tsara tao anatin'ny folo taona ny asan'ny @nuclearban , saingy mbola mandà tsy hanao sonia ilay fifanarahana fibahanana andrana ihany i Aostralia. #henatra ho antsika #Auspol
Nampangaina ho “jaboady” ireo mpisolo tena an'i Aostralia tany amin'ny fifanarahana famongorana ireo fitaovam-piadiana. Taorian'ny fanambaràna ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, naka io hevitra io i First Dog on the Moon, mpanao saritatra mpiaro an'i Aostralia, :
They give Nobel prizes to weasels now? No they do not. BUT WHAT IF THEY DID? https://t.co/cOM5XOa9kr
— F Onthemoon (@firstdogonmoon) October 9, 2017
Ireo jaboady no emon-dry zareo ny Loka Nobel ankehitriny? Tsia tsy manao izany izy ireo. NEFA AHOANA RAHA NANAO IZY IREO?
Ireo sasany aza nilatsaka niantso ny hanaovana ‘fanarahamaso ny tena zavamisy':
What have they done exactly? North Korea and soon Iran with Nukes, ICAN has failed surely! Can we get Obama's back when Iran starts testing?
— Strayan Drongo (@StrayanDrongo) October 6, 2017
Inona marina no tena nataon'izy ireo ? Korea Avaratra ary tsy ho ela Iràna hanana Fiadiana Nokleary, tsy isalasalana fa tsy nahomby ny ICAN! Afaka mahazo ny hiverenan'i Obama ve isika rehefa manomboka manandrana i Iràna?
Ny praiminisi-panjakana, Daniel Andrews ao Victoria, izay Melbourne no renivohitra, naka ny Facebook mba hampahafantarana ny zavabitan'ny ICAN:
Nisy zavatra tsy mampino nanjo ilay fikambanana natsangan'i Victoria tamin'ny faran'ny herinandro. Nahazo ny Prix Nobel de la Paix io – ary tsy nahazo tsara ny fijery tokony ho azony izy. Miangavy anareo mba hanitsy azy io. Tonony ny anarana ary zarao. Ampahafantaro ny olona rehetra hoe inona ny zavatra afaka vitanay avy ato amin'ity fanjakana kely mahasahy sy mivoatra aty am-paran'ny tany ity.
Fa ireo olom-pirenena toa an'i Cathy Micich kosa nandevilevy mafy : “Inona izany no tena anjara andraikitry Daniel Andrews? Oh, marina izany, mitsambikina mijapy fiarandalamby.”
Medact, mpiara-miasa amin'ny ICAN, mitoetra any Royaume-Uni, mampahatsiaky izao tontolo izao fa mbola ho lava ny làlan'ny ICAN amin'ny fanatrarany ny tanjony mba hibahanana ireo fitaovam-piadiana nokleary rehetra:
Thrilled to be part of the global coalition winning #NobelPeacePrize. Time for UK to sign the #nuclearban treaty and scrap #trident@ICAN_UKpic.twitter.com/4n0z13bbQb
— Medact (@Medact) October 6, 2017
Faly ho anisan'ny fiombonambe manerantany mahazo ny #NobelPeacePrize. Fotoana izao ho an'i Royaume-Uni hanaovany sonia ny fifanarahana #nuclearban ary hitabatabàna #trident@ICAN_UK
ICAN dia mandray anjara. Na naorina tao Melbourne aza io, nakisany ny foibeny ho any Zeneva, Soisa, hatramin'ny taona 2011, mba hanakaiky kokoa ny toerana fandrindràn'ny Firenena Mikambana ireo fifampiresahana famongorana ny fitaovam-piadiana.