Afrika Atsimo: Mahita marimaritra iraisana ao anatin'ny “ady ara-pirazanana”

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tsy daltoniana tokoa ny Afrikana Tatsimo. Ny efa-polo taonan'ny apartheid no niantoka fa raiki-tapisaka ao am-po sy ny sain'ny olom-pirenena maro ao Mzansi (araka ny ahafantarana ny firenena ao an-toerana) ny hevitra momba ny firazanana. Ny fiandohan'ny demokrasia tamin'ny taona 1994 no niteraka fanantenana ho amin'ny fiarahamonina mitovy tantana, afaka amin'ny fitsarana an-tendrony amin'ireo lalàna manavakavaka izay nampisaraka ny Afrikana Tatsimo nandritra ny fotoana maharitra. Na izany aza, enina ambin'ny folo taona lasa izay, miha-miharihary fa enta-mavesatra hitoloman'ny Afrikanina Tatsimo mba horesena ny firazanana sy ny fanilikilihana mifandraika amin'izany.

Miaraka toy ny iray! Sary:myweku.com 

Raha tsaraina avy amin'ny tontolon'ny bilaogy, toa leon'ny fametahana anarana azy ny Afrikana Tatsimo ary tsy maharitra fa te hahita marimaritra iraisaina. Maneho ireo fihetseham-po ireo i Ryland Fisher:

In fact, I have been amazed when I travel overseas and we are all just considered to be South Africans, because that is where we come from. However, as soon as we return home, we again attach our various identities. So then we become African or African black or black African, coloured or so-called coloured, Indian, Chinese (or black), white or in the minds of some people who would like to perpetuate apartheid, European.
We disintegrate into Xhosas and Zulus, Tswanas and Pedis, Vendas or Sothos. We become Tamils or Hindus, Muslims or Christians or Jews. I am not saying that there is something wrong with all these multiple identities but when we use our identities as a weapon against others, as we tend to do in South Africa, then I think there is a problem.

Raha ny marina, gaga aho rehefa mandeha any ampitan-dranomasina ary heverina fotsiny ho Afrikana Tatsimo isika rehetra, satria avy any no iaviantsika. Na izany aza, raha vao tafaverina any an-tanindrazana isika dia mametraka indray ny maripanondroana hafa antsika. Noho izany, lasa Afrikana na Afrikana mainty hoditra na mainty hoditra Afrikana isika, miloko na lazaina hoe miloko, indiana, shinoa (na mainty), fotsy na ao an-tsain'ny olona sasany izay te-hampanjaka ny fanavakavaham-bolonkoditra, Eoropeana.
Nisaratsaraka ho Xhosas sy Zulus, Tswanas sy Pedis, Vendas na Sothos isika. Lasa Tamoul isika na Haindò, Silamo na Kristianina na Jiosy. Tsy milaza aho hoe misy zavatra tsy mety amin'ireo fanondroana rehetra marobe ireo saingy rehefa mampiasa ny maha-isika antsika ho toy ny fitaovam-piadiana hanoherana ny hafa, tahaka ny ataontsika aty Afrika Atsimo dia mieritreritra aho fa misy ny olana.

Ny fampiasana “fanondroana ho fitaovam-piadiana”, araka ny voalazan'i Ryland, dia zavatra mahazatra ny Afrikana Tatsimo. Indraindray dia antsoina hoe “mametaka karatra firazanana” izany. Toa matetika ampiasaina ny firazanana mba hiezahana handresena amin'ny hevitra na hilazana hevitra iray. Raha ny marina, nanjary nalaza ny teny hoe karatra firazanana ka na ny tanora Afrikana Tatsimo aza namokatra karatra mivaingana ary nivarotra azy ireo araka izay azo jerena ato.

Na izany aza, raha mandroso kokoa amin'ny lasitry ny aterineto, toa mahatsapa tokoa ny hafa fa efa mandeha ny fiovana. Toa miova ireo Afrikana Tatsimo avy amin'ny sarangam-piainana rehetra, na inona na inona fizarazarana toa aparitaky ny fampahalalam-baovao mahazatra.

Tena be fanantenana momba ny toetry ny fifandraisana ara-pirazanana ao Afrika Atsimo ny tenin'i David Gemmell’:

A few years ago, when my daughter was at junior school, we arranged for me to collect her and a friend, to go to movies. When confirming our plans I asked which friend she would be bringing.
“Mel,” she said. “Remind me, who is Mel?” I asked in typically vague father style. “She's the slightly plump girl with glasses that came to my party – you've met her.”
When I picked them up, the most striking thing about Mel was that she was black. My 14-year-old daughter didn't seem to think the colour of someone's skin was useful to describe people. All my friends have similar stories.

Taona vitsy lasa izay, rehefa nianatra tany amin'ny sekoly ambaratonga faharoa ny zanako vavy, niomana haka azy sy ny namany izahay mba hijery horonantsarimihetsika. Rehefa nanamafy ny programanay, dia nanontaniako izy hoe iza no namana tiany hoentina miaraka aminay.
“Mel,” hoy izy. “Ampahatsiahivo ahy, iza moa i Mel?” Nanontaniako tamin'ny fomba manjavozavo tahaka ny fomba fanontanian'ny ray. “Izy ilay tovolahy kely botabota manao solomaso tonga namonjy ny fetiko – efa nihaona taminy ianao.”
Rehefa naka azy ireo aho, ny zavatra tena mahavariana indrindra momba an'i Mel dia mainty hoditra izy. Toa tsy mihevitra ny zanako vavy 14 taona fa ny volonkoditra dia ilaina rehefa mamaritra ny olona. Manana tantara mitovy amin'izany ny namako rehetra.

One-Eye-Only manana tantara tahaka izany:

Yup, the white folks and the black folks and the coloured folks and old folks and young folks and gay folks and breeder folks all danced together. If Nelson Mandela had seen it he would have orgasmed. South African folks, dancing together, to classic South African music. Really, this divisive shit we like to espouse all day gets over-ridden by what happens when we all get together with a few drinks…

Eny, niara-nandihy ireo vahoaka fotsy hoditra sy ireo vahoaka mainty hoditra sy ireo vahoaka metisy sy ireo antitra sy tanora sy ny pelaka ary ireo mpiompy. Raha nahita an'izany i Nelson Mandela, dia mety nientanentana. Ireo vahoaka Afrikana Tatsimo, niara-nandihy, tamin'ny mozika klasika afrikana tatsimo. Eny tokoa, efa resin'ny zava-nitranga ity ny zava-maloto tiantsika nefa mampizarazara rehefa tafaraka miara misotrosotro iny isika …

Ny amboara eran-tany FIFA ho avy koa dia nanampy tamin'ny fitomboan'ny rehareha sy ny fiarahan'ny fiarahamonina afrikana tatsimo. Maro amin'ireo Afrikana Tatsimo no naneho ny reharehany sy ny fahatokisany ny firenena amin'ny fampisehoana ny sainan'i Afrika Atsimo amin'ny fiaran-dry zareo, araka ny fanazavan'ny African Crisis:

The interesting thing is that it is not only black motorists who are flying the flags. A surprising number of white drivers have flags on their cars

Ny zavatra mahaliana dia tsy ireo mainty hoditra mpitondra fiara ihany no mitondra sainam-pirenena. Fa marobe mahavariana koa ireo fotsy hoditra mpamily mitondra sainam-pirenena.

Angamba manome fihetseham-po tsara indrindra amin'izao fotoana izao i Dogs of War

South Africa belongs to all of us. A guaranteed way to for all to succeed is for South Africa to succeed. Take my word, South Africa will succeed.

Antsika rehetra i Afrika Atsimo. Ny fomba azo antoka ho an'ny rehetra mba hahombiazana dia ny fahombiazan'i Afrika Atsimo. Raiso ny teniko, hahomby i Afrika Atsimo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.