
Ny Hopitaly Ayres de Menezes, faritra voatokana ho an'ny fitsaboana zaza, Blaogy Joãozinho Leve Leve
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2010)
[Rohy amin'ny fiteny paortigey] Nandritry ny volana maromaro lasa izay, lohahevitra mafana iray no naresaka tao amin'ny tontolon'ny blaogy tao Sao Tome sy Principe mikasika ny olana eo amin'ny fahasalamam-bahoaka -izay voalaza fa efa nahitam-bahaolana. Hatramin'ny herinandro lasa teo, tsy nisy rano ny fantson-drano tao amin'ny hopitalin'i Ayres de Menezes, kanefa nanome toky ilay tale hoe efa noraisiny an-tànana ilay olana.
Efa tamin'ny fiandohan'ny taona 2010 no niresaka io olana goavana momba ny rano ao amin'ny hopitaly lehibe ao Sao Tome io ireo blaogera. Naharitra dimy taona io olana ara-pamatsiana io. Ny volana Febroary, Ricardo Bianchi, paortigey iray mpitsabo miasa mamita iraka ao amin'io hopitaly io no nandefa lahatsoratra iray tao amin'ilay blaogy Joãozinho Leve-leve momba ny toetoetry ny seha-pitsaboana ao Sao Tome, indrindra indrindra ny fepetra iasan'ireo mpiasan'ny fahasalamana isanandro.
Araka ny fijeriny, ny tsy fahampian-drano no isan'ny sakana iray lehibe, ary manahy izy fa aminà tranga sasantsasany, mety tsy ho voasakana ny hisiana fahafatesana tampoka noho ny tsy fahampiana fitaovana, hoy izy manazava :
Os distintivos a assinalarem estes projectos de cooperação estão por toda a parte, mas a utilização de forma sustentada dos recursos tecnológicos existentes torna-se muito difícil quando as falhas de energia são constantes e o hospital não dispõe, actualmente, de água corrente. Resultado: enfermarias sobre-lotadas, quentes e mal ventiladas associadas a múltiplas restrições na realização de exames auxiliares de diagnóstico. Uma realidade muito diferente daquela a que nos habituámos nas Faculdades de Medicina e nos hospitais do nosso país [Portugal]!
Telo volana aty aoriana, Américo, dokotera iray hafa nandray ny toerany tamin'ilay iraka nataony koa no nanoritsoritra ny tsapany voalohany tao amin'io blaogy io ihany :
As limitações de espaço e a desadequação das estruturas são evidentes, e não são estranhas aos profissionais que nela trabalham e que tentam diariamente fazer o melhor com aquilo que existe. Uma das maiores dificuldades é sem dúvida a falta de água corrente no hospital o que dificulta a higiene dos doentes e dos profissionais e impõe ainda maiores limites ao tipo de exames disponíveis.

Fitanisàna ny rafitra famatsian-drano tao amin'ny gazetiboky “Ilustração Portugueza”, Desambra 1916, Blaogy Revista Antiga Portuguesa
Kihon-dalana hafa mihitsy no nalehan'ilay resaka ny volana May, rehefa nanao antso iray i Humbah Aguiar, izay mpila ravinahitra avy ao Sao Tome, tanaty lahatsary tao amin'ny Youtube mitondra ny lohateny hoe : Ao amin'ny Hopitalin'i STP, mangalatra ny ranon'ny hopitaly ny mpanankarena ary mijery fotsiny ny olona !!!!!?? :
https://www.youtube.com/watch?v=UseGCxztRlY?fs=1&
No Principal hospital de S.tomé não há água porque a população rica do país extraviou para suas casas.
São-tomenses façam alguma coisa, manifestem saiam a rua….
Esta minha revolta é apenas um desabafo….
Ao amin'ilay lahatsary, i Humbah Aguiar no maneho ny fitroarany taorian'ny namakiany fanadihadiana iray mombanà zaza namoy ny ainy noho ny tsy fahampian-drano tao amin'ny hopitalin'i Ayres de Menezes, na dia ny hihinanana fanafody fotsiny aza. Mampahatsiahy fitoriana iray teo aloha ilay lahatsoratra, mikasika familiana ny lalan-dranon'ny hopitaly nataonà faritra raitra iray naorina akaiky eo, ny Campo de Milho :
Sede e insanidade geral no hospital central, enquanto que há cerca de 200 metros do centro de saúde, água abundante mata sede de figuras políticas e do mundo empresarial que habitam no campo de milho. «Têm água para beber e para regar os seus jardins», desabafou um dos utentes do banco de urgência.
A água que irriga as residências de luxo do campo de milho, foi canalizada exclusivamente para o hospital central. Os poderosos que vivem no bairro de elite vizinho ao hospital, vandalizaram a canalização e levaram a água para as suas casas, para o seu bem-estar, para o seu deleite.
Hetaheta sy loto ao amin'ny hopitaly lehibe, kanefa 200 metatra miala eo, miraradraraka ny rano manala hetaheta ireo mpitarika antoko politika sy ireo mpandraharaha monina ao Campo de Milho.”Manana rano ho sotroina sy hanondrahana zaridaina ry zareo” hoy ny voalazan'ilay marary iray tao amin'ny trano fandraisana vonjy taitra.
Ny rano mamatsy ireo faritra raitra ao Campo de Milho dia natokana manokana ho an'ny hopitaly . Ireo manankatao monina ao amin'io faritra voatokana akaikin'ny hopitaly io no nijirika ny fantson-drano ary namily izany ho an'ny tranon'izy ireo, ho an'ny tombotsoa manokany sy ny fahafinaretany.
Nahatonga resabe ilay lahatsary ary haingana be koa ny fiparitahany tany amin'ny vondrona hafa anaty aterineto, toy ny São Tomé Blog, Facebook sy Canal Santola. Dimy ambinifolo andro taty aoriana, nojerena in-1500 isa ilay lahatsary ary nihamaro ny fanehoankevitr'ireo mpampiasa aterineto teny amin'ny sehatra isan-karazany teny. Ilay vohikala Téla Nón moa dia namoaka lahatsoratra nanambaran'ny mpitantana ilay hopitaly fa efa voavaha ny 80/90 isan-jaton'ny olana tamin'ilay fotodrafitrasa. Voalaza fa mampiasa fantson-drano avy aminà trano tsy misy mipetraka intsony eo amin'ny manodidina eo ny hopitaly amin'izao fotoana izao. Andro vitsy taty aoriana, voamarina fa diso izany fanambarana izany :
O Hospital Central Ayres de Menezes, continua sem acesso a água canalizada. Como tem acontecido nos últimos meses, é a corporação dos bombeiros que tem levado alguns metros cúbicos de água para o centro de saúde de referência do país.
Nohamarinin'i Janet Gunter ity lahatsoratra ity.