· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jolay, 2018

Bahrain: Marobe ireo tranonkala voakatona

Marobe ireo tranonkala nakatona tao Bahrain taorian'ny famoretana vaovao nataon'ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao. Nahantonga ireo  tranonkala tahaka ny Google Translate sy ny tranonkala ara-tsosialy, ara-pivavahana, momba ny zon'olombelona sy ny vondrona ara-politika ho tsy azon'ny olona nidirana tao Bahrain intsony ny fanakatonana farany. 

Azerbaijan: Tontolon'ny blaogy mavitrika

  27 Jolay 2018

''Tao anatin'ny sahotaka tamin'ilay famonoana mpianatra maro ny 20 Aprily 2009 tao amin'ny Akademian'ny Solitany tao Azerbaijan, sy ny fisamborana ireo tanora mpikatroka sy blaogera amam-polony sasany, mampahafantatra ireo mpamakiny ny tohin'ity loza mahatsiravina ity ny Flying Carpets and Broken Pipelines («Karipetra manidina sy fantsombe tapaka»).''

Indonezia : Fahefan'ny Vahoaka 2.0

GV Mpisolovava  26 Jolay 2018

''Andro roa taorian'ny nivoahan'ny tany am-ponja, ny alarobia 3 jona 2009, no nitranga ny fitsarana voalohany tao amin'ny fitsarana nanenjehana an'i Prita Mulyasari.''

Sao Tome-Sy-Principe : Fitroarana Tao Amin'ny Hopitaly

  26 Jolay 2018

Nandritry ny volana maromaro lasa izay, lohahevitra mafana iray no naresaka tao amin'ny tontolon'ny blaogy tao Sao Tome sy Principe mikasika ny olana eo amin'ny fahasalamam-bahoaka -izay voalaza fa efa nahitam-bahaolana. Hatramin'ny herinandro lasa teo, tsy nisy rano ny fantson-drano tao amin'ny hopitalin'i Ayres de Menezes

Ejipta: Manabaribary Ny Herisetra Miseho Mandritra Ny Black Out-n'ny Haino Aman-jery Ny Mediam-Bahoaka (Sary Mahery Setra)

Nandritra ireo dimy andro nahatapahan'ny haino aman-jery sy ny fifaneraserana tao Ejipta, vitan' ireo mpikatroka ny namadika ilay sivana ary namoaka lahatsary naharitra ora maro, naharakitra ny herisetra niseho nandritra ilay ''revolisiona'' izany, lavitra ireo sehatra milamina amin'ny fifamoivoizana tsotra ao afovoan'i Kairo sy ny làlana tsy misy olona izay alefan'ny fahitalavi-panjakana nandritra ilay fotoana fandraràna. Mahery setra avokoa ireo lahatsary ireo tamin'ny voalohany. tsaratsara kokoa raha miafinafina ny mpijery..

Koety: Nankalaza ny faha 29 taonany ny tilikambo

Nanamarika ny faha-29 taonany tsy nisy fankalazana firy ny Tilikambon'i Koety, vakoka lehibe indrindra ao amin'ny firenena. Saingy tsy nanadino an'io fotoana io ny bilaogera iray araka ny nosoratan'i Abdullatif Al Omar izay mitondra antiksa ihany koa any amin'ny fihaonan'ny bilaogera... sy mizara amintsika ny zavatra hita tany amin'ny tranon-tsinema.