
Indiana an'arivony no nanatevin-daharana ny diabe notarihan'ireo pretra ao Allahabad ho fanohanana ilay masera 71 taona naolan'ireo jiolahimboto tao amin'ny sekolin-drelijioziny ao amin'ny distrikan'i Nadia Andrefan'i Bengal. Sary: Ritesh Shukla. Zon'ny mpamorona Demotix (16/3/2015)
Hatramin'ny nanaovan'ny Minisi-panjakana misahana ny Raharaha Anatiny ao amin'ny Firaisamben'i India fanambarana tao amin'ny Rajya Sabha (Filan-kevi-panjakana) izay milaza fa tsy tokony melohina ny fanolanan'ny vady, dia nirehitra mamaivay ny adihevitra tao amin'ny haino aman-jery Indiana sy ny tambajotra sosialy
Nanao ny fanambarana i Haribhai Parathibhai Chaudhary tamin'ny 30 Aprily fa azo raisina ho toy ny fihetsika masina ao amin'ny firenena ny fanambadiana, ka tsy tokony sokajiana ho heloka bevava ny herisetra ara-nofo aorian'ny fanambadiana.
Nilatsaka ny fanambaran'ny minisitra raha maro ireo mandresy lahatra ny amin'ny lalàna miavaka miaro ireo vady iharan'ny fanararaotana ara-nofo ao an-tokantrano.
Amin'izao fotoana izao, araka ny Andininy 375 ao ao amin'ny fehezan-dalàna, tsy manasokajy ny fanolanan'ny vady ho heloka bevava ny fitsarana Indiana raha tsy hoe latsaky ny 15 taona ilay vehivavy niharan'ny fanolanan'ny vady. Tamin'ny taona 1980, mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona no nanohitra ny lalànan'ny manampahefan'ny governemanta izay nanamafy fa ny fifanekena hivady dia midika fifanekena maharitra ny firaisana ara-nofo ary mety mampihena ny lanjan'ny fianakaviana ao India ny fanamelohana ny fanolanan'ny vady.
Nanome tsiny ny fanambaran'ny minisitra ny media sosialy:
When there is no love in d relationship every sexual act wud feel as #MaritalRape. Be it to a man or a woman Laws can't regulate Love GN
— Deepika Bhardwaj (@DeepikaBhardwaj) April 30, 2015
Raha tsy misy fitiavana amin'ny fiarahana, azo raisina toy ny Fanolanan'ny vady ny firaisana ara-nofo. Na hoan'ny lehilahy na vehivavy. tsy afaka mandamina ny fitiavana ankapobe ny lalàna
Dear minister, if marriage is sacred, does that make #MaritalRape sacred too? http://t.co/WT73Ac4adn (via @JSB17) pic.twitter.com/3HONV59jgV
— Hindustan Times (@htTweets) April 30, 2015
Ry minisitra hajaina, raha masina ny mariazy, mahatonga ny Fanolanan'ny vady ho masina koa ve izany?
Na izany aza, malina kokoa ireo mpisera Twitter hafa mitsikera ireo mpiaro ny lalàna sy manondro ireo lesoka amin'ny lalàna izay mety hanokatra varavarana ho any amin'ny fanararaotana:
Don't trust #MaritalRape Divas. They say they are doing it for you. But most don't even stand up for colleagues in Sexual Harassment cases.
— Ajayendar Al-Adarsh (@ajayendar) April 30, 2015
Aza matoky ireo vehivavy #MaritalRape. Milaza izy ireo fa ho anao no nanaovany izany. Kanefa maro ireo tsy mitsangana akory hiaro ireo namana manana raharaha momba ny Herisetra ara-nofo
my objection to criminalizing #MaritalRape is the possibility of wide-spread misuse. Look how #DomesticViolence Act unfairly favours women
— Tinu Cherian Abraham (@tinucherian) April 30, 2015
Ny fanoherako ny fanamelohana ny Fanolanan'ny Vady dia ny mety hisian'ny fihanaky ny fanararaotana azy. Jereo ny fanomezana tombontsoa tsy ara-drariny ireo vehivavy amin'ny Lalànan'ny Herisetra An-tokantrano
Excerpts from the suicide note of a #498A victim. #MaritalRape pic.twitter.com/Zv02cIBb8i
— हम भारत के लोग (@India_Policy) May 1, 2015
Tsonga avy amin'ny lahatsoratra famonoan-tenan'ilay lasibatra #498A
Nilaza ihany koa ilay mpisera Facebook Jyoti Tiwari fa tokony ho tsy mitanila sy tsy mijery ny maha-lahy sy vavy ny lalàna mba hiarovana ny mpivady roa tonta amin'ny fanararaotana ara-nofo:
Out of five wives every wife rapes her husband at some point at time (physical , financial , mental , emotional and of course legal ) #hangtherapist #maritalrape !
Vehivavy iray amin'ny dimy ny vehivavy manolana ny vadiny amin'ny fotoana iray (ara-batana, ara-bola, ara-tsaina, ara-pihetsehampo ary ara-dalàna mazava ho azy)
Tamin'ny fanehoana hevitra momba ny tranga Fanolanan'olomaro (Kapodahy) tao Delhi izay nanohina an'i India tamin'ny Desambra, nahakepoka ny Indiana ny fanambaran'ny polisy manam-pahefana ambony iray ao Delhi raha nilaza fa fanairana diso avokoa ny 60%n'ireo tranga fanolanana.
“We get at least 60 per cent cases which are false and motivated but we have to register them and sometimes we feel that because of such cases we are not able to work on the genuine cases as much as we would like.”
60 isan-jaton'ny Tranga fanolanana farafahakeliny voaranay no diso sy misy antony ambadika avokoa saingy tsy maintsy mandray an-tsoratra izany izahay ary indraindray mahatsapa fa noho izany toe-javatra izany dia tsy afaka miasa amin'ireo tranga tena misy araka ny tokony ho izy izahay.”