Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jona, 2018
Port Harcourt: ny ‘setroka mainty matevina’ ao an-tanàndehiben'i Nizeria
Mahatonga homamiadana sy areti-tratra ny setroka mainty, ary mampitombo ny tahan'ny aretim-po ny miaina maharitra ao anaty setroka mainty .
Fisamboran'i Vietnam mpisolovava sady mpanoratra malaza iray
Nosamborin'ny polisin'ny minisiteran'ny filaminam-pirenena ao Vietnam noho ny fandraisany anjara tamin'ny asa fanakorontanana i Le Cong Dinh. Io Dinh io dia mpisolovava iray malaza amin'ny fanohanana ny demaokrasia, fiarovana ny zon'olombelona ary amin'ny asa soratra. Vondrona famoaham-baovao sy mpampianatra ambony ao an-toerana maro no nanameloka ny fisamborana an'i Dinh.
Iran: Reformista sady bilaogera mpikatroka voasambotra
Satria mbola manohy ny fihetsiketsehan'izy ireo manerana an'i Iran ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanohitra ny voka-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 Jiona, nisambotra mpikatroka an-jatony ny manampahefana Iraniana, ka anisan'izany ireo bilaogera.
Lahatsary Mampiharihary ny Mombamomba Ny Ankizy Miaramila
Nanao fikarohana mombanà lahatsoratra kasaiko ho avoaka mahakasika ny ankizy miaramila aho, no nahita lahatsary tao amin'ny tranonkala fifampizarana lahatsary, izay voalaza fa fanadihadiana natao taminà adolantsento efa ankizy miaramila taloha.
Mampitambatra ny vehivavy hanohitra ny fihetsika fanambatiana vehivavy ataon'ny filohan'i Filipina Rodrigo Duterte ny fanentanana #BabaeAko
"Renim-pianakaviana, mpampianatra, Filipiana aho. Manameloka an'i Duterte aho noho izy mpankahala vehivavy sy milaza fa "azo ekena" ny fankahalana sy ny fanafihana vehivavy."
Brezila: Ataon'ny mpiserasera fialam-boly ny famelezana ireo politisiana mpanolikoly
Lalao video ahafahanao mitifitra mpanao politika Breziliana voampanga amin'ny kolikoly.
Ejypta: Mampiasa media sosialy ny tanora mba hanotorana ny elanelana
Ejipsiana miisa 30, 18 ka hatramin'ny 28 taona, no niara-nientana mba hamokatra dokambarotra ara-tsosialy 10, mikendry ny fanavaozana ara-tsosialy.
Bosnia Sy Herzegovina : Takian'ireo Mpanao Hetsipanoherana Ny Rariny Ho An'ireo Fahafatesana Roa Tsy voavaha
Niely nanerana an'i Bosnia sy ny zanany am-pielezana ny hetsi-panoherana mitaky ny rariny tamin'ny fahafatesan'ilay tanora 21 taona, David Dragičević.
Maoritania: Voatazona tany am-ponja ilay mpanao gazety Hanevy Ould Dahah
Nosamborina noho ny fanehoan-kevitra tao amin'ilay tranonkalan'ny mpanohitra Maoritaniana elatra ankavia Taqadoumy izay notantanany ilay mpanao gazety Maoritaniana Hanevy Ould Dahah.
Navoakan'ny fikarohana ny fisian'ny fanentanana nomerika misompatra ireo mpiaro ny zon'olombelona Pakistaney

Milaza ny tatitra avy amin'ny Amnesty International fa misy tambajotra kaonty media sosialy hosoka ampiasaina hisovohana ho ao amin'ireo vondrom-piarahamonina mpikatroka ao Pakistan.