Azerbaijan: Tontolon'ny blaogy mavitrika

(Fanamarihana: lahagtsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2009)

Ao amin'izay lasa tontolon'ny blaogy mavitrika indrindra tao Atsimon'i Kaokazy, ary indrindra amin'ny teny anglisy, manohy ny fanoratana lahatsoratra mankarary fo ireo blaogera azeris. Tao anatin'ny fotoana nisehoan'ilay famonoana mpianatra maro tamin'ny 20 Aprily tao amin'ny Akademian'ny Solitany tao Azerbaijan, ary avy eo ny fisamborana nisesisesy ireo tanora mpikatroka sy blaogera amam-polony sasany [amin'ny teny anglisy, toy ireo rohy rehetra manaraka], mampahafantatra ireo mpamakiny ny tohin'ity loza mahatsiravina ity ny Flying Carpets and Broken Pipelines («Karipetra manidina sy fantsombe tapaka»).

Efa ho 40 andro izay no nidiran'ny mpitifitra antsoina hoe Farda Gadirov tao amin'ny biraon'ny Akademiam-Panjakana ho an'ny Solitany, namonoany olona 12, izay ny tenany koa. Mbola am-periny  foana ny fanadihadiana amin'izao fotoana izao,  tsy fantatra izay antony, izay nampanao ilay fanafihana na izay isa marina tamin'ireo fisamborana.

[…] Ary arakaraky ny fitarazohan'ny fanadihadiana, vao mainka hisy honohono handeha. Hatramin'izao aloha, tsy mbola nisy filazàna ho tomponantoka. […]

Mihevitra aho fa mila miandry isika…

Mandinika mikasika ny fanoherana karakaraina aoriana fety momba ny voninkazo ao Bakou renivohitra ihany koa ny Sins against Democracy («Fahotana manohitra ny demokrasia»), nefa tsy nisy akony ny antso ho amina andro nasionaly natokana ho fisaonana. Kanefa mandefa fomba fijery maivamaivana kokoa momba ireo fisamborana sy ny fakan'ny polisy vehivavy mpandalo iray tsy manan-tsiny noho ny akanjony fotsiny ilay blaogy.

Araka ny efa fantatry ny tsirairay, nisambotra tanora maro nitomany am-pilaminana ny famonoana tao amin'ny Akademiam-Panjakana ho an'ny Solitany tamin'ny 10 May ny polisy […). Nandritra ny  «Andron'ny Voninkazo» izany, «andro lehibe tsy fiasana» natokana ho fahatsiarovana ny filoha teo aloha Heydar Aliyev. Novakiako tao amin'ny blaogin'i Nigar Fatali fa tamin'ireo tanora voatazona dia nisy vehivavy nosamborina teo am-piandrasana fiara fitaterana , satria fotsiny mainty ny akanjo nanaovany. Nahazo imailaka momba azy aho androany, miaraka tamin'ny hatsikana, izay tiako zaraina aminareo :

Omaly isika nilaza fa nitazona an'i Roma, Nigar, Zaur sy ireo hafa koa, izay nikarakara ny filaharam-pivavahana fisaonana tamin'ny 10 May ny polisy. Tsy vitan'ny nandraoka ny bandy akamanay fotsiny ny polisy, fa ilay vehivavy tsy nanao na inona na inona koa, Gôtika iray niakanjo mainty ary niandry ny fiara fitateram-bahoaka tao amin'ny fiatoana iray.

- Miakanjo mainty aho satria Gôtika ! Gôtika ! Gôtika aho ! nitomany izany raha teo am-pisarihana azy hiditra ao anatin'ny fiarany ireo polisy.

- Inona izany lazainy izany? hoy ilay sandrin'ny lalàna, gaga, namotsotra ny hazany noho ny hatairana.

- Gôtika aho! Gôtika aho! nanomboka nihiaka tamin-kafaliana izy.

- Miteny rosiana io, hoy ilay polisy iray tamin'ny teny malefaka, tsy dia miteny tsara ny fitenintsika izy (ny azeri). Miakara ry zanakavavin'ny G…t ah, ho hitantsika any amin'ny biraon'ny polisy ra G…t ianao na zavatra hafa.

(fanazavana ho an'ireo miteny rosiana : amin'ny teny azeri, midika hoe «dondrona» ny «Got»)

Lazain'ilay namako hoe lasa hatsikana malaza be izany. Mihevitra aho fa (na dia hatsikana aza izany) tsy mampihomehy ny hadalana sy ny fahambanian'ny polisintsika, fa tena zava-misy mampahonena…

Mandritra izany fotoana izany, manontany tena ny Fighting Windmills ? Take a Pill («Amperin'ady amin'ireo milina fitotoana ahodina rivotra? Makà vongam-panafody») hoe fa maninona no matetika tsikerain'ireo blaogera ny zavatra tsy rariny mahazatra any amin'ny firenena toa an'i Azerbaijan sy ireo mpifanolobodirindrina aminy ao amin'ny faritra. Tsotra ny valinteny, hoy ilay blaogera:

Mety efa nanontany tena ianareo, tamin'ny famakiana ny lahatsoratra nosoratako teo aloha, hoe fa maninona aho no mitsipika sy mitsikera be an'i Azerbaijan. Izao no valinteniko : mitovy antony amin'ireo ray aman-drenintsika izay nanasazy antsika noho ny haratsian'ny fitondrantenantsika : fantatr'izy ireo fa afaka manao tsaratsara kokoa isika.

Fa mila manaiky izany aho : misy antony mahatonga ahy miraikitra amin'ity firenena feno tsy rariny, hamafisan-doha sy fitsaratsaram-poana ity. Ireo hetsika am-pitiavana mandeha ho azy, tarihan'ny hoe «maniry aho» fa tsy hoe «tsy maintsy…aho».

[…]

Noho izany, marina fa mety mafy loha, mandefitra, badobado izahay, fa fantatro fa afaka manao tsaratsara kokoa noho izany.

Ary tsy hitsahatra ny hanantena izany fiovana izany mihitsy aho.

Indrisy anefa, noho ny fandrarana ny fandefasana fandaharana vahiny an'onjam-peo natao tany am-piandohan'ny taona tao amin'ny firenena, ary miaraka amin'ireo fanavaozana ny fandrindràna ireo ONG ho anaty fantsona, maro ireo matahotra fa hitodika tsy ho ela any amin'ny Aterineto ireo manam-pahefana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.