Rosia: Fihetsiketsehan'ny Mpanohitra Tao Saint-Pétersbourg

(Marihina fa tamin'ny 4 Martsa 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisy fihetsiketsehan'ny mpanohitra goavana nitranga tao St. Pétersbourg ny Asabotsy (Feb-Mar 2007) teo: olona an'arivony maro, antitra sy tanora (nisy mihitsy aza ny sasany tonga niaraka tamin'ny zanany) , nandrava ny sakan'ny polisy ary nanavatsava ny lalamben'i Nevskiy Prospekt; Olona am-polony no naratra nandritra ny fifandonana tamin'ny polisy misahana ny rotaka, ary am-polony no nosamborina. Niresaka tamin'ny vahoaka ireo mpitarika mpanohitra miisa roa – Garry Kasparov sy Mikhail Kasyanov fa ilay fahatelo Eduard Limonov avy ao amin'ny Antoko Bolsevika Nasionaly kosa nosamborina talohan'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana. Naneho ny endrika roa soson'ny hetsi-panoherana ny sasany tamin'ireo teny filamatry ny fihetsiketsehana toy ny hoe ” Rosia Tsy mila Putin” sy ny hoe “Tanànanay Ity”: araka izay nolazain'i Atoa Kasyanov hoe: “tsy olana federaly fotsiny no atrehin'ny mponina ao Saint-Pétersbourg fa maro ihany koa ireo olana mifandraika mivantana amin'ny fiainana ao an-tanàndehibe.” Niantso ny famoriam-bahoaka ho “fihantsiana” ny governoran'i St. Petersbourg Valentina Matviyenko ary nilaza izy fa niaraka tamin'ireo tanora mpanao fihetsiketsehana ekstremista miisa 120 avy any Moskoa ny mpikarakara izany . “

Indreto ny fanehoan-kevitra sasany tamin'ireo nosoratan'ny mpisera LJ aneta_spb (mpanao gazety ao Saint-Pétersbourg avy any Belarosia) momba ilay famoriam-bahoaka:

In this case, I don't care what flags people were carrying. What's important is that the most popular slogan – the one that everyone supported – was: “This is our city!”

Some deja vu, isn't it, residents of Minsk and other compatriots-Belarusians?

It was very interesting there. Take the second attempt of the march towards Nevskiy! The first time we moved forward, they dispersed the column and detained a few dozen people. So what? We went the second time and broke through. The riot police cordon was broken FOUR TIMES. Anemic St. Peterburgians, suffering from avitaminosis, from old men to redhaired artistically-bohemian-looking young women – they were marching on those well-fed (but, as it turned out, poorly trained) people in uniform. […] I'm proud of St. Petersburg. […]

Tsy miraharaha loatra izay saina lanjain'ny olona aho tamin'ity tranga ity. Ilay teny filamatra malaza indrindra no tena zava-dehibe – ilay tohanan'ny rehetra – dia ilay hoe : “Tanànanay ity!”

Efa fahita, sa tsy izany, ireo mponina ao Minsk sy ireo mpiray tanindrazana hafa-Belarosiana?

Tena nahaliana ny tany an-toerana. Niroso tamin'ny diabe andrana faharoa mankany Nevskiy izahay! Nanaparitaka ny filaharana izy ireo ary nisambotra olona ampolony tamin'ny fotoana nirosoanay voalohany. Dia maninona moa? Nandeha fanindroany izahay ary nandrava IN-EFATRA ny sakan'ny polisy misahana ny rotaka. Ireo vahoaka St. Peterburgiana torovana, tsy ampy vitamina, na io antitra na zatovovavy mena volo miendrika bohemiana dia samy nanavatsava ireo olona tsara tohana (saingy, araka ny hita, toa tsy ampy fampiofanana). […] Mirehareha amin'i Saint-Pétersbourg aho. […]

Nisy ihany koa ny fanehoan-kevitra hafa avy amin'i aneta_spb tao amin'ny lahatsoratra hafa :

No, really, nothing like this had ever happened before – people marching on the riot police. Even in August 1991, when the police appeared, people at first began to run away, but they were stopped by the announcement that the police were on our side. Here everyone knew for sure that the police were being led against us – but it didn't scare them. […]

Tsia, marina fa tsy mbola nisy toy izany mihitsy hatramin'izay – olona nandeha namaky ny polisy misahana ny rotaka. Na dia tamin'ny volana Aogositra 1991 aza, nanomboka nandositra ny olona tamin'ny voalohany rehefa niseho ny mpitandro ny filaminana, saingy nijanona izy ireo tamin'ny fanambarana fa tonga hiaro azy ireo ny polisy. Eto dia fantatry ny rehetra fa manohitra azy ny polisy – saingy tsy nampahatahotra azy ireo izany. […]

Nandefa ny sarin'ny famoriam-bahoaka (maro tamin'izany no nanjavozavo satria nalaina teny am-pitsoahana) ilay mpisera LJ shavu, mpanao gazety hafa ao Saint-Pétersbourg. Ahitana fizarana valo izany ary indro ny lohatenin'ny voalohany :

The cradle of the three revolutions has swung again. It was fun and frightening.

Nofohazina indray ny revolisiona telo. Sady nahafinaritra no nampatahotra izany.

Ireto ambany ireto ny rohy mankany amin'ireo lahatsoratra fito miaraka amin'ny sary avy amin'i shavu :

http://shavu.livejournal.com/440849.html
http://shavu.livejournal.com/441125.html
http://shavu.livejournal.com/441489.html
http://shavu.livejournal.com/441796.html
http://shavu.livejournal.com/442008.html
http://shavu.livejournal.com/442136.html
http://shavu.livejournal.com/442617.html

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.