Ny Fomba Nahazoan'ny Ankizilahy Iray Mpianatra, “Zanaky”-ny Filohan'ny Tajikistan, Tsolotra Be Dia Be Tamin'ny Olon-tsotra

The Rakhmon family. Wikipedia image.

Ny fianakaviana Rahmon. Tsy hita amin'i sary i Somon eto. Sary Wikipedia.

Tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nitatitra momba ny tomponandraiki-panjakana iray izay nampitaha ilay Filoha Tajik, Rahmon, izay mitazona ny fahefana rehetra, tamin'ny “masoandro” ny Global Voices. Ankehitriny, mpianatra tsotra iray nilaza ny tenany ho “zanaka lahin”‘i Rahmon, nibika nakasary, ary nahavory 50.000 dolara avy tamin'ny lehilahy iray, no adihadian'ny masoivoho miady amin'ny kolikoly eo ambany fifehezan'ny iray amin'ireo tena zanaka lahin'i Rahmon, Rustam Emomali.

Any Tajikistan — izay midika ho ny zavatra rehetra ny fifamatorana aman'olona, ary ny fifandraisana amin'ny olona iray rà amin'i Rahmon no ampinga lehibe indrindra amin'izany rehetra izany — manana fahazarana ny hanana fanantenana amin'ny kolikolin'ny governemanta ireo olona, raha tsy misy azo atao ankoatra an'io.

Noho izany, rehefa afaka nitonon-tena tamin-kafetsena tamin'ny olon-tsotra iray teo an-toerana ho i SomoniEmimali zanaka faralahin'i Rahamon i Khushdil Kurbonov, mpianatra iray ao amin'ny ambaratonga faha-10 ao amin'ny sekoly ambony manan-kaja Dushanbe International School, ary nampanantena ny hanome io olon-tsotra voalaza io ampahanà tany ivelan'ny renivohitra — tsy nila fotoana ela akory ity lehilahy ity nanolotra ny lelavola.

Araka ny tatitry ny AkiPress:

Taorian'ny nahazoany kolikoly mitentina 50.000 dolara ho takalonà tany, voatazona ao Dushanbe ny mpianatra iray avy amin'ny sekoly ambony nilaza ny tenany ho zanaka lahin'ny Filoha Tajik Emomali Rahmon hoy ny tatitr'ireo media ny 6 May.

Khushdil Kurbonov, amin'ny ambaratonga faha-10, nilaza ny tenany ho Somoni Emomali, zanaka lahy [kely indrindra] an'ny Filoha, dia naka 50.000 dolara tamin'ny lehilahy iray ho takalon'ny fampanantenany azy io tany mirefy 0,3 ha ivelan'ny renivohitra.

Avy eo niantso tomponandraikitra iray teo an-toerana i Kurbonov ary nanome baiko azy hanome ny tany, fa tsy nino azy io tomponandraiki-panjakana io.

Milaza ny tatitry ny media fa miray sekoly amin'i Somon i Kurbonov [azo sary eto amin'ny ankavanana], izay ao amin'ny ambaratonga faha-10 ihany koa.

Manadihady ilay tranga ny Mosoivoho Fanarahamaso ny Volam-panjakàna sy Miady amin'ny Kolikoly.

Hatramin'ny volana Martsa. nitarika ny Sampana Miady amin'ny Kolikoly, izay tarihan'ny zanaka lahy lehibe sady mety ho mpandimby an'i Rustam, ihany koa ilay raharaha mba hiantso ireo vahoaka hiady amin'ny fanaovana heloka bevava mifandray amin'ireo havan'ny tompon'andraiki-panjakàna.

Toy ny eso lalina fotsiny no fahitàna io antso io, ao anatin'ny firenena izay maro no mieritreritra ny fahafinaretam-pianakavian'ny Filoha ho toy ny boatin-drakitra manokana.

Ny firesahan'ireo Tajik mpampiasa Facebook ny hosoka nataon'ilay mpianatra lahy dia naneho ny zava-misy mampalahelo hoe voalalotra mafy any anatin'ireo sekolin'ny firenena ny kolikoly.

I Abumuslim Kalandarov, mpikambana ao amin'ny vondrona Facebook Ya Dushanbinets- 2, dia nanoratra fa “mpahay fikafika tsara” ilay mpianatra lahy, ao anatin'ny firenena izay ataon'ny governemanta izay hahasarotra ny hahafahana miaina am-pahamarinana.

ни какой не сопляк. хороший комбинатор. очень хорошо ориентировался в пространстве.хорошо знал минусы нашего обшества

Tsy adala izy akory; mihoatra izany aza, tena mpahay fikafika izy. Fantany ny voka-dratsin'ny fiarahamonintsika, ary niasa tsara tao anatin'izany toerana izany izy.

Niampanga ny tsy fisainana lalin'ilay olona voany ireo mpampiasa Facebook hafa.

Nilaza izao i Kamil Areshov:

Бездарные чиновники и люди, поверившие на слово малышу! Завтра так родину продадут какому-нибудь чужеземцу по звонку! Я в трансе!

Mpiasam-panjakàna tsy mahavita azy sy ilay olona izay nino io ankizy io! Mety hoe ho amidin-dry zareo amin'ny vahiny tsy fantany amin'ny alàlan'ny antso an-telefaona angamba ny firenena rahampitso! Mihanahana fotsiny aho!

Ireo mpiasam-panjakàna amin'ny toerana ambony any Tajikistan, izay ny ankamaroan'ireo dia rà iraisana amin'i Rahmon na ny fitoviam-paritra niaviana, dia toa afaka miaro ireo havany nanao ny tsy mety tsy ho voasazy, na dia amin'ny tranga tena ratsy indrindra aza.

Ohatra, ny volana Oktobra 2013, Rasuli Amonullo, 16 taona, zanaka lahin'ny lehiben'ny Kaompaniam-pitaterana An-dalamby Tajik tamin'izany fotoana izany, no teo amin'ny familiana ny fiara  izay nahafaty olona telo taminà lozam-piarakodia. I Amonullo, izay mbola tanora tsy tokony mbola hitondra fiara akory, dia afaka tamin'ny fanadihadiana, raha nosaziana nandoa teo ho eo amin'ny 20 dolara ireo ray aman-dreniny noho ny tsy fandraisana andraikitra.

Tao anatin'izany, nilaza izao i Said Safarov, mpikambana iray hafa ao amin'ny vondrona Ya Dushanbinets- 2, :

Интересно другое, до какой степени у нас в крови чинопочитание что ребенок может приказывать государственному чиновнику….

Tena mahaliana ny haben'ny fakàn-tàhaka akaiky ao anatin'ny ràntsika, ka hoe ny zaza [sahy] nibaiko tomponandraiki-panjakàna….

Ny tena maha-ao aminà sekoly mitovy marina ny zanaka lahin'i Rahmon sy i Kurbonov — samy voavolavola miaraka amin'ireo ankizy avy amin'ny sangany eo amin'ny firenena — nanosoka hevitra ilay mpanao gazety malaza Tajik, Orzu Isoev, hoe mety tsy hifanalavitra amin'ny fahamarinana ihany ny fitakian'i Kurbonov ho miray rà amin'ny olom-panjakàna:

Ручаюсь, что он отпрыск какого нибудь другого чиновника, ибо в этой байналмилали мы с вами не в состоянии обучать своих чад

Miloka aho fa zanaka mpiasam-panjakana hafa io, satria isika tsy afaka ny hampianatra ireo zanantsika ao amin'io sekoly io mihitsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.