Nahomby Ve Sa Tsia Ny Famorian'Olona An'Arivony Tao Malezia Manohitra ny Fanjakazakan'ny Halatra Ataon'ny Governemanta?

Nifarana tamim-pilaminana ny famoriam-bahoaka tao Kuala Lumpur manohitra ny fanjakazakan'ny halatra. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i Pakatan Harapan

Natao ny 14 Oktobra 2017 tao an-drenivohitra Kuala Lumpur ao Malezia ny fihetsiketsehana notarihan'ny mpanohitra mba hanamelohana fanjakan'ny halatra ataon'ny governemanta.

Nahavory olona miisa 25.000 izy ireo araka ny voalazan'ny Pakatan Harapan, fiaraha-mitantan'ny mpanohitra izay nikarakara ny famoriam-bahoaka. Saingy nilaza ny polisy fa olona miisa 4000 fotsiny no nanatevin-daharana ilay hetsika. Nampiseho ny isan'ny mpandray anjara teo anelanelan'ny 8.000 ka hatramin'ny 10.000 ny ankamaroan'ny fampahalalam-baovao.

Mitondra ny lohahevitra hoe “Sayang Malaysia, Hapuskan Kleptokrasi” (“Tiavo i Malezia, Farano Ny Fanjakan'ny Halatra ataon'ny Governemanta “), ny hetsika dia mikendry ny hampiray ireo Maleziana amin'ny fanamelohana ny Praiminisitra ankehitriny Najib Razak izay tafiditra ao anatin'ny tantara ratsy momba ny kolikoly. Voampanga ho nanodina vola maherin'ny 600 tapitrisa dolara amerikana i Najib tamin'ny alalan'ny fikirakirana vola tsy ara-dalàna izay nahavoarohirhoy  ny orinasam-panjakana mpamatsy vola 1Malaysia Development Berhad (1MDB).

Nandritra ny famoriam-bahoaka,  nangataka ny fanohanan'ny vahoaka ireo mpanao politika mpanohitra mba hanala ny  antoko eo amin'ny fitondrana amin'ny fifidianana manaraka.  Nanomboka tamin'ny taompolo 1950 no efa teo amin'ny fitondrana ny Fikambanam-pirenena Maleziana Tafaray.

Misaotra anareo tonga eto, ry Maleziana namana! Tiavo Malezia, Avoty Malezia!

Nampisara-bazana ny politika Maleziana ny tantara ratsin'ny 1MDB. Niteraka fiitaran'ny hatezeram-bahoaka izay nitarika famoriam-bahoaka goavana manerana ny firenena izany mba hitakiana ny fialan'i Najib. Na dia ny Praiministra teo aloha Mahathir Mohamad aza dia nangataka ampahibemaso ny fanesorana an'i Najib, ilay narovany teo aloha.

Ny hetsi-panoherana manohitra ny fanjakazakan'ny halatra ataon'ny governemanta 14 Oktobra no noheverina ho tampon'ny fanentanana fampahafantarana nandritra ny roa volana avy amin'ny Pakatan Harapan. Nikendry hahazo vahoaka miisa 100 000 ny fiaraha-mientana tany am-boalohany.

The number of people who ended up joining the rally was many times smaller compared to the 100,000 anti-corruption protesters who gathered in the capital in 2015.

Kely lavitra dia lavitra raha oharina tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana miisa 100.000 nanohitra ny kolikoly izay nivory tao an-drenivohitra tamin'ny taona 2015 ny isan'ireo olona izay nanatrika ihany ny famoriam-bahoaka .

An'arivony fa tsy ireo olona miisa 100.000 araka ny nantenain'izy ireo no tao amin'ny famoriam-bahoaka manohitra ny fanjakazakan'ny halatra ataon'ny governemanta .

Nisy isankarazany ny fomba fijery momba ny antony hoe nahoana ny famoriam-bahoaka nataon'ny Pakatan Harapan no ‘mangingina’ nahazo olona vitsy kokoa tsy araka izay nantenaina.  Nisy ny fanomeza-tsiny ny tsy fisian'ny fiomanana nataon'ireo mpikarakara, ny tsy fahombiazan'ny fandresen-dahatra ireo tanora hanatevin-daharana ny hetsi-panoherana, ny fibahanan-toeran'ny mpanao politika tao amin'ny fandaharam-potoana ary ny antson'izy ireo tamin'ny fifidianana an-kafetsena, ary ny hafatra fototry ny famoriam-bahoaka izay nifantoka be loatra tamin'ny kolikoly fa tsy tamin'ny filàna ara-toekaren'ny olom-pirenena tsotra.

Nanasongadina ny fanehoan-kevitry ny iray tamin'ireo mpamakiny, PolitiScheiss, izay nanadihady ny fandaharan'ilay famoriam-bahoaka ilay bilaogera sady mpikatroka Anil Netto:

…the speakers were too heavy on condemnations of corruption, kleptocracy, the 1MDB issue.. and shouts of “Reformasi!” [reformation or change] instead of saying more about how a Pakatan government, if elected, will deal with issues such as the rising cost of living, unaffordable housing prices, public transit, declining education standards, affordable public healthcare, the problem of flash floods, environmental degradation and so forth.

… nirona loatra tamin'ny fanamelohana ny kolikoly, ny fanjakan'ny fangalarana ataon'ny governemanta, ny raharaha 1MDB. ary ny fitakiana ny “Reformasi!” [Fanavaozana na fanovana] ireo mpandahateny .raha tokony hilaza bebe kokoa momba ny fomba hiatrehan'ny governemanta Pakatan, raha voafidy, ny olana toy ny fidangan'ny vidim-piainana, ny trano fonenana lafo vidy, ny fitateram-bahoaka, ny fitotonganan'ny fanabeazana, ny fahasalamam-bahoaka ho an'ny be sy ny maro, ny olan'ny tondra-drano tampoka, ny fahasimban'ny tontolo iainana sy ny sisa izy ireo.

Mbola hojerena na nahomby na tsia tamin'ny fampitomboana ny hery ara-politika sy fifidianan'ny Pakatan Harapan ny  fihetsiketsehana; ny azo antoka dia ny hoe tsy nahomby tamin'ny fanentanana vahoaka marobe izy ireo izay tena manan-danja amin'ny drafitry ny hetsi-panoherana goavana manohitra ny kolikoly ao amin'ny firenena.

Mampiseho ny hetsi-panoherana ny lahatsary eto ambany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.