Fomba fanao isantaona tsy mandratra ve sa fikafika ratsin'ny Tandrefana?
Izany no fanontaniana mipetraka isantaona eo anoloan'ireo olompirenena ao amin'ny faritra Sovietika fahiny arakaraky ny fiakaran'ny adihevitra manodidina ilay fialantsasatra tsy fanta-piaviana marihana isaky ny 31 Oktobra.
Ny fanjakàn'i Tajikistàna angamba no tena goavana indrindra amin'ireo mpankahala Halloween ao amin'ny faritra (ambaran'ny polisy fa tsy mila mampihatra izany i Turkmenistàna sy Ozbekistàna) miaraka amin'ireo tanora Tajiks notànan'ny polisy sy nobedesina mafy noho izy ireo nankalaza ilay fety tamin'ny 2013 sy 2014.
Tamin'ity taona ity tao Kyrgyzstàna, toerana izay tonga hatrany amin'ny fitondràna mihitsy ny fifandonan'ny fahalalahana sivily sarintsariny sy ireo antso hanamafisana ny soatoavina nentindrazana, niditra an-tsehatra tamin'ny fanakianana imasom-bahoaka io alin'ny Fanomezam-boninahitra ny Maty io ilay olomalaza ao an-toerana, Assol Moldokmatova:
Ary tsy ho Halloween mihitsy rehefa tsy misy fahitàna avy amin'ny Sputnik mampitsangam-bolo, media Rosiana fehezin'ny fanjakàna izay ny rantsany ao Ozbekistàna dia mandefa fanairana foana manontany (misolo tena ireo Azerbaijanis) hoe Iza no Niteraka ireo Mpamadika (Fanbkalaàna Halloween) Manerana ny Tany ?
Valiny: Mazava loatra fa i Etazonia.
Na manana mpanohana marobe aza izy, tsy nanome porofo mivaingana i Moldokmatova ao Kyrgyzstàna momba ireo famonoantena mifandray amin'ny Halloween tao amin'ny firenena niaviany, ary adihevitra faran'izay mangotraka/mampifanenjana no naterak'izany tao amin'ny Facebook.
Mpampiasa iray, Lawyer Kg, no nanoso-kevitra an-katezerana hoe “ny Fibahanana an'i Assol” no mety ho “sosokevitra tsara kokoa”, raha mpampiasa iray hafa kosa nanao fanondroana feno haratsian-toetra an'i Moldokmatova (sary eto ambany) ho mitondra “sarontava eny amin'ny tena fiainany andavanandro.”
Hatreto aloha, ao Kyrgyzstàna farafaharatsiny, vao mainka mampatsiro ny Halloween ho an'ireo tanora ny resabe misy, araka ny fanamafisan'ity tatitra anaty lahatsary novokarin'ny Kloop.kg, media tantànin'ny tanora ity: