· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Janoary, 2013

Ekoatora: Lahatsary Fanadihadiana “Zanaky Ny Jaguar” Nahazo Ny Loka National Geographic

"Children of the Jaguar" "Zanaky ny Jaguar" dia fanadihadiana velona manampy antsika hisaina mikasika ny zava-doza aterak'ireo orinasa maro rantsana erantany izay miezaka ny hitrandraka ny tahirin-tsolika ambanin'ny tany ao amin'ny Ala Amazona ao Ekoatora sy ny tolona tsy miato ataon'ireo mponina any an-toerana hiarovany ny tanin'izy ireo.

09 Janoary 2013

Olo-Pirenena Nepaley Nosamborina tany Angletera fa Voampanga ho Nanao Heloka Bevava Nandritra Ny Ady

Nampiasa ny 'fahafaha-mitsara raharaha iraisampirenena' ny polisy britanika hisamborana kolonely tamin’ny tafika Nepaley monina any amin’ny tanànan’i Sussex atsinanana any Angletera. Voampanga ho nanao fampijaliana [gadra] nandritra ny gidragidra tany Nepal ady an-trano naharitra folo taona (1996-2006) ity lehilahy Nepaley ity.

06 Janoary 2013

Ny Saikanosin'i Sinai”: “Far West” Ejipsiana”?

  Tamin'ny volana Aprily, nosokajian'ny Praiminisitra Isiraeliana Benjamin Netanyahu ho karazana “Far West Baribariana” ny saikanosin'i Sinai ao Ejipta, izay ampiasaina hitifirana balafomanga ao amin'ny fari-dranomasina Eilat. Araka ny filazan'i Netanyahu, ampiasain'ny mpiady...

03 Janoary 2013