Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2016

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Novambra, 2016

Mankahatra ny Famoretana ao India, Mitazona ny Vohitra Misy Azy ho Lavitry ny Loza ireo Tanora Kashmiri Mpilatsaka An-tsitrapo

Tamin'ny telo volana lasa, ny polisy ao Jammu sy Kashmir ary ny miaramila Indiana dia nisambotra olona teo amin'ny 7.000 teo tao amin'ny Lohasahan'i Kashmir, amin'ireo hetsika famafàna lehibe sy asa fikarohana izay mikendry ireo trano, matetika amin'ny alina maty masoandro.

Mbola An'arivony No Tsy Manan-kialofana Ireo Tra-boinan'i Haiyan Telo Taona Taty Aoriana

Nomena dikany vaovao ny vonjy taitra. Lasa nampiandrasana sy nangataka hiavotan-tenany mihitsy aza ireo sisa velona raha tokony hahazo fanampiana haingana.

Mankalaza Ny Fandresen'i Trump Ny Nasionalista Sy Ny Mpandrendri-Bahoaka Any Serbia Sy Makedonia

Nampientanentana fatratra ireo politisiana elatra havanana sy ireo mpikambana ao aminy any amin'ny firenena Balkan maro ny fandresen'i Donald Trump tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tany Etazonia, indrindra noho ny tsy fitiavana an-dry Clinton.

Mitolona Hiarovana Ny Toerany Ara- Politika I Zuma Filohan'i Afrika Atsimo Taorian'ny Tatitra Fanaovan-Kolikoly

"Raha mbola filoha i Zuma aorian'ity sedra mafy ity dia vazivazy tsy misy tsilon'ny demaokrasia ara-dalàm-panorenana isika ", hoy ny mpisera iray ao amin'ny Twitter any Afrika Atsimo.

Mampiseho Fizarazaran'ny Mponina sy ny Tsy Fahaizana Manoratra sy Mamaky Teny ny Fanisam-bahoaka ao Bosnia sy Herzegovina

Mampiseho ny valin'ny fanisam-bahoaka voalohany tao Bosnia sy Herzegovina (BiH) fa nampiditra lalina ny fahasamihafana ara-poko sy ara-pivavahana ny politika nasionalista naharitra ampolony taona, manamafy ny "tombontsoa" amin'ny fanadiovana ara-poko tamin'ny adin'ny taona 1990s.

Lalàm-panorenana Vaovao Ho An'i Côte d’Ivoire

Manavao ireo andrim-panjakana Ivoariana ilay lalàna vaovao, ary manao ho fanamby ny hiainana miaraka ao anaty firenena iray izay voazarazaran'ny fifampiandanian'ireo foko sy finoana.

Tahotra Fitsarana? Fialana Amin'ny Fanjanahana? Manombantombana  Ny Fanirian'ny Firenena Hiala Amin'ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena Ny Gambiana

Vaovao farany !! Niala tamin'ny CPI i #Gambia . Nitranga izany taorian'ny tahotry ny mpanao didy jadona fa hiampanga azy ny minisitry ny atitany teo aloha nahazo fialokalofana any ivelany.

Halloween: Fialambolim-pandevenana Sa Tetidratsin'ny Tandrefana?

Tsy vavivazy voaheloka any amin'ireo faritra sasany ao amin'ny Firaisana Sovietika fahiny akory ny fisalorana sarontavan-devoly.

Mahita Fanitsakitsahana Zon'Olombelona Ao Anatin'ilay Volavolan-dalàna Hiarovana ny Ankizy Ireo Shinoa Mpisera Amin'ny Aterineto

Manandrana ny hiaro ireo ankizy ireo volavolan-dalàna vaovao, amin'ny fangatahana ireo orinasa mpanamboatra solosaina mba hametraka rindrambaiko fanarahamaso ao amin'ireo fitaovana, ary amin'ny fanindrahindrana ireo fitsaboana ny "fiankinandoha amin'ny Aterineto."