‘Mbola Taonan'ny Vato Ve Isika ?’ Maneho Ny Hadisoam-Panantenany Ny Kambodziana Satria Nosakanan'ny Governemanta Ny Tohin'ilay Sarimihetsika “Kingsman”

Petadrindrin'ilay sarimihetsika ‘Kingsman’ sady filazàna avy amin'ny trano fampisehoana sarimihetsika ao an-toerana :  “Noho ny tsy fankasitrahan'ny betsaka ny sehatra sasany ao anatin'ilay sarimihetsika “Kingsman : The Golden Circle” dia tsy ho azo aseho amin'ireo trano fampisehoana sarimihetsika. Miala tsiny indrindra amim-panajàna izahay noho io vaovao io.” Loharano : Facebook

Noraràn'ny governemanta Kambodziana ny fandefasana ilay sarimihetsika Hollywood “Kingsman: The Golden Circle” satria mampiseho ny tempolin'ny Khmer ho foibe miafin'ny tompon'ny zava-mahadomelina.

Tohin'ilay sarimihetsika gidragidra tamin'ny 2014 momba ny sampam-pitsikilovana britanika  iray ilay sarimihetsika.

Bok Borak, tale lefitry ny departemantan'ny horonantsary ao amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Zavakanto no nanazava  ny anton'ilay fandraràna :

Nahita olana vitsivitsy izahay rehefa avy nijery ilaysarimihetsika. Ampiasainy ho toerana itobian'ireo mpampihorohoro sy hanakorontanany izao tontolo izao ny tany sy ny tempoly kambodziana.

Tsy voafaritra mazava ilay tempoly ao amin'ilay sarimihetsika saingy mitovy amin'ny Ta Prohm, izay nampiasaina ihany koa ho foiben-toerana tamin'ilay sarimihetsika Hollywood “Tomb Raider” tamin'ny 2001 izay nanasongadina ilay mpilalao Angelina Jolie.

Simon Choo avy amin'ny Westec Media, izay voatendry hanaparitaka ilay sarimihetsika dia nanamafy fa efa nobahanana tsy ho ao amin'ilay sarimihetsika mihitsy ny fanondroana an'i Kambodza mba hahafaly ny komity mpanao sivana ao amin'ny firenena :

Efa nosakananay aza ny anarana hoe Kambodza ary tsy hita na aiza na aiza izany anarana izany. Tsy azon'ny sarimihetsika rehetra atao ny mampiseho an'i Kambodza ho paradisa … Ilainareo ny miatrika ny zava-misy : misy mpanao heloka bevava daholo ny firenena rehetra

Araka ny efa nampoizina, dia naneho ny hadisoam-panantenany tamin'ilay fanapahankevitra fandraràna ilay sarimihetsika ireo mpankafy Kambodziana sarimihetsika . Nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny ilay mpisera Singhtararith Chea : ” Mbola amin'ny Taonan'ny Vato ve isika ?”

Nampahatsiahivin'i Somchanrith Chap tao amin'ny Facebook ihany koa ho an'ireo mpanao sivana fa ‘anganongano’ ilay sarimihetsika :

Efa hitako, efa im-betsaka ny fandravan'ireo olon-dratsy sy ireo olona tsy mponin'ny tany (extra-terrestre) an'i New York City saingy tsy raharahain'ny olona satria ANGANO izany.

Hafahafa ihany koa ny fahitany izany satria tahaka ny “toerana mahalasa vinany” ny nitantaran'ireo komity ny fanehoana ny tempolin'ny Ta Prohm ao amin'ilay sarimihetsika  “Tomb Raider” :

Raha tsy tsikaritrareo, tsy misy na inona na inona mahafinaritra na ny momba ilay halatra na ny fampiasana ireo Kambodziana ho toy ny andevo namakiana ny varavaran'ilay tempoly fahagola. Saingy tsy nisy olona niraharaha . Nahoana ? Satria anganongano izany. Mba ialao izany.

Nizara fomba fijery mitovy amin'izany ilay mpisera iray hafa ao amin'ny Facebook, Reaksmey Yean  :

Mampihomehy izany, tsy afaka mino aho hoe ireo antsoina ho manampahaizana no tsy hahay hanavaka ny sarintsariny sy ny tena izy.

Ho anareo manampahaizana malalako ! Te-hampahafantatra anareo fotsiny aho fa tsy misy fetrany ny famoronana, ary ity sarimihetsika ity dia iray amin'ny endriky ny zava-misy maro, maro endrika , maro sosona. Tokony hanomboka hianatra ny fomba fankatoavana azy ianareo, na tsy tianareo aza izany dia amin'ny fankatoavanareo azy no hanajànareo ny fahalalahan'ny fanehoankevitry ny hafa — amin'ity tranga ity, dia ny mpamorona ilay sarimihetsika.

Nampiasain'ny mpisera amin'ny Twitter, Peter Ford, ny tenifototra hoe #hunsanity izay manao tsilian-tsofina ny Praiministra Hun Sen, mpitondra ny firenena nandritra ny telopolo taona lasa :

Mahafaly ny mahita ireo Kambodziana manampahefana mifantoka amin’ izay tena zava-dehibe : Fandraràna ny #Kingsman2

Efa nanakana sarimihetsika Hollywoodiana mitantara herisetra na resaka firaisana ara-nofo tafahoatra toy ny sarimihetsika “Fifty Shades of Grey,” i Kambodza, fa ity no sarimihetsika sambany mba noraràn'ny fitondrana tato anatin'ny taona vitsivitsy noho ny “sary ratsin'ny” firenena asehony.

Manamafy ny tsindry ataon'ny governemanta amin'ny fahalalahan'ny fanehoankevitra ihany koa ilay sarimihetsika. Hatramin'ny Septambra 2017, toeram-pandefasana onjampeo 30 no nakaton'ny governemanta noho ny resaka fahazoandàlana sy hetra. Voatery nanajanona ny asany ihany koa ilay gazety mpiseho isanandro amin'ny teny Angisy, taorian'ny nikapohan'ny governemanta azy tamin'ny taratasin-ketra ambony be.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.