Miresaka Momba Ny Fandresen'i Obama Tao Iowa Ny Bilaogera Iraniana

(Fanamarihana: lahatsoratra efa tamin'ny Janoary 2008)

Bilaogera Iraniana maromaro no miresaka momba ny fandresen'ilay kandidà ho filoha amerikana, Barack Obama, tao Iowa. Ity no fifaninanana fanendrena voalohany amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena taona 2008. Faly tamin'ny fandresen'i Obama ny sasany, raha nanombana mikasika ny fiantraikan'ny “Obama ho filoha” amin'ny fiainana ara-politika Iraniana kosa ny hafa.

Farhad Afshar nandinika momba ny ankabeazan'ny mponina any Iowa izay fotsy hoditra avokoa kanefa nifidy kandida mainty hoditra. Manoratra ihany koa ilay bilaogera hoe:

… the whispers of a Democratic candidate winning the US presidential election could soften the dark and frozen atmosphere in Iran. Iran's current president – Mahmoud Ahmadinejad – was elected two years ago to face the foreign threat of having Iran considered a part of the ‘axis of evil’. Two years ago, Iran could have been attacked any moment, and a person was chosen to counter the foreign pressure. If the foreign threat diminishes, a slow democratic movement can go forward. Obama's ideas on foreign affairs and Iran make reformists happy… maybe some do not know but peace and dialogue is like poison for a group whose political existence relies on violence and war.

… Mety hanalefaka ny rivotra maizina sy mangatsiaka ao Iran ny bitsibitsik'ilay kandidà Demaokraty mandresy amin'ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana. Voafidy roa taona lasa izay ny filoham-pirenena Iraniana ankehitriny- Mahmoud Ahmadinejad –  mba hiatrika ny fandrahonan'ny vahiny mihevitra an'i Iran fa ampahany amin'ny ‘fikambanan-dehiben'ny ratsy’. Roa taona lasa izay, mety nisy nanafika amin'ny fotoana rehetra i Iran, ary nisy olona iray voafidy hanohitra ny faneriteren'ny vahiny. Raha mihena ny fandrahonan'ny vahiny, afaka mandroso ny hetsika demaokratika miadana. Mahatonga ny reformista ho faly ny hevitr'i Obama momba ny raharaham-bahiny sy i Iran … angamba ny sasany tsy mahafantatra, fa ny fandriampahalemana sy ny fifanakalozan-kevitra dia toy ny poizina ho an'ny vondrona izay miankina amin'ny herisetra sy ny ady ny fisiana ara-politika.

Neghano kosa nandray ny fifidianana Amerikana ho fandresena goavana amin'ny demaokrasia ary nilaza fa vokatry ny ezaka sy ny tolon'ny fiarahamonim-pirenena nandritra ny 300 taona, sy tsy ho vita indray alina ny demaokrasia any Etazonia.

Nikahang Kosar, mpanao sariitatra sady mpanao gazety nilaza fa “fanovàna” ny hafatr'i Obama ary manohana azy ny tanora, na dia toa mbola mety ho voafidy amin'ny fanjakana maro aza i Hillary Clinton. Nilaza koa ity bilaogera ity fa Hussein no anarana fanampiny an'i Obama, ka mety hampino ny olona ny haino aman-jery elatra ankavanana fa mifamatotra amin'ny islamista mahery fihetsika izy. Nilaza i Nikahang fa maro ireo Amerikana matahotra ny anaran'ny Miozolomana sy Islamika. Farany, nanampy ilay bilaogera fa raha mandresy amin'ny fifidianana filoham-pirenena i Obama, dia ho tanteraka ihany ny nofinofin'i Martin Luther King.

Tsy nazava tamin'i Amin ny tontolo ara-pinoan'i Obama. Na dia niresaka momba ny finoana Kristiana ao amin'ny Obama aza ny media, nilaza ity bilaogera ity fa eo an-dalana ho lasa filoha Amerikana manaraka ny Miozolomana iray mainty hoditra. Nilaza koa ilay bilaogera fa te-hahatonga ny olona hino ny haino aman-jery elatra ankavanana fa Islamista mahery fihetsika i Obama, saingy maro no mihevitra fa Miozolomana laika izy.

Nilaza i Nonoghalam fa tsy dia nilaza zavatra betsaka momba an'i Obama tsy tahaka ireo kandidà rehetra ny gazety malaza Israeliana, Haaretz. Araka ny voalazan'ilay bilaogera, ny tena nisongadina dia ny fanohanana miharihary an'i Israely avy amin'ny kandidà tsirairay. Te hiresaka mivantana amin'i Iran i Barack.

Farrad02 nanoratra tao amin'ny bilaogy Iranian.com:

… the basic reason for Hillary's fizzle (in my view) was the fact that she forgot the most important rule of American electioneering: In the party primaries you run as a passionate radical (in her case as a far left liberal) to ensure the maximum appeal to your party's faithful base! Then once you have won the nomination, you move back to the center and run for the national elections as a centrist! I'm very surprised that Hillary forgot this basic rule and has been running a centrist campaign, as if she has already won the nomination and she is running against the Republican finalist!

… Ny antony fototra mahatonga ny faharesen'i Hillary (raha ny fijeriko) dia ny zava-misy fa nanadino ny fitsipika manan-danja indrindra amin'ny fifidianana Amerikana izy: Ao amin'ny antokon'olom-pirenena, mirotsaka ho hiringiriny feno fientanam-po ianao (mikasika azy noho izy liberaly ankavia) mba hiantohana antso be indrindra amin'ny fototra mahatokin'ny antokonao! Raha vantany vao nahazo ny fanendrena ianao, dia miverina any afovoany ary mirotsaka amin'ny fifidianana nasionaly amin'ny maha afovoany! Gaga be aho fa adinon'i Hillary io fitsipika fototra io ary nanao fampielezan-kevitra afovoany izy, toy ny hoe efa nahazo ny fanendrena izy ary mirotsaka hofidiana hanohitra ireo finalista Repoblikana!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.