Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Oktobra, 2017
Hong Kong : 40 Taona Aty aoriana, Mitsahatra Ny Fanontàna Ny Gazetiboky Manohitra Ny Kaominista
"Te-hanoratra zavatra aho nefa tsy mahita ho lazaina. Amin'ny vanim-potoana tahaka izao, inona no azoko ambara?
Nihomehezan'ny Olona Ireo Tomponandraikitra ao Tajikistan Mangataka Amin'ny Wikipedia Hanitsy Ireo ‘Tsipelina Diso’
"Maimaim-poana sady ho an'ny rehetra ny [Wikipedia] ... Hadalàna ny fangatahana famoahana avy aminà loharano iray izay azon'ny olona rehetra avoaka"
Fizahan-tany, Vietnam Silamo & Bilaogy
IranMehr (Persiana) miresaka momba ny olan'ny indostrian'ny fizahan-tany any Iran. Nanoratra izy na dia eo aza ireo manintona ao amin'ny firenena toy ny tsangambato mana-tantara, ireo tanàna fahiny, sy ny tontolo iainana.
Mihen-danja Ve Ny Fitsarana Ao Zeorzia Sovietika Taloha?
Raha mbola mahatàna toerana tsara hatrany i Zoerzia ao anatin'ny fandahàrana erantany momba ny fahefan'ny lalàna, dia mihena kosa ny fitokisan'ny vahoaka ny rafi-pitsarana.
Bilaogera & Raharaha Nokleary
Tatitra momba ny fandaharan'asa nokleary Iraniana nalefan'ny IAEA tany amin'ny Filankevitry ny Fiarovana ao amin'ny Firenena Mikambana. Manana zavatra maro hozaraina mikasika ity hetsika lehibe ity ny bilaogera.
Iran: Bilaogera Mety Hiatrika Fiampangana ‘Fihantsiana Ady Amin'Andriamanitra’
Misy ny fitomboan'ny ahiahy fa mety ho voampanga amin'ny moharbeh (mihantsy ady amin'Andriamanitra / fankahalàna an'Andriamanitra) amin'ny fotoam-pitsarana ho avy i Shiva Nazar Ahari, mpikatroka ny zon'olombelona, bilaogera sady tonian-dahatsoratry ny tranonkalan'ny Komity ny Mpitati-baovao momba ny Zon'Olombelona ao Iran izay migadra any am-ponja.
Iran: Mitombo Ny Disadisa Satria Efa Akaiky Ny Andron'ny Mpianatra
Nanomana fihetsiketsehana goavana ny mpanohitra Iraniana amin'ny Alatsinainy 7 Desambra satria manamarika ny Andron'ny Mpianatra fanao isan-taona i Iran, fahatsiarovana ny famonoana ireo mpianatra telo tamin'ny taona 1953.
Ireo Libaney Mpitoraka Bilaogy (Herinandron'ny 26 Martsa 2006): Tsy Be Resaka Politika, Zavatra Maromaro Kokoa
Noho izany, raha toa ianao ka te-hahafantatra kokoa mikasika ny Jiosy Libaney sy ireo Pelaka any Afovoany Atsinanana, ny tetika fikomian'ireo mpamily fiarakaretsaka, fandikàna SMS teny Arabo ho amin'ny Anglisy, ary ny hoe nahoana ireo Libanye any Brezila no mety hampidina ny tahan'ny famakiana, vakio ato.
Barhain: Toy Ny Adidy Nasionaly Ny Fampirafesana
Raha maro ireo mitady asa ao Bahrain, Silly Bahraini Girl [Ang], kosa izay monina ao Kanadà amin'izao fotoana izao, tsy mahandry ny fotoana hodiany an-tanindrazana hanaovana fitsidihana iray, satria tsy mila manao na inona na inona intsony izy.
Nosakanan'ny Polisy Sy Ny Andian'Olona Anti-Komonista Tsy Hiresaka Momba Ny Vono Olona Taona 1965 Tao Indonezia Ireo Vondrona Mpiaro Ny Zon'Olombelona
Ny tsy fihetsehan'ny polisy hanakana ity herisetra ity dia manampy amin'ny fanimbana ny demokrasia sy ny fanitsakitsahana ny zon'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fivoriana ao Indonezia.