Mozambika: Miankina amin'ny fanampiana ara-bola

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Miankina amin'ny vola avy amin'ny governemanta hafa izay manome fanampiana mivantana ho an'ny tetibolam-panjakana i Mozambika, izay mahatonga ny fisian'ireo tolotra ilaina tahaka ny fahasalamana sy ny fampianarana.

Nandritra ny taona maro, nisy ny tsara sy ny ratsy tamin'ny fifandraisana eo amin'ireo firenena “mpanome fanampiana”, sy ny governemanta Mozambikana, izay mitoetra eo an-tanan'ny antokon'ny fitondrana matanjaka. Ary samihafa ireo firenena mpanome fanampiana, avy ao Eoropa, Amerika Avaratra ary Azia, ary tsy dia niasa niaraka niray feo izy ireo.

Hatramin'ny faramparan'ny taona 1990, nitaky porofon'ny fanatsarana ny “fitantanana” –  momba ny kolikoly, ny fanatsarana ny fandraisana andraikitra sy ny firenena tan-dalàna ny ankamaroan'ny firenena mpanome fanampiana. Natao mazava tamin'ny fifanekena an-tsoratra teo amin'ireo firenena mpanome fanampiana sy Mozambika ireo fitakiana ireo.

Mbola tsy voavaha eo imason'ireo firenena mpanome fanampiana ny raharaha famonoana olo-malaza ambony roa nanadihady momba ny kolikoly tamin'ny taona 2000 sy 2001. Nampahatsiahy ny fitsaràna vao haingana an'ireo mpitantana ny Seranam-piaramanidina Mozambikana, orinasam-panjakana, voampanga ho nanao fanodikodinam-bola an-tapitrisa dolara tamin'ny volam-panjakana fa mbola mitombo hatrany ny kolikoly.

Sary avy amin'ilay mpisera Flickr Sida – Fiarahamiasa iraisampirenena soedoà ho an'ny fampandrosoana

Na izany aza, azo antoka ny milaza fa, hatramin'ny nanapahan'i Soeda hevitra hampihena ny fanohanany ny tetibola Mozambikana tamin'ny taon-dasa, tsy fantatra mihitsy ny ankamaroan'ny disadisa eo amin'ny firenena mpanome fanampiana sy ny governemanta mandray fanampiana. Fanampin'izany, niteraka fifandiran'ny vahoaka ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny herintaona, satria notoherin'ireo mpanome fanampiana ny fitantanana ny fifidianana.

Joseph Hanlon, mpandalina momba an'i Mozambika efa hatry ny ela, sady mpanao gazety sy profesora ao amin'ny Open University, nanome sehatra iray manontolo tao amin'ny tranonkalany, miresaka momba ny “fitokonan'ny mpanome fanampiana” tamin'ny taona 2010. Nofintininy hoe:

Budget support donors (G19) sent two letters to government in December 2009, demanding rapid moves on electoral law reforms, corruption, conflict of interest, and the overlap between the Frelimo party and the state. Budget support was suspended. On 5 February 2010 Aiuba Cuereneia, Minister for Planning and Development and the main government negotiator with the donors, sent a reply [letter] to the G19, setting out the government position and making few concessions. […] Negotiations in early March led to an agreement announced 24 March and a resumption of the flow of money.

Nandefa taratasy roa ho an'ny governemanta ireo mpanome fanampiana ara-bola (G19) tamin'ny Desambra 2009, mitaky fanovana haingana amin'ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana, ny kolikoly, ny ady tombontsoa, ary ny fifangaroan'ny antoko Frelimo sy ny fanjakana. Naato ny fanohanana ny teti-bola. Ny 5 Febroary 2010, nanome valin-teny (taratasy) ho an'ny G19 i Aiuba Cuereneia, Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Fampandrosoana ary ny mpanelanelana voalohan'ny governemanta niaraka tamin'ireo mpanome fanampiana, mampiseho ny fomba fijerin'ny governemanta sy manao fanekena vitsivitsy. […] Ny fifampiraharahana tamin'ny voalohandohan'ny volana Martsa dia nitarika fifanarahana iray nambara ny 24 martsa sy fitosahan'ny volabe indray.

Nanomboka adihevitra tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Mozambikana tamin'ny volana Martsa i Edígio Vaz, miresaka momba ny fahatapahan'ny fifandraisana teo amin'ireo firenena mpanohana sy ny governemanta

O maior problema do Governo, segundo os doadores, foi sempre o de ter aceitado as metas, indicadores de desempenho e objectivos negociados com os doadores no âmbito do PAP sem que contra eles apresentasse qualquer resultado tangível ou relatório de progresso circunstanciado, como acordado.

A demora, as manobras dilatórias, as desculpas, os relatórios generalistas e muitas vezes prolixos, contrastam com o avantajado estado quase capturado em que o Estado se encontra, pela gang cleprocrata incrustada aos vários níveis da gestão da coisa pública.

Ny olana goavan'ny governemanta, araka ny filazan'ireo mpanome fanampiana dia ny fanekena hatrany ny tanjona, ny famantarana ny fahombiazana sy ny tanjona, nifampiraharahana tamin'ireo mpanome fanampiana ao amin'ny PAP [Fiarahamiasa Fandaharan'asa Fanampiana], kanefa tsy mampiseho vokatra azo tsapain-tanana na tatitra mazava ho azy ireo, araka ny efa nifanekena.

Ny fahatarana, ny fihisarana, ny fialan-tsiny, ny tatitra ankapobeny sy belazao, dia mifanohitra amin'ny fakàna mialoha ny fanjakana ataon'ny vondrona manampahefana voahozona hangalatra napetraka amin'ny ambaratonga isan-karazany amin'ny fitantanana ny fananam-bahoaka

Mamaritra ny taratasy 18 pejin'ny governemanta ho an'ireo mpanome fanampiana, ho toy ny “tifi-danitra tsy azo alaina intsony” i Vaz. Saingy nanome tsiny ireo firenena mpanome fanampiana ihany koa izy.

… A megalomania do grupo dos PAP foi manifesta, ao ponto de lhes ter entorpecido a inteligência, necessária para o discernimento entre factos, necessários para servir de base para a tomada de decisão

… Niharihary ny fiedinedin'ny vondrona PAP [Fiarahamiasa Fandaharan'asa Fanampiana], noho ny fanandomboana ny haranitan-tsain'izy ireo, ilaina hanavahana ny zava-misy mahasoa amin'ny fanapahana hevitra.

Tamin'ny fijeriny, nanasazy ny fidiran'ny governemanta Frelimo “vaovao” taorian'ny fifidianana tamin'ny volana Oktobra ireo firenena mpanome fanampiana, anisan'izany ny praiminisitra vaovao,  manakana azy tsy hanomboka fandaharan'asa ara-tsosialy vaovao.

Saingy namaly an'i Vaz ireo mpamaky, mampahatsiahy fa firenena marobe mpanome fanampiana no mijaly amin'ny krizy ara-toekarena henjana. Zenaida Machado nanoratra hoe [Pt]

Em alguns países europeus há e haverá cortes drásticos de orçamento 2010/11 e que de certeza, irão afectar o OGE/2011 de Moçambique.

Mesmo assim, acho que esta ‘crise’ europeia veio mesmo a calhar e serve de castigo/lição para as nossas ‘instituições’ politicas e governamentais

Any amin'ny firenena Eoropeanina sasany, misy ary hisy ny fampihenana henjana ny tetibola amin'ny taona 2010/11 ary azo antoka fa hisy fiantraikany amin'ny tetibolam-panjakana Mozambika amin'ny taona 2011 izany.

Na izany aza, heveriko fa ny fotoanan'ity “krizy” ity dia toy ny sazy/lesona ho an'ny andrim-panjakana governemantaly sy ara-politika ao amintsika.

Naneho hevitra somary mahatsikaiky ny sasany, tahaka ilay sariitatra nasehoan'i Carlos Serra, izay nampiseho ny governemanta Mozambikana  tezitra tamin'ny “milina mpanome vola” [pt].

Araka ny filazan'ny governemanta Mozambikana, tsy nisy fiantraikany tamin'ny asa mahazatra ny fahatarana vokatry ny fifampiraharahana momba ny fanampiana tamin'ity taona ity, satria mbola eo am-pamaranana ny tetibola 2010 mandritra ny “fitokonan'ny mpamatsy vola”. Saingy nahita i Vaz fa:

De uma ou de outra forma, fica claro que as duas partes precisam de aprimorar os mecanismos de comunicação, diálogo político e acima de tudo, serem realistas nas decisões e compromissos que acordarem.

Amin'ny lafiny iray na hafa, mazava tsara fa tsy maintsy manatsara ny fomba fiasan'ny fifandraisana, ny fifanakalozan-kevitra ara-politika, ary indrindra indrindra, ny ho tonga saina amin'ny fanapahan-kevitr'izy ireo sy ny fanoloran-tena ataon'izy ireo ny roa tonta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.