Costa Rica: Miangavy An'i Dalaï Lama Ny Filoham-pirenena Arias Mba Hanemotra Ny Fitsidihany

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogosintra 2008)

Tena mila fitandremana ny tsy maintsy hisafidianana amin'ireo namana roa ho asaina amina fety. Nefa, vao haingana, tsy maintsy izay no nataon’ i Oscar Arias Sánchez, filoham-pirenena ao Costa Rica,  sady nahazo ny Loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana. Niangavy an'i Dalai Lama noho izany ny Filoham-pirenena mba hanemotra ny fitsidihany ho amin'ny taona ho avy, na dia fitsidihana manokana fotsiny aza io. Toy ny fifanandrifian-javatra,  iray volana taorian'ny daty voalaza hanaovana ny fitsidihana, tsy maintsy nanao fitsidihana ofisialy tao Costa Rica ny Filoham-pirenen'i Shina Hu Jintao. Nahatezitra ny ankamaroan'ireo blaogera ny vaovao, toa an'i Milagro Rodríguez, Filoha Lefitry ny Fikambanana Ara-kolontsaina Tibet-Costa Rica, izay naneho ny alahelony [amin'ny fiteny espanola].

Julia Ardón [amin'ny fiteny espanola] mandanjalanja ireo antony amin'io fivadihan-kevitra io:

La Asociación Tibetana de Costa Rica por supuesto salta y explica lo que entiende como un desaire de claro cálculo político, ya que por esos días tendrá visita oficial el Presidente de China y se podría molestar o peor aún: decidir no venir. ( Y eso no le conviene al gobierno! No ve que los chinos nos están dando mucha plata?!)

Mitsamboatra sy manazava ny fikambanana tibetàna ao Costa Rica fa kajikajy politika io, satria mandritra io fotoana io ny Filohan'i Shina no hanao fitsidihana ofisialy, ary mety ho sosotra izy, na tena loza noho izany: mety ho foanany ny fitsidihany. (Ary tsy ho tombontsoan'ny governemanta velively izany! Tsy hitanareo angaha fa manome vola betsaka anie ireo Sinoa ireo ?!)

Nokasaina ho amin'ny 10 septambra ny fitsidihan'i Dalai Lama, na izany aza, araka ny fangatahana voalaza mazava tsara nataon'ny Filoha Arias, nofoanana izy io. Nanambara ny Filoha Arias fa tsy ho ao Costa Rica izy amin'io daty io. Tsy misy fifanandrifian-javatra izany, indrindra indrindra amin'ny fitsidihana hataon'ny Filohan'i Shina Hu Jintao, ary indrindra indrindra, noho ny fanohanan'ny shinoa [ara-bola] an'ilay firenena. Nanakaiky kokoa an'i Shina i Costa Rica nandritra ireo taona faramparany. Ny 8 jona 2007, notapahan'i Costa Rica ireo fifandraisany tamin'i Taïwan ary najorony ireo fifandraisana ofisialy amin'i Shina. Taorian'izay ny Filoha Arias dia noraisina tany Shina niaraka tamin'ireo voninahitra [amin'ny fiteny espanola]  fanome ho an'ireo rehetra naman'i Shina.

Tezitra noho ny fahanginan'ny Filoha Arias mikasika ireo fanosihosena ny zon'Olombelona ao Shina ny La Suiza Centroamericana [amin'ny fiteny espanola].

Lo que si nos sorprende, y nos causa tremendo disgusto, es que nuestro gobierno de turno, presidido por otro Premio Nobel de la Paz, haya guardado un silencio absoluto y sepulcral ante las atrocidades cometidas por su nuevo amiguito oriental.

Izay nahagaga anay, ary tena naharikoriko dia, ny governemantantsika, tantanan'olona iray nahazo ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, mangina tanteraka mikasika ireo habibiana ataon'ilay namantsika vaovao avy ao Azia.

Maro no mamintina fotsiny fa ireo filoham-pirenena sy ireo firenena andalam-pandrosoana dia tsy maintsy manao kajikajy politika mampidi-kizo, izay miteraka adihevitra mikasika izay tsaratsara kokoa ho an'i Costa Rica sy ny maro an'isa. Ny mba hoTsy mora ny ho filoha sy handray fanapahankevitra, indrindra indrindra rehefa tsy maintsy hiteny amin'ny namana hoe: “Amin'izao fotoana izao, ho tsaratsara kokoa raha tsy mankaty amiko ianao”.

Sary medaly eo amin'ny pejy fandraisana, an'i Ferne Miller

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.