Ao anatin'ny famoretana ny fihetsiketseham-panoherana governemanta, manome voninahitra ireo nodimandry ny Nikaragoana

Antsipirian'ny sary vita Pictoline ary nozaraina ampahibemaso hitaterana ny fihetsiketseham-panoherana Avrily ao Nikaragoà. Nahazoana alalana.

Namoizana olona farafahakeliny 76 ny fihetsiketseham-panoherana lasa nivadika ho krizy politika ao Nikaragoà nanomboka tamin'ny faran'ny volana avrily 2018. Tamin'ny 24 mey, niato ny fifampiraharahana teo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra izay natao tamin'ny endrika “Dinika Nasionaly”, ka niteraka andiam-pihetsiketsehana andiany faharoa.

Izay natomboka ho fanoherana ny volavola fampihenana ny vola aloa amin'ny fiarovana ara-tsosialy no nivadika ho hiakiaky ny olompirenena hialan'ny Filoha Nikaragoàna Daniel Ortega sy ny Filoha Lefitra Rosario Murillo taorian'ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona maro nitranga nandritra ny famoretana.

Nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny volana avrily, notaterin'ny Vaomiera Iraisan'ny Amerikana Misahana ny Zon'Olombelona (CIDH amin'ny teny espaniola) ny fisian'ny fisamborana tsy ara-dalàna, fampijaliana, ary fanalam-baràka sy ny mety ho fisian'ny famonoana ivelan'ny fitsarana.

(Sary Pictoline avy amin'ny fihetsiketsehana tamin'ny Avrily). “Inona no mitranga eto Nikaragoà?” [Ao amin'ny sary] Nidina an-dalambe ny olona an'arivony ho fanoherana ny fiovana eo amin'ny fiarovana ara-tsosialy sy ny fandoavana ny retirety. Nosivanin'ny governemanta ny fantsona TV tsy miankina, notamihina ny oniversite ary nanaovan'ny polisy sy ny hery mitam-piadiana famoretana ny fihetsiketsehana.

Nomelohin'ny CIDH ny famonoana ireo tanora mpianatra, noho ny tanora nandrafitra be indrindra ny isan'ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Avrily. Notaterina am-baovao ny famonoana mpanao gazety iray ho fanampin'ny fanafihana Distributed Denial-of-Service (DDoS) amin'ny aterineto sy ny fandraràna ny fampitam-baovao.

Notapahin'ny governemanta ny dinika noho ny filazan-dry zareo fa ny fikasan'ny mpanohitra dia ny “hanokatra ny lalana” mankany amin'ny coup d'état [teny frantsay ao amin'ny lahatsoratra ôrizinaly]. Hatramin'ny 24 Mey, manahy hisian'ny andiam-pamoretana vaovao indray ny Nikaragoana ka niverina eny an-dalambe, ary dia nidina toy izany ihany koa ny polisy sy ny hery mitam-piadiana.

Hatramin'ny nanombohan'ny andiam-panoherana vaovao ity, farafahakeliny olona valo hafa no maty ary nisy namoaka an-tserasera ny heverina ho fanafihana avy amin'ny vondrona mitam-piadiana, tahaka izay notaterin'i Erika Guevara, talen'ny Amnesty International Americas:

Noraiketinay mivantana ny fanafihana mitam-piadiana nataon'ny Sandinista (azo heverina ho mpanohana ny governemanta) tamin'ny tanora mpianatra avy amin'ny Oniversitem-Pirenena mamoaka Injeniera ao Managua. Aelezo azafady.

#SOSNicaragua, Fanomezam-boninahitra, fijoroana vavolombelona

Notarihan'ny tenirohy #SOSNicaragua ao amin'ny Twitter, mandeha any ambadimbadika any ny resadresaka hanao fitokonana faobe, ahitana ireo mpikatroka mizara nahandro manokana antserasera mba hampatanjaka tsara mandritra ny tontolo andro hanaovana fihetsiketseham-panoherana. Mifampizara ny ampirisihana atao hananana fifandraisana voaaro ny mpiserasera, na dia tsy misy aza ny serasera aterineto.

Mitaky amin'ny mpanao fihetsiketsehana ny governemanta hamarana ny fihetsiketsehana ary hanaisotra ireo sakana napetraka hametra ny fivezivezen'ny olona sy ny fiara manavatsava ny lalana manerana ny firenena. Mamaly fitakiana hampitsaharana ny famoretana ny mpanao fihetsiketsehana, ny fandravana ireo vondrona milisy ary ny fifidianana mialoha ny fotoana mba hisafidianana manampahefana vaovao.

Raha nahita ny fivoaran-draharaha tamin'ny volana avrily, manahy ny mpanao fihetsiketsehana sy ireo mpiasan'ny zon'olombelona fa hihamafy ny herisetra satria maro ireo mino fa ny lalan-tokana hialana amin'ny krizy dia ny fanovana governemanta. Misy ireo lahatsary maromaro mivezivezy an-tserasera ahitana Nikaragoana manaisotra ny “Hazon'ny Fiainana” an'ny Vadin'ny Filoha sady Filoha Lefitra Rosario Murillo napetraka tamin'ny taona 2013. Jeren'ny mpitsikera ho fanehoana ny fahefana tsirefesimandidy ny “hazo” metalika an'i Murillo, ary soloin'ny mpikatroka mpanohana ny fanovana ho hazo tena izy ireo “hazo” ireo ao anatin'ny fihetsika saimbolika:

26 Mey, 5 ora 40mn hariva. Ny chayopalo [Manondro ny ‘Hazon'ny Fiainana’] eo anoloan'ny sekoly Teresiano, eny amin'ny lalana Masaya. Noraketiko.

Manome toerana isaonana ny fanomezam-boninahitra Youtube sy ny fijoroana vavolombelona Facebook, ka tafiditra amin'izany ny kaontin'ireo renin'ny mpianatra efatra maty tamin'ny Avrily. Ny hafa indray mifanakalo hevitra amin'ny anjara toeran'ny vehivavy nandritra ny fihetsiketsehana sy ny Dinika Nasionaly ary ny eritreritra amin'ny dikan'ny fihetsiketseham-panoherana hoan'ny maro:

La gente apenada mira la calle, sabiendo que hace una semana a los estudiantes que luchaban cerca, los rociaban con gases lacrimógenos y en el peor de los casos, los asesinaban o apresaban (y torturaban). Hay vergüenza por no haber hecho nada […] Una anciana no para de contar lo que pasó. Trata de informar a las personas y compara esto con lo que ella vivió con Somoza. “Este es peor, este ya sabe cómo es la dictadura” […] Si algo deberíamos tener claro, es que los jóvenes no volveremos a ser los mismos. No volveremos a ver a los lugares donde ocurrió la masacre como antes.

Mijery eny an'arabe amin'alahelo ny olona, mahafantatra fa herinandro izay ny mpianatra nitolona mafy tamin'io toerana io ka notondrahana baomba mandatsa-dranomaso, ary ny tena ratsy amin'ny tranga sasany, novonoina na nogadraina (sy nampijaliana). Misy ny henatra tamin'ny tsy fanaovana na inona na inona […] Misy vehivavy zokiolona tsy mitsahatra ny miteny tamin'izany nitranga. Miezaka miteny amin'ny olona [izany nitranga] izy ary mampitaha izany tamin'izay nataon-dry Somoza [fianakaviana nitana ny fahefana tamin'ny alalan'ny jadona tao Nikaragoà nanomboka taona 1936 ka hatramin'ny taona 1979]. “Ratsy kokoa ity iray ity. Ity iray ity mahalala ny fahombiazan'ny fanaovana didijadona” […] Raha misy ny zavatra tokony hazava tsara, dia tsy ho toy ny teo aloha intsony ny tanora. Tsy hijery ireo toerana nisian'ny famonoana faobe amin'ny fomba mitovy izahay.

Miampanga ny mpanao fihetsiketsehana ho “mpampihorohoro” sy “jiolahy” an-tserasera ny mpanohana ny governemanta. Esorina ireo afisy fahatsiarovana eny an-dalambe, saingy nampanantena ny mpikatroka fa hanohy amin'ny famerenana azy ireny eny an-dalambe:

Raha manaisotra azy ireny in'arivo ry zareo, in'arivo koa izahay mamerina azy ireny indray.

Ao amin'ny Twitter sy Facebook, manampy amin'ny fampitana ny fahasahiranana, fanantenana ary tahotra mifikitra amin'ny Nikaragoana:

Satria tianay i Nikaragoà! Satria mitady fandriampahalemana izahay! Fanomezam-boninahitra ireo mpianatra maty ary amin'ny fangirifirian'ireo fianakaviana nikaragoàna mangirifiry amin'ny famoizana azy ireny! Zavatra haingana sy tsy nomanina, fa vitanay izany. Ankasitrahana ianareo rehetra nandihy sy ny fianakaviana nanohana [anay].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.