Mbola An'arivony No Tsy Manan-kialofana Ireo Tra-boinan'i Haiyan Telo Taona Taty Aoriana

Housing projects have yet to be completed in many towns three years after the devastation caused by typhoon Haiyan. Photo from the Citizens’ Disaster Response Center Foundation

Tetikasa fampialofana mbola tsy vita any an-tanandehibe maro telo taona taorian'ny faharavana vokatry ny rivodoza Haiyan. Sary: Orina Mpanasoan'ny Foibe Mpamonjy Voina Ho An'ny Olompirenena

Telo taona lasa izay, namely ny faritra afovoan'i Filipina ny rivodoza Haiyan (fantatra any Filipina hoe Yolanda) ary nahafatesan'olona maherin'ny 6.000.  Niteraka onja tahaka ny tsunami ihany koa i Haiyan izay namela tsy manan-kialofana an'arivony tao amin'ny nosy Leyte sy Samar.

Telo taona taty aoriana, mbola mitady fanampiana sy rariny hatrany ireo sisa velona tamin'i Haiyan. Nilaza izy ireo fa miadana ny fiavin'ny fanampiana, tsy mahomby ny ezaka fanarenana ataon'ny governemanta ary simba ny sasany tamin'ireo entana nozaraina tany amin'ny  tobin'ny traboina.

Nanamarina ny fitarainana maro noresahin'ireo sisa velona ny fanadihadiana vao haingana nataon'ny sampan-draharahan'ny governemanta .

Nanambara ihany koa ny fanadihadiana fa tsy nahavita nanaja ny teny nomeny tamin’ ny hanorenana indray ny tranon'ireo vondrom-piarahamonina lasibatry Haiyan ny fanjakana. Mbola misy trano miisa 2.000  no mbola mila fanamboarana araka ny lahatahirin'ny governemanta na dia teo aza ny fanomezana vola ho an'ny tetikasa.

Niaiky ihany koa ny Sampan-draharahan'ny Fiahiana Ara-tsosialy sy Fampandrosoana fa tsy nahazo fanampiana vonjimaika ireo olona tsy maty miisa 200.000 tao anatin'ny telo taona.

Nisy vondrona nilaza fa ny kolikoly sy ny mpomba ireo mpanao politika no tena tompon'andraikitra tamin'ny tsy fahampian'ny ezaka fanarenana nataon'ny governemanta. Ho setrin'izany,  nampanantena ny hanao fanadihadiana mikasika izao trangan-javatra hafahafa izao ny manam-pahefana.

Namintina ny zava-tsarotra niainan'ireo olona maro ao amin'ny faritra ny People Surge, fiombonan'ireo sisa tsy maty tamin'ny Haiyan:

Emergency was given a new meaning. Instead of lightning fast assistance to the survivors, they were made to wait, even to beg for their survival. Some were outright stricken off as beneficiaries of the cash assistance, as business interests were prioritized instead of lives in government declared “no dwelling zones”. Three years and still the emergency assistance promised to them might as well been buried in one of the mass graves.

Nomena dikany vaovao ny vonjy taitra. Lasa nampiandrasana sy nangataka hiavotan-tenany mihitsy aza ireo sisa velona raha tokony hahazo fanampiana haingana. Nesorina tsy hahazo fanampiana ara-bola ny sasany satria natao laharam-pahamehana kokoa ny tombontsoa ara-barotra noho ny ain'olombelona ao amin'ny lazain'ny governemanta ho “tsy misy toeram-ponenana “. Telo taona kanefa mbola any an-kibon'ny omby ny fanampiana vonjy aina nampanantenaina azy ireo .

Mampikatso ny fanampiana ny fepetra tsy maintsy arahina

Ohatra iray amin'ny fomba fiasa ao amin'ny birao izay mampilona ny dingan'ny fanarenana ny tsy fahombiazan'ny Departemantan'ny fadintseranana amin'ny famoahana ireo hazo fanomezana avy amin'ny firenen-kafa natao ho an'ny sisa velona tamin'ny Haiyan .

Nambaran'ny Orina Mpanasoan'ny Foibe Mpamonjy Voina Ho An'ny Olompirenena izay efa nanao antso hamoahana ireo hazo fanomezana avy amin'ny vondrona alemà izany hamitana ny tetikasa fampialofana ho an'ny vondrom-piarahamonina ao an-tanàndehiben'i Jaro ao amin'ny faritanin'i Leyte.

Nahatonga sahady ny fihemoran'ny tetikasa nandritra ny enim-bolana ny tsy famoahana ny fanafoanana ny hetra / ny fadintseranana sy ny saran'ny fitehirizana. Soa ihany fa nanome alalana ny famoahana ny hazo fanomezana tamin'ny sambo voalohany vao haingana ny Biraon'ny Filoha.

Mandritra izany fotoana izany, mbola manohy ny fanentanana ho famoahana ireo hazo fanomezana sisa ireo mponina ao Jaro mba hanorenana indray ny tranony. Izany no hafatra avy amin'ny tanora ao Jaro:

Our homes in Jaro are skeletal structures. We are afraid that they will never be finished. So now we have gathered to ask for help, as one voice. Help us get our new homes and hopes for a better life!

Mihanjaka ny tranonay ao Jaro. Matahotra izahay fa tsy ho vita izy ireo. Koa ankehitriny izahay mivory amin'ny feo tokana mba hangataka fanampiana. Ampio izahay hahazo ny tranonay vaovao sy ny fanantenanay hanana fiainana tsara kokoa!

Miantso ny fanohanan'ny vahoaka ny mponina hanerena ireo manampahefana hamela ny fandefasana an-tsambo ny hazo sisa hoan'ny vondrom-piarahamonina .

Resident of Jaro ask the government to grant the release of the donated wood that will be used to rebuild their homes. Photo from the Citizens’ Disaster Response Center Foundation

Mponina ao Jaro mangataka amin'ny governemanta mba hanome alàlana ny famoahana ny hazo fanomezana izay hanamboarana indray ny tranon'izy ireo. Sary: Orina Mpanasoan'ny Foibe Mpamonjy Voina Ho An'ny Olompirenena.

A resident of Jaro appeals for the release of the wood that will be used to rebuild their homes. Photo from the Citizens’ Disaster Response Center Foundation

Mponina iray ao Jaro, mangataka amin'ny governemanta mba hanome alàlana ny famoahana ny hazo fanomezana izay hanamboarana indray ny tranon'izy ireo .Sary: Orina Mpanasoan'ny Foibe Mpamonjy Voina Ho An'ny Olompirenena .

Photo from the Citizens’ Disaster Response Center Foundation

Sary: Orina Mpanasoan'ny Foibe Mpamonjy Voina Ho An'ny Olompirenena

Photo of a child's artwork and appeal from the Facebook page of Mendy Mariano Malig.

Sary asakanton'ny ankizy sy antso avy ao amin'ny pejy Facebook-n'i Mendy Mariano Malig.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.