Maraoka: Fifidianana Frantsay

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mbola mifandray tsara amin'ny firenena (Frantsa) i Maraoka, amin'ny maha tany arovan'ny Frantsay azy taloha. Ankoatra ny fiara Frantsay sy ny mofo dipaina Frantsay, avy amin'i Frantsa ihany koa ny lalàna sy ny rafi-panabeazana ao Maraoka, ary mahafehy tsara ny teny Frantsay ny antsasany mahery amin'ny olom-pireneny. Noho izany, tsy tokony mahagaga raha lohahevitra malaza ao amin'ny tontolon'ny bilaogy tamin'ity herinandro ity ny fifidianana filoham-pirenena ao Frantsa ity. Ibn Kafka, nanoratra tao amin'ny bilaoginy Obiter Dicta (fr):

Concernant le tropisme droitier de l'élite marocaine, il ne doit pas étonner. Notons tout d'abord que si une large part de l'opinion marocaine est informée de la tenue des présidentielles françaises et de la personnalité de Nicolas Sarkozy et de Ségolène Royal, seule une minorité (dont je fais partie) suit le déroulement de la campagne au jour le jour. Cette minorité est généralement francophone, urbaine, aisée, et scolarisée dans les écoles de la mission française ou ayant fait des études supérieures en France. Ces caractéristiques dénotent son appartenance aux catégories socio-professionnelles supérieures de la société marocaines, appartenance qui l'incline sans doute assez peu au trotskysme. La culture politique marocaine est en outre autoritaire, et l'ordre socio-politique marocain actuel est adossé à un “partenariat” structurel avec les alliés occidentaux du Maroc, dont la France est le premier, tant au plan économique que politique. D'autre part, le contexte politique marocain est caractérisé par l'émergence irrésistible des islamistes en général et du PJD particulier en tant que première force politique du Royaume – islamistes dont les caractéristiques socio-culturelles sont à l'opposé de celles de l'élite urbaine francophone, qui a dès lors intérêt au statu quo politique.

Tsy tokony hahagaga ny fironan'ny sangany Maraokana any amin'ny elatra havanana. Marihana voalohany indrindra fa raha nampahafantarina momba ny fifidianana filoham-pirenena Frantsay sy ny mombamomba an'i Nicolas Sarkozy sy Ségolène Royal ny ampahany maro tamin'ny hevitra Maraokana, vitsy an'isa (anisany aho) no nanaraka ny fizotran'ny fampielezan-kevitra isan'andro. Mpiteny frantsay, an-drenivohitra, mpanankarena, ary mianatra eny amin'ny sekoly Frantsay na nahavita fianarana ambony tany Frantsa ireo vitsy an'isa ireo. Mampiseho izany toe-javatra izany fa avy amin'ny sokajy ara-tsosialy sy arak'asa ambony ao amin'ny fiarahamonina Maraokana izy ireo, saranga izay tsy isalasalàna fa mampiròna azy amin'ny Trotskyisma. Ankoatra izay, tsy refesi-mandidy ny kolontsaina politika Maraokana, ary mifantoka amin'ny “fiaraha-miombon'antoka” ara-drafitra miaraka amin'ireo tandrefana mpiara-dia amin'i Maraoka ny rafitra sosialy-politika Maraokana ankehitriny, izay i Frantsa no voalohany, na eo amin'ny sehatra ara-toekarena na ny ara-politika. Etsy ankilany, ny tontolo politika Maraokana dia miavaka amin'ny firongatry ny Islamista amin'ny ankapobeny sy ny PJD manokana amin'ny maha hery politika lehibe voalohany azy ao amin'ny fanjakana – ny Islamisma, izay mifanohitra amin'ireo sangany an-drenivohitra mpiteny Frantsay, izay manana tombotsoa ara-politika ny toetrany ara-tsosialy sy ara-kolontsaina.

Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, Reda (fr) nanoratra hoe:

Le 1er tour des présidentielles françaises aura lieu dimanche prochain. Normalement, j’essaie le moins possible de m’immiscer dans les affaires politiques internes d’un pays (je parle de la France bien sûr) pour lequel je n’ai pas d’attaches particulières à part le fait que le Maroc (mon pays natal) avait fait les frais des visées expansionnistes de la France pendant 50 ans et surtout qu’il y a pas mal de marocains ou de leurs descendants (2 millions disons) qui sont installés dans l’hexagone. Mais voilà, Sarkozy-le leader actuel dans les sondages pour ces élections-a commis l’impair de prendre position dans une affaire maroco-marocaine: Apparemment qu’il aurait convaincu les autorités marocaines de ne pas accorder le droit de vote aux marocains résidants à l’étranger. Il est vrai que le fait que celles-ci accordent la moindre importance à ce qu’un ministre de l’intérieur d’un pays même pas voisin du Maroc m’échappe mais là n’est pas mon propos, Sarkozy aurait dû se mêler de ce qui le regarde.

Ho atao amin'ny Alahady heriny ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana filoham-pirenena Frantsay. Amin'ny ankapobeny, miezaka mafy aho mba tsy hitsabaka amin'ny raharaha politika anatiny ao amin'ny firenena (Frantsa, mazava ho azy) izay tsy ifantohako manokana afa-tsy ny hoe i Maraoka (tanindrazako) izay nizaka ny fanitaran-kerin'i Frantsa nandritra ny 50 taona ary indrindra indrindra ireo Maraokàna marobe na ny taranak'izy ireo (andao lazaina hoe 2 tapitrisa) izay mipetraka any Frantsa. Indrisy, i Sarkozy, mpitarika amin'izao fotoana izao amin'ny fitsapa-kevitra amin'ity fifidianana ity, dia nanao hadisoana tamin'ny fitsabahana raharahan'ny samy Maraokana. Toa mety ho nandresy lahatra ny manampahefana Maraokana izy mba tsy hanome ny zo hifidy ho an'ny mponina Maraokana any ivelany. Marina fa tsy arako tsara ny fanomezany lanja bebe kokoa ho an'ny minisitry ny atitany ao amin'ny firenena izay tsy manakaiky an'i Maraoka akory, saingy tsy izany no tiako resahana; Tsy tokony hitsabaka amin'izay tsy misy idirany i Sarkozy.

Araka ny voka-pifidianana nambara fa nandresy i Sarkozy, nanoratra i Kahina hoe:

Le choix des français s'est porté sur Nicolas SARKOZY par plus de 53,5% des voix, bonne chance donc à notre nouveau président et acceptons cette belle leçon de démocratie.L'heure de la réforme a enfin sonné…

Nifidy an'i Sarkozy tamin'ny salan'isa 53.5% mahery ny Frantsay. Mirary fahombiazana ho an'ny filoha vaovao ary andeha ekena ity lesona tsara momba ny demaokrasia ity. Tonga ihany ny fotoanan'ny fanavaozana…

Tsy dia nankasitraka loatra i Laila Lalami, tamin'ny filazana fa ny “53% tamin'ireo mpifidy Frantsay no nanapa-kevitra ny hamela an'i Sarkozy ho ‘fantson-drano” “faikany” kokoa amin'ny tetikasa.” Farany, namintina azy tsara i Label Ash (fr) tamin'ny filazana hoe “Satria tsy maintsy ho mpilalao mahay, Arahabaina Andriamatoa Filoha, na dia tsy nifidy anao aza aho.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.