Ejipta: Manabaribary Ny Herisetra Miseho Mandritra Ny Black Out-n'ny Haino Aman-jery Ny Mediam-Bahoaka (Sary Mahery Setra)

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2011)

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsipanoherana tao Ejipta 2011 ity lahatsoratra ity.

Fampitandremana: misy sary mahery setra ireo lahatsary tanisaina etsy ambany. Tsaratsara kokoa raha miafinkafina ny mpijery.

Tamin'ny 2 Febroary 2011, taorian'ny dimy andro nanapahana tanteraka ilay tolotra dia nanapa-kevitra ny manampahefana Ejiptiana ny hamerina ny Aterineto. Nandritra izany fotoana izany, izay heverina ho nosandain'ny firenena ampolony tapitrisa dolara maro, nanaporitra ny mpanao gazety sy ny haino aman-jery iraisampirenana ny fanjakana, izay niteraka fikorontanana lehibe teo amin'ny fifaneraserana tamin'ny finday sy ny fanaparitahana amin'ny zanabolana. Nandritra izany fandraràna izany, vitan’ ireo mpikatroka ny namadika ilay sivana ary namoaka  lahatsary naharitra ora maro, nameno ny banga navelan'ireo haino aman-jery.

Tsy nohamarinina tamin'ny fomba tsy miankina ny votoatin'ireo lahatsary ireo saingy naharakitra ny herisetra niseho nandritra ilay ”revolisiona” izany, lavitra ireo sehatra milamina amin'ny fifamoivoizana tsotra ao afovoan'i Kairo sy ny làlana tsy misy olona izay alefan'ny fahitalavi-panjakana nandritra ilay fotoana fandraràna.

Nampiseho ady tsy nisy indrafo teo amin'ny tetezan'i Kasr Al Nile izay nitranga nandritra ny andro voalohany tamin'ilay fandraràna ireo lahatsary voalohany. Efa mivoaka sahady ny endrika maloka: ny herisetra mahery vaika izay efa nivononan'ny fitondran'i Hosni Moubarak hiatrehana ireo mpanao fihetsiketsehana mpandala ny demokrasia, ary amin'ny fifaohana sy fanosena mpanao fihetsiketsehana tsy mitam-piadiana amin'ny fiaran'ny polisy mpandrava korontana. Mandrakotra ilay zava-niseho ny tsimpona lahatsary nozarain'i Storyful :

http://www.youtube.com/watch?v=o7d8HGDEGpU

Ao anatin'ity lahatsary nozarain'i BlackDeadex, voafoakan'ny kamiaon'ny mpamono afo ny mpanao fihetsiketsehana iray, tao anatin'ny fisafotofotoana tanteraka, raha teo am-pitorahana vato ireo polisy ny mpanao fihetsiketsehana:

Mampiseho trangan-javatra toy izany ity lahatsary navoakan'i Omar Rashid ity rehefa tratran'ny fisavoritahana tampoka ny mpamily fiara iray (lazaina ho tao anaty fiara diplaomatika) ka namily nanitsy tao anatin'ireo olona marobe:

Ao amin'ity lahatsary ity, mirimorimo mandona andiam-bahoaka mandeha tsotra ny fiarana polisy Ejiptiana iray hita mazava tsara (nozarain'i engai):

Ampahany amin'ny frandrakofanay manokana ny Hetsipanoherana tao Ejipta 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.