Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Desambra, 2017
Mpikatroka ‘Mpamerin-keloka’ Nampangain'ny Polisin'i Singapaoro Ho Nikarakara ‘Famoriam-bahoaka Tsy Ara-dalàna’
Ny 29 Novambra, nampangain'ny polisy noho ny "fikarakarana fivoriam-bahoaka tsy misy fahazoan-dàlana araka ny Lalàna momba ny Filaminam-bahoaka, fandikàn-dalànan'ny fandrobàna araka ny Lalànan'ny Fandrobàna, sy noho ny fandàvàna hanasonia ny filazany araka ny Fehezan-dalàna Famaizana" i Jolovan Wham, mpikatroka Singapaoreana.
Manohitra Ny Famoretana Ataon'ny Governemanta Sy Ny Fitsaratsaram-poana Ataony An'ireo Fikambanana Tsy Miankina Ireo Azerbaijani Mafana Fo,
"...ny zavatra hitako nandritry ny androm-piainako dia matetika voavidy vola ihany amin'ny farany ny ankamaroan'ireo mpitolona ho amin'ny demokrasia sy ny fahalalahana."
Sri Lanka : Iraka Tontosa?
Tsy ho tonga miaraka amin'ny fahaverezan'ny faritra nofeheziny ny fiafaran'ny adin'ny LTTE, fa rehefa ho very ny fanohanan'ny vahoaka tamoule azy any amin'ireo faritra izay mbola iadidiany ary any amin'ireo tamoule sri lankey any am-pielezana
Maraoka: Lalàna Momba Ny Fanomezana Anarana, ny Lohataona Mangina Sy Ny Mozika Sufi
Somary nangingina hafahafa ny tontolon'ny bilaogy Maraokana tamin'ity herinandro ity raha niakatra ny mari-pàna ary nivoaka ny kapa. Nanazava ny zava-niseho tamin'ny lohataona tao Fez i Everything Morocco, manoritsoritra ireo sakafo mahafinaritra amin'ny vanim-potoana:
Rosia: Fihetsiketsehan'ny Mpanohitra Tao Saint-Pétersbourg
Nisy fihetsiketsehan'ny mpanohitra goavana nitranga tao St. Pétersbourg ny Asabotsy: olona an'arivony maro, antitra sy tanora (nisy mihitsy aza ny sasany tonga niaraka tamin'ny zanany) ......
Maraoka: Fifidianana Frantsay
Mbola mifandray tsara amin'ny firenena (Frantsa) i Maraoka, amin'ny maha tany arovan'ny Frantsay azy taloha. Noho izany, tsy tokony mahagaga raha lohahevitra malaza ao amin'ny tontolon'ny bilaogy tamin'ity herinandro ity ny fifidianana filoham-pirenena ao Frantsa ity.
Rosia: Mihaino Ny Resaky ny Polisy Nandritra Ny Fihaonana Tao St. Petersbourg
Namoaka ny fandraisam-peo tamin'ny resadresaky ny polisy misahana ny rotaka naparitaka tamin'ny Diaben'ireo "Mpanohitra" tao Moskoa (RUS tamin'ny 14 Aprily sy tao St. Petersburg tamin'ny 15 Aprily i Marina Litvinovich - mpisera LJ abstract2001, lefitr'i Garry Kasparov sy mpanorina ny PravdaBeslana.ru.
Ny Paositra Ao Rosia
Eo amin'ny adiny folo eo ny mandeha fiarandalamby mankany Kyiv, Okraina raha miala ao Moskoa, Rosia. Saingy ny taratasy alefa amin'ny Air Mail avy ao Moskoa dia tsy tonga any Kyiv raha tsy efa ho folo andro.
Maraoka: Miresaka Momba Ny Fanahin'i Maraoka sy ny Daroka Baomba
Noho ny lahatsoratra iray tao amin'ny New York Times mitondra ny lohateny hoe "Ny Fanahin'i Maraoka", sahirana miady hevitra momba ny marina amin'ity fanambarana ity ny tontolon'ny bilaogy Maraokana.