Ny Loka Blaogy Tsara indrindra Avy Amin'ny DW

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2006)

Raha tsy namaky ny blaogin'i Hoder androany aho dia angamba tena tsy nahita ilay lanonana Ny Loka Bilaogy Tsara Indrindra 2006 nokarakarain'ny Deutshe Welle  tao amin'ny Tranom-bakoka ho an'ny Fifandraisana ao Berlin, ora vitsy lasa izay. Fantatro fa nisy ilay loka fa tsy fantatro ny fotoana sy ny toerana ary na ny hoe nisokatra ho an'ny besinimaro ilay izy.

Hossein Derakhshan speakingDia tany ary aho nihaino mpahay lalàna 12 (Tsy tao i Manal avy any Ejipta) ary vahiny vitsivitsy ihany koa, izay blaogera malaza be amin'ny faritra misy azy ary manerana ny tany ihany koa. Tena traikefa fianarana ny fihainoana ireo fijery samihafan'ny mpandahateny izay nanolotra ireo blaogera avy amin'ny teny, firenena ary fiarahamonina samihafa. Nohazavain'ireo mpitsara ny antony nisafidianany ireo blaogy manokana isaky ny sokajy tsirairay avy. Nisy fotana natokana ho an'ny fanontaniana sy valiny rehetra ihany koa tao.

Nanolotra teo amin'ny blaogy miisa 5.500 teo, amin'ny teny 10, ho an'ilay fifaninanana ireo mpampiasa aterineto manerana ny tany, maherin'ny avo roa heny tamin'ny taona farany.
Ireo mpitsara iraisam-pirenena ahitàna ireo blaogera, mpanao gazety ary manam-pahaizana manokana amin'ny media dia namorona lisitra kelin'ireo 10 voasafidy isaky ny iray amin'ireo sokajy 15 amin'ilay fifaninanana. Nandritra ny telo andro nisafidianana, nosokafana ho an'ny fanakian'ny dahlobe ireo voasafidy .

Lasan'ny Sunlight Foundation, blaogy Amerikana iray,  ilay lokan'ny Weblog Tsara Indrindra. Nahazo ny lokan'ny Weblog amin'ny Teny Anglisy Tsara Indrindra ny PaidContent.org.

Iangaviana ianao mba hanindry eto raha hijery ilay lisitra feno misy ny anaran'ireo nahazo ny loka natolotry ny mpitsara.

Nisy lokan'ny mpampiasa nomena izay blaogy nahazo vato be indrindra isaky ny sokajy tamin'ilay fifaninanana.

Ireto misy fanehoankevitra vitsivitsy notsongaina tamin'ireo resaka marobe:

Hossein Derakhshan (Iràna): ”Asehon'ireo blaogera Iraniana fa ity taranaka ity dia mandefitra sy misoka-tsaina kokoa noho ny taranaka teo aloha.”

Michael Anti (Shina): ”Any Shina, lasa lamaody ny fanoratana blaogy. I Shina no firenena mpitoraka blaogy be indrindra manerana ny tany. Ny ankamaroan'ireo olo-malaza (mpilalao sarimihetsika, mpanao gazety) dia saika manana ny blaoginy tsirairay avokoa ary vakiana sy hanehoan'ireo mpankafy hevitra izany. Mety ho lavitra ny demokrasia saingy afaka mampihatra ny demokrasia amin'ny alalan'ny blaogy ireo vahoaka Sinoa.”

Gilles Klein (Frantsa): ”Na dia feno blaogy maro aza ao Frantsa, vitsy an'isa ireo tena manan-danja. Miankina amin'ny mpampiantrano na ny sehatra ireo blaogy ireo. Raha toa ka ny iray amin'ireo no tsy misy intsony, dia hisy fiantraikany any amin'ny blaogera maro izany.”

Kaltmamsell (Alemaina): ”Aty Alemaina, nanomboka ny blaoginy ny mpitazona trano kely fivarotana iray ary lasa nalaza izany. Avy eo ilay izy niteraka tsikera hoe ‘Ny zavatra manaraka ho hitantsika dia mpamafa gabone hanoratra blaogy mikasika ny asany’, ary nampizara ireo blaogera Alemàna izany. Ny ampahany iray nilaza ‘yayee’ mba tianay ny hamaky izany. Ny ampahany iray hafa kosa dia nanohitra izany ary nilaza fa tokony hanana lanjany ara-literatiora sy hanana fitsipika ny lahatsoratra am-blaogy. Mampiseho ny  fironana manokana amin'ny fanoratana blaogy ao Alemaina izany.”

Sonia Francine (Brezila): ”Tsy mbola ekena ho toy ny zavatra tsara homarihana ny fanoratana blaogy ao Brezila. Na izany aza ny blaogy tsara indrindra amin'ny teny Portiogey dia nitaona ny fikatrohana amin'ny bisikileta izay miady amin'ny fitomboana tsy voafehy ny fanànana fiara ao Brezila.”

Marina Litvinovich (Rosia): ”Manan-danja noho ny politika ny baolina kitra any Rosia” teo am-panolorana ny blaogy tsara indrindran'ny fikambanan'asa  ‘Soccer Club’ (Rosia).

Julien Pain (Frantsa): ”Ny fikambanan'ny Iraniana mpandresy tamin'ny Lokan'ny Mpitatitra Vaovao Tsy Voafetran-tSisintany dia miaro ny fanehoankevitra malalaka any amin'ny firenena izay manivana fatratra ny aterineto sy mampiditra am-ponja ny mpitoraka blaogy izay manakiana loatra ny fanjakana.”

Tsara homarihina fa nahazo ny lokan Weblog Tsara Indrindra amin'ny teny Anglisy tamin'ny DW ny Global Voices tamin'ny 2005.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.