Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mitolona Hiarovana Ny Toerany Ara- Politika I Zuma Filohan'i Afrika Atsimo Taorian'ny Tatitra Fanaovan-Kolikoly

Zuma's compound. Photo by John A Forbes. Released under Creative Commons.

Fonenan'ny Filoha Jacob Zuma ao Afrika Atsimo. Sary: John A. Forbes. Lisansa Creative Commons.

Naneho hevitra tamim-pahatezerana ireo Afrikana Tatsimo, tamin'ny fahatafintohinanana, ary tamin'ny fihomehezana taorian'ny navoahan'ny mpiaro ny vahoaka teo aloha Thuli Madonsela ny tatitra “State of Capture”. Mampiseho ny tatitra fa  namela fianakaviana Indiana manankarena iray hipetraka ao Afrika Atsimo antsoina hoe Guptas ,ny Filoha Jacob Zuma mba hampiasa volam-panjakana ho amin'ny tombontsoa manokana, sy mba hananana ambaindainy lehibe eo amin'ny fanapahan-kevitra manan-danjan'ny governemanta.

Niezaka nanakana ny famoahana ny tatitra i Zuma tany am-boalohany, nialoha ny nisintonany ny fitoriana taty aoriana.

Ny Biraon'ny Mpiaro ny Vahoaka dia andrim-panjakana ivelany [tsy miankina] izay manao fanadihadiana ny fihoaram-pefy rehetra hita amin'ny raharaham-panjakana sy amin'ny sehatra rehetran'ny governemanta ao Afrika Atsimo. Mahaleontena tanteraka ny sampan-draharaha ka tsy miankina amin'ny governemanta.

Nandoto ny fitondran'i Zuma ny fiampangana kolikoly sy ny tsy fahaiza-mitantana, kanefa mbola tafavoaka tao anatin'ny latsabato fitsipahapitokisana roa nataon'ny mpanao lalàna ihany izy.

Tamin'ny taona 2014, namoaka tatitra mitondra ny lohateny hoe “Milamina anaty fiadanana” ny Mpiaro ny Vahoaka teo aloha Thuli Madonsela izay nahita fa nahazo tombontsoa tsy ara-drariny tamin'ny fanatsarana ny taniny i Zuma sy ny fianakaviany. Nahitana  dobo filomanosana, valam-biby fiompy masina, fiompiana akoho , toerana fitsidihana, sy trano fanaovana fampisehoana ny fanatsarana ny fiarovana.

Tamin'ny taona 2016, nandidy ny filoha hamerina ny vola nampiasaina tamin'ny fanatsarana izay tsy misy ifandraisany tamin'ny resaka fiarovana, araka ny nofaritan'ny Departemantan'ny Vola, ny Fitsarana Araka Ny Lalàmpanorenana ao Afrika Atsimo, izay fitsarana ambony indrindra ao amin'ny firenena.

Nivazivazy momba ny mety handehanan'i Zuma any am-ponja tao amin'ny sioka iray i Max de Preez, Afrikana Tatsimo mpanoratra sady mpanao matoandahatsoratra hoe:

Manantena fa hanomboka fanentanana  tsimoramora hanavaozana ny fotodrafitrasan'ny fonja ny vondrona miafina sy nahazo tombontsoa tamin'i Zuma

Nanoratra an-tserasera i Mpumelo Nkosi hoe:

Raha mbola filoha i Zuma aorian'ity sedra mafy ity dia vazivazy tsy misy tsilon'ny demaokrasia ara-dalàm-panorenana isika  #TatitraKolikolyAraPolitika

Nisioka i Trevor Ncube, mpandraharaha Zimbaboeana sady mpamoaka gazety mipetraka any Afrika Atsimo, hoe:

Tsy hevitra tsara ho an'i Zuma mihitsy ny mitsidika an'i Robert Mugabe taorian'ny #TatitraKolikolyAraPolitika

Taorian'ny nivoahan'ny tatitra, nankany Zimbabwe avy hatrany i Zuma mba hiara-hitarika ny fivoriana fitokanana ny Vaomieram-pirenena roa hiraisan'ny roa tonta Afrika Atsimo-Zimbaboe. Tsy takona ho an'ireo mpisera ilay fandehanana tampoka .

Tao amin'ny Twitter,  nandefa ity sary manaraka ity miaraka amin'ny fanazavana maivamaivana i Ranier Pretorius:

Mitady ireo porofo ao amin'ny #TatitraKolikolyAraPolitika #AsehoyNyTananaBrianMolefe

Tany an-tsesitany nandritra ny tolona hamaranana ny fanavakavahana ara-poko tao amin'ny firenena ny ankamaroan'ny manampahefana ambony ao amin'ny fitondrana Kongresy Nasionaly Afrikana (ANC). Nanontany tena i Unathi Kwaza hoe:

Cover image of State of Capture report.

Cover image of State of Capture report.

Rehefa avy namaky ny #TatitraKolikolyAraPolitika aho dia nanomboka nanontany tena raha toa ka niady ho an'ity firenena ity tany an-tsesitany tokoa araka ny lazainy ireo voromaherin'ny ANC

Ho an'ny maro,  tsy ampy ny fialan-tsiny. Nilaza ohatra i Ulrich Vuuren fa tiany ny tatitr'i Madonsela  mba hitarika any amin'ny fotoam-pitsarana heloka bevava :

 Tokony tsy hiala tsiny amin'i Afrika Atsimo, na hametra-pialana fotsiny ireo hita fa meloka, fa tokony  enjehina araka ny lalàna! #TatitraKolikolyAraPolitika

Namazivazy i Karabo Mokgoko raha niresaka an'i Jake Amo olo-malaza ao amin'ny media sosialy any Ghana hoe:

# ZavatraMetyHitrangaAlohany5
Hanampy ny Filoha hamolavola ny taratasy fametrahany fialany i Jake .#TatitraKolikolyAraPolitika pic.twitter.com/M3uv32299m

Nanoratra i Paul Claassen manoloana ny fanambaran'i Zuma fa tsy matahotra ny handeha ho any am-ponja izy :

@FUNDAmentalSKIL @BDliveSA TPT Tao an-tranomaizina i Zuma  niaraka tamin'ny mpiadin'ny fahafahana tamin'ny farany teo – amin'ny manaraka izy hiaraka amin'ireo mpangalatra hafa

Nisioka i “Yonce” taorian'ny fanambaran'i Zuma voalohany ampahibemaso rehefa navoaka ny tatitra hoe:

Heveriko fa tsara ny fiomanan'ny Filoha Zuma ara-tsaina amin'ny fandaniany ny sisa androm-pahanterany any am-ponja 😢🙆🏾 https://t.co/M2vi3RkmEk

Nanao ity fanamarihana manaraka ity i Andre Timotheus, raha niresaka momba ny nahagadra politika tany amin'ny Nosy Robben miaraka amin'i Nelson Mandela mandritra ny apartheid an'i Zuma :

Tsy matahotra  ny handeha any am-ponja aho, hoy Zuma @IOL. Mazava ho azy fa tsy matahotra ny fonja ny mpanao heloka bevava, ny jiolahim-boto ary ny mpisoloky  … pic.twitter.com/xbHJfVKnZ1

Hoy ny mpisera Twitter iray hafa te hampahatsiahy ny Afrikana Tatsimo ny fomba nahazoan'ny Holandey sy ny Britanika ny fanjakana tany am-piandohan'ny fanjanahana an'i Afrika Atsimo :

Tsy miaro an'i Zuma aho, fa tsarovy ny #KolikolyAraPolitika tamin'ny taona 1652 nataon'ny Holandey sy tamin'ny taona 1806 nataon'ny Britanika?

Niantso ny tatitra ho “antontan-taratasy mikorontana” i Andile Mngxitama rehefa nanoratra tao amin'ny Black Opinion:

The hastily put together so-called state capture report by the former Public Protector is a mess of a document with illogical lapses, glaring typos and incomplete sentences. But the most shocking aspect of the report is that it is based on some obvious lies which Advocate Madonsela chooses to believe in her somewhat desperate quest to find the elusive smoking gun of state capture by the Guptas.

Antontan-taratasy mikorontana ahitana fahadisoana tsy mitombina, fanoratana diso sy fehezanteny tsy ampy ilay lazaina fa tatitra kolikoly ara-politika avy amin'ny Mpiaro ny Vahoaka teo aloha. Fa ny lafiny tena manafintohina amin'ny tatitra dia ilay izy mifototra amin'ny lainga maro mivandravandra nosafidianan'ny Mpisolovava Madonsela inoany mitady fatratra ilay setroky ny basy avy amin-dry Guptas.

Nampanantena ny hanome fanadihadiana amin'ny antsipirihany ny lafiny mampiahiahy tamin'ny tatitra ihany koa ny famoahan-dahatsoratra:

In the coming days Black Opinion shall provide analysis of each troubling aspect of the report. Here we focus only on that piece of “evidence” from the star witness, Deputy Minister Mcebisi Jonas – yes, he who claims that some R600 million was offered to him in exchange for accepting the job of Minister of Finance by the Gupta family. Of course the man accused of stealing the funeral funds of the late Nelson Mandela refused the R600 million. Someone should ask Jonas, when did he stop being corrupt?

Hanome fanadihadiana amin'ny lafiny mampiahiahy tsirairay ao amin'ny tatitra ny Black Opinion amin'ny andro manaraka. Eto isika dia mifantoka fotsiny amin'ny “porofo” tokana avy amin'ny vavolombelona malaza, ny Minisitra lefitra Mcebisi Jonas – eny, izy izay milaza fa nomen'ny fianakaviana Gupta R600 tapitrisa ho takalon'ny fanekeny ny toeran'ny Minisitry ny Vola. Mazava loatra fa nandà ny R600 tapitrisa ilay olona voampanga ho nangalatra ny volan'ny fandevenana an’ Itompokolahy Nelson Mandela. Tokony hanontaniana i Jonas, oviana izy no nijanona tsy nanao kolikoly intsony ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.