Pakistana, Balochistan : Tsy Voavatsy Amin'Ilay Entona Voajanahary Vokarina Ao Aminy , Nahoana ?

Quetta, Pakistana. 12 Desambra 2011 — Nivory teo amin'ny biraon'ny Sui Southern Gas Company ireo mponina ao amin'ny Lalàna Pasthoonbagh Nechari ho fanoherana ny tosika ambanin'ny enton'i Sui any amin'ny faritr'i Quetta misy azy ireo. Sary avy amin'ny pplimages. Fizakàmanana Demotix
Nosoratan'i Feroz Jan tao amin'ny Urdu ary nadikan'i Salman Latif ho an'ny PakVoices ity lahatsoratra ity. Eto ambany eto ny dikanteny iray.
Faritany tsy mandroso indrindra any Pakistana i Balochistan, ary iray amin'ireo faritra tena tsy mandroso indrindra ao amin'io faritany io i Dera Bugti. Ao Dera Bugti no misy an'i Sui, faritra izay tonga andrin'ny toekarena Pakistane.
Nahitana entona natoraly tao amin'ny fitrandrahana enton'i Sui tamin'ny 1952 ary namatsy faritra maro tany Pakistan io entona io nanomboka tamin'ny 1955. Nantsoina hoe ‘ enton'i Sui’ ilay entona natoraly any Pakistana hita tany amin'ny fitrandrahan'i Sui. Mitondra ny anarana hoe ‘Sui Southern Gas Company ‘ sy ‘Sui Northern Gas Company‘ ireo orinasam-panjakana roa lehibe mpitsinjara entona ao Pakistana.
Tsara lazaina eto fa ny faritanin'i Punjab sy Sindh no faritany voalohany nahazo ny famatsiana avy amin'ny enton'i Sui. Etsy ankilan'izany, 60 taona izay no nahitana ilay entona nefa hatramin'izao fotoana izao dia mbola tanàna kely 14 amin'ny distrika 30 any Balochistan fotsiny no misitraka ny famatsiana ny entona natoraly. Sui, izay enina kilaometatra sy sasany monja avy eo amin'ny toerana nahitana ilay entona aza tsy voavatsy entona akory ary dia voatery mampiasa kitay sy arina ny olona ho fandrehitra.
Na ho an'i Quetta renivohitr'i Balochistan aza dia efa tratra aoriana tamin'ny 1970 vao tonga ny enton'i Sui. Avy eo, ny taona 1990, novatsiana entona ihany koa i Hub satria nanjary faritra indostrialy.
Mbola tsy voavatsy foana i Balochistan na dia toerana itrandrahana ny enton'i Sui aza. Vao nolazain'ny Minisitry ny Solika sy ny Harena Voajanahary ao Balochistan, Mr. Jam Kamaal, fa ” mihevitra ny hanafatra ny enton'i Sui avy any Iran isika”–midika izany fa tsy fantany hoe anarana manokana nomena ny entona vokarina avy ao amin'ny fitrandrahana enton'i Sui ny ‘entona Sui’ ary ireo entona natoraly afarana any Iran dia ho entona voajanahary tsotra ihany.
Fa mbola taratry ny olana goavana hatrany ilay fanambarana mampalahelo : satria toa tsy manana drafitra hiantohana ny fanapariahana bebe kokoa ny famatsiana ilay entona any Balochistan ny governemanta federaly sy ny governemantam-paritra fa aleony mitodika amin'ny fanafarana avy any ivelany mba hamaliana ny filàna solika fandrehitry ny faritany.
Ilaina ny manamarika fa izao no lazain'ny Andininy 158 ao amin'ny lalàm-panorenana Pakistane :
Andininy 158. Ny laharam-pahamehana takian'ny entona natoraly
Ny faritany izay misy ny lavaka iaingàn'ny entona voajanahary no voalohany tsy maintsy mahazo amin'ireo faritra any Pakistana amin'ny famaliana ny fepetra takian'ilay lavaka iandohàna, fehezin'ireo andraikitra sy fitsipika toy ny tamin'ny andro nanombohana.
Tsotra ny dikan'izany : izay faritany nahitàna ilay harena voajanahary no tsy maintsy mahazo tombony voalohany. Mampalahelo fa ny mifanohitra amin'izany no misy amin'ny tranga any Balochistan sy ny fitrandrahana ny enton'i Sui ao aminy.
Hamafisin'ny sasany fa olana ny fiantohana famantsiana entona any amin'ireny faritra lavitra ireny noho ireo toeram-ponenana miparitaka sy ireo tany malalaka mikintaontaona any Balochistan. Nefa na izany aza dia voavatsy entona Sui ireo faritra lavitra indrindra ny faritanin'i Punjab sy Sindh.
Ireto ambany ireto misy antontan'isa momba ny fandaniana entona any Pakistana, nalaina tamin'ny Boky mivoaka isan-taonan'ny Angovo any Pakistana tamin'ny 2007 :
Faritany | Vokatra (MCFT) | Totaliny % | Fanjifàna | % |
Balochistan | 374,161 | 40 | 66,477 | 2 |
Sindh | 536,452 | 54 | 386,262 | 38 |
Punjab | 67,691 | 0.6 | 6395,388 | 44 |
KPK | Nil | Nil | 24,138 | 2 |
Araka ireo vinavinan'ny Bokin'Angovo mpivoaka isan-taona tamin'ny 2007, dia avy any Balochistan ny 25-26%-n'ny entona natoraly vokarina any Pakistan, nidina raha oharina amin'ny 56% tamin'ny 1995. Tamin'io taona io ihany, eo ho eo amin'ny 5,81%-n'ny vokatra avy ao an-toerana no nojifain'i Balochistan. Hatramin'ny naha-hany fitrandrahana entona miasa sy mamokatra ny fitrandrahana entona any Balochistan dia ry zareo no manome ny entona voajanahary ho an'ny faritany manontolo.
Ny tsy fahazoana anjara ara-drariny amin'ny entona Sui nandritra ny 60 taona no iray amin'ny fitarainana fototra ataon'ny mponin'i Balochistan . Ary araka ny fahitana azy dia mbola ho izay ihany no zavatra hisy.
Amin'izao fotoana izao, maro ireo fampanantenana atao mba hanovàna ny tanànan'i Gwadar ho renivohitry ny indostria, ny varotra ary ny fandrosoana. Saingy mampalahelo fa tsy ananan'i Gwadar ireo sasany amin'ny singa fototra tena ilaina toy ny rano madio. Tsy izany ihany, fa ny 10%-n'ny mponina fotsiny no misitraka ny famatsiana entona raha toa ka miandry ny fahavitan'ireo fampanantenana goavana ny ambiny.
Voatery mividy kitay, harina, solitany fandrehitra ny mponin'i Gwadar ho ampiasainy ao an-trano. Tantarain'ny mponina iray ao Gwadar amin'ireto teny manaraka ireto ( eto ambany ny dikanteny) ny fahitan'izy ireo io olana io :
Q: Inona no olana sedrainareo amin'ny tsy fahampian'ny famatsiana entona Sui ampiasaina ao an-trano any Gwadar ?
Zahid Baloch: Tena maika aminay ny famatsiana ny entona Sui ampiasaina ao an-trano. Noho ny tsy fisiany dia voatery any amin'ny kitay no ironanay amin'ny filànay afo ao an-trano. Misy faritra mahazo entona Sui eto Gwadar, saingy faritra onenan'ireo mpanao politika manan-kaja sy ireo olona ambony ireny faritra ireny.
Fa ao an-tranonay sy ny faritra misy anay dia tsy misy famatsiana tahaka izany. Ireo trano sasany manamororna ny làlana mankany amin'ny Seranam-piaramanidina dia manana entona Sui, saingy mbola tokantranon'ny mpanakarena ihany koa ireny. Ankoatra izay, ny mahantra izay tena mila ilay entona fandrehitra mora vidy no tsy voavatsy entona Sui.
Amin'izao fotoana izao, tokony heverin'ny fanjakana Pakistane fa mendrika ny hahazo ny tombontsoany ara-drariny i Balochistan amin'ny maha-mpamokatra entona Sui azy. Ireo fepetra raisina ho hahatanteraka io fangatahana io no hampihena ny fahatsapana ho tsy mba omena zavatra, izay efa tsapan'ny maro amin'ireo mponina any Balochistan
Etsy andanin'izany, mampitombo ny hantsan'ny tsy fifampitokisana eo amin'ny mponin'i Balochistan sy ireo mponina hafa ao amin'ny firenena ny fanohizana ny politikam-panavakavahana atao amin'i Balochistan amin'ny tsy fanomezana azy ny anjarany ara-dalàna amin'ireo loharanon'angovo voajanahary.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...