Ripaka eo am-pelatanan'ny governemanta Poloney ny iray amin'ireo ala tranainy sisa tavela any Eoropa

Fanangonan-tsonia an-tserasera mitaky ny fiarovana ny Ala Białowieża izay nahangona sonia marobe miisa 243.523 tao amin'ny WeMove.eu, sy sonia miisa 192.480 tao amin'ny Rainforest Rescue.

Nandritra ny roa taona sy tapany, niady tamin'ny manampahefana Poloney ireo mpiaro ny tontolo iainana momba ny Ala Białowieża, Vakoka Manerantanin'i UNESCO sady iray amin'ireo ala tranainy manan-danja sisa tavela any Eoropa sady lehibe indrindra..

Tamin'ny volana Aprily 2018, nambaran'ny Fitsarana Eoropeana, ilay Fitsarana Eoropeana ambony indrindra, fa nandika ny lalànan'ny Vondrona Eoropeana i Polonina tamin'ny fitrandrahana hazo anaty ala, ka nampandoavina lamandy mitentina 4.3 tapitrisa euros (dimy tapitrisa dolara amerikana), izay mety hitombo ho 100.000 euros isan'andro, raha tsy mitsahatra ny fandripahana ala.

Tamin'ny volana Martsa 2016, ny Minisitry ny Tontolo Iainana Poloney teo aloha Jan Szyzko, mpikambana ao amin'ny antoko Lalàna sy Fitsarana izay tohanan'ny fikambanan'ny mpiasan'ny ala, dia nankatoa ny fampitomboana avo telo heny ny habetsaky ny hazo izay azo alaina ao Białowieża, mba hiadiana tamin'ny fiparitahan'ny voangory mainty. Tamin'ny volana Jolay, nanao fitarainana tany amin'ny Vaomiera Eoropeana izay nitory an'i Polonina tany amin'ny Fitsarana Eoropeana avy eo ny fikambanana misahana ny tontolo iainana Poloney vitsivitsy.

Manelanelana ny sisintanin'i Polonina sy Belarosia, ahitana faritra lehibe mangina i Białowieża ary manan-karena biby sy zava-maniry izay ahitana karazam-biby mampinono miisa 59, anisan'izany ny ombidia Eoropeana. Kanefa any amin'ny faritry ny Belarosiana dia maherin'ny 80 isan-jaton'ny faritra no voafaritra ao anaty valan-javaboary nasionaly, raha 17 isan-jaton'ny ala monja no mba manana fiarovana mitovy amin'izany ho an'i Polonina .

Nilaza ny fikambanana mpanara-maso ny tontolo iainana fa hazo miisa 160.000-180.000 farafahakeliny no nokopaina nanomboka hatramin'ny drafitra fitantanana vaovao nataon'i Szyzko tamin'ny taona 2016.

Ny tsy firaharahiana ny tontolo iainana dia olana iray mahakasika ny faritra rehetra any Eoropa Atsinanana. Any Romania dia manombatombana ny Greenpeace fa hazo telo hekitara no very isan'ora any amin'ireo tangorombohitra Carpathiana, izay sady ahitana ny iray amin'ireo faritry ny ala farany manan-danja any Eoropa. Ao Slovakia, nisy ny fanambarana ofisialy fa miharipaka ny ala araka ny sary avy eny an'habakabaka.

Tany Polonina, voaroaka tamin'ny volana Janoary 2017 i Szyzko, andro vitsivitsy fotsiny taorian'ny volavolan-dalàna iray hafa nampiady hevitra izay notohanany ary lany tao amin'ny parlemanta. Ny volavolan-dalàna dia manafoana ny fanerena ireo olon-tsotra tompon-tany hangataka alàlana hanapaka hazo na hampilaza amin'ireo manampahefana ao an-toerana fa hokapaina na efa nokapaina ny hazo .

Nanaiky ny hanaraka ny fanapahan-kevitry ny Vondrona Eoropeana ny minisitry ny tontolo iainana vaovao, Henryk Kowalczyk, saingy mbola nisy ihany ny adihevitra tamin'ny fitantanany. Tamin'ny volana Mey dia nametraka ekipa iray izy hamolavola drafitra maharitra ho an'ny ala, anisan'izany ny drafitra fambolena indray ny faritra voatrandraka, izay araka ny voalazan'ny mpiaro ny tontolo iainana fa tsy hitondra fanatsarana ho an'ny tontolo iainana fa mety hahatonga izany ho ratsy kokoa.aza

Ireo hetsi-panoherana

Tamin'ny volana Mey 2017, nanangana tobim-ponenana maharitra tany anaty ala ireo mpanao fihetsiketsehana, matetika izy ireo no mifamatotra amin'ny milina fiotazam-bokatra. Nandrisika ny fampiroboroboana ny fanangonan-tsonia an-tserasera sy ny fanentanana iraisam-pirenena ny toby, izay nokarakaraina niala avy tany amin'ny (amin'ny vondron'olona ifotony) no niakatra.

Nisavorovoro ny toe-draharaha rehefa nesorina an-katerena tsy ho ao amin'ny faritra intsony ny mpanao fihetsiketsehana, ary nasian'ny Tompon'andraikitra misahana ny Ala rojovy izy ireo, ary napetraka ny lalàna mandrara ny fidirana ao amin'ny faritra sasany ao an-toerana. Tamin'ny fiandohan'ny Lohataona 2017 dia nanambara ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana fa ny fanoherana rehetra amin'ny fitrandrahana ny ala dia azo heverina ho fanoherana ara-politika.

Koa satria nanomboka nanafika ireo hetsi-panoherana ireo tamin'ny fanakianana sy ny tsikera ny fampahalalam-baovaom-panjakana ao Polonina, izay miha-iharan'ny fitsabahan'ny governemantan'ny antoko Lalàna sy ny Fitsarana, mpandala ny mahazatra, dia nanapa-kevitra ny hanisy sira ny hafatr'izy ireo tamin'ny fihetseham-po feno fitiavan-tanindrazana ny mpanao hetsi-panoherana, ary nampiroborobo ny hafatra hiaro ny vakoka nasionaly izay mifanaraka amin'ny fihevitry ny antoko.

Misy ny maodely nomerika 3D an'ny ala izay novokarin'ny fiaraha-miasa teo amin'ny Greenpeace sy ny Minecraft, ary ahafahan'ny mpilalao mamantatra an'i Białowieża iray manontolo amin'ny zava-mananaina isan-karazany sy ny toetr'androny. Antsoina hoe “Ho An'ny Hazo Sisa Mijoro”, ity lalao ity dia manaisotra ny hazo tsy ho hitan'ny mason'ireo mpilalao tsy misy fampahafantarana mialoha, hany ka mihazakazaka ny fotoana ijerena izay hazo farany mijoro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.